Marka Toko Faha 6

1 Niala tamin'ny tanàna io izy fa nandeha amin'ny tanindrazagnany, de nagnaraka an'Azy mpianatrany. 2 Ka ndreka tonga ny andro sabata, de nampianatra tamin'ny fiangonana, Izy. Gaga aby ny olona naregny an'Azy. Nizaka iary zareo hoe: "Avy taza nazahoan'iary zareo fampianarana izany?" "Ino fahakantena nomena an'Azy izany?" "Ino aby ny fahagagana namboarin'ny tamin'ny tagnany?" 3 "Tsy mpandrafitra igny va arô io va, i zanak'i Maria ampiandry amin'i Jakoba mbàn'iary Josesy miaraka amin'ny Jodasy de Simona? Tsy miaraka amintsena eto ma ny anakaviny igny a? Vignitra tamin'i Jesôsy iary zareo. 4 De nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Tsisy mpaminagny tsy hajaina, raha tsy amin'ny tanindrazagnany, de amin'ny havany marivo mbàn'ny ankohonany manokana my." 5 Tsy afaka magnano asa mahavarena Izy, afa tsy fametrahana tagnana tamina marary bitabitaka sady magnasitragna an'iary zareo. 6 Gaga noho ny tsy finoany iary zareo Izy. Ndreka aveo nandeha nagnodidigna ny tanàna Izy hampianatra. 7 Ndreka aveo de nagnantsoan'iary zareo. roiambinifolo lahy Izy sady nanomboka nagniraka an'iary zareo tsiroidroy, sady nomen'ny fahefana tamina fagnahy maloto iary zareo, 8 sady nadràra an'iary zareo tsy hitondra ino amin'ino amin'ny andianany, na mofo, na sandrify, na vola amin'ny fehin-kibon'iary zareo_ afa tsy tangala my_ 9 hagnatao kapa, fa ts hagnatao akanjo roy. 10 De nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Na vena na vena anareo miditra amina tragno raika, de mitomera ao mandra-pilanareo agny. 11 Ndreka misy tanàna tsy mandrôka na tsy miteno anareo, ndreka miala amin'ny pilasy izany anareo, de ahintsagno vovoka amin'ny tongotranareo mba ho fijoroana vavvolombelona amin'iary zareo." 12 De nandeha iary zareo sady nitory fa ny olona de ts tokony tsy hagnano raha ratsy koa. 13 Nandrôka demonia maro iary zareo, sady nagnosotra diloilo tamin'ny marary maro ka de nahafaka aby io. 14 Regnin'i Heroda mpanjaka izany, satria nanajary regny laza ny agnaran'i Jesôsy. Ny sanagny mizaka hoe: "Nifokatra angamba i Jaona mpanao batisa, de miasa agnatin'izany hery mahagaga izany." 15 Fa ny sanagny kosa de mizaka hoe: " Elia Izy". Ny sanagny ndreka nizaka hoe:"Mpaminany Izy, karan'iary zareo tamin'ny andro taloha." 16 17 Ndreka regniny Heroda izany de nizaka Izy hoe: "Jaona zay nitapahiko loha, no nifokatra. Fa Heroda no nampagnambotra an'i an'i Jaona sady nagnandefa an'Azy tagny an-tranomaizina noho ny raha ataon'ny Herodiasy (vadin'i ampiandry amin'ny Filipo), satria nataony vady raviavy igny. 18 fa i Jaona nizaka an'i Heroda hoe: "ts mety amin'ny lalàna ny hanambadianao ny vadin'ny ampiandry aminao." 19 De vignitra tamin'azy Herodiasy ka niaragna raha hamonoana an'azy, nefa tsy afaka, 20 noho ny fahatahoran'i Heroda an'i Jaona; fantany fa olona marina masina be izy. De niaro an'azy izy. Nanahiran-tsaigna an'azy ny fitenoana an'izany, ka de mbola niteno an'azy tamin-kafalena my izy. 21 Arika nisy irika tamin'ny fitsingrenan'ny taona nahaterahan'i Heroda ka de nasainy ny lehibeny io, mbàn'ny mpifehy an'azy io, de iary zareo mpitarikan'ny Galilia. 22 De niditra amin'ny tragno fagnamboarana fety ny zanaka viavin'ny mpanjaka sady nandihy ho an'azy, sady natsatsara an'i Heroda mbàn'iary zareo vahiny nantsovana tamin'ny fihinana izy. Nizakaiin'ny mpanjaka tamin'ny zazaviavy igny hoe: "Angatay aminaha aby zegny raha tenao de homeko anao." 23 De nifanta tamin'azy izy nagnano hoe: " N'ino n'ino angatahinao aminaha, de homeko anao aby, hatramin'ny antsatsakin'ny fanjakako." 24 De nivôka izy sady nizaka tamin'ny endriny hoe: "Ino ny tokony angatahiko amin'azy?" Ny lohan'i Jaona mpagnano batisa." 25 Teo no ho eo my de nierigna tagny amin'ny mpanjaka iazy, de nangataka, nagnano hoe: "Teko omenao anaha, amin'izao de amin'izao, eo ambonin'ny kopy ny lohan'i Jaona mpagnano batisa." 26 Ndre de nampalahelo be an'ny mpanjaka izany, de tsy afaka nadà ny raha nangatahiny izy noho ny fanta nataony noho ny vahiny nasainy tamin'ny fihinana. 27 Izany ny nahatonga an'azy nandidy miaramila raika avy tamin'ny mpiambina an'ny mpanjaka sady nandidy an'azy anazy hitondra ny lohan'i Jaona amin'azy eo. Nandeha ny mpiambina de nanapaka ny lohany tao an-dragnomizigna. 28 Nindôsiny tambon'ny kopy ny lohany de nomeny an'ny zazaviavy igny, i zazaviavy igny koza nagnome anazy an'ny endriny. 29 Ndreka regniny mpianatrany izany, de tonga iary zareo nangalaka ny fatiny de nandevigna an'azy tam-pasagna. 30 Nierigna tamin'ny Jesôsy aby ny apostoly de nikoragna tamin'azy ny raha marobe vitan'iary zareo mbàn'ny raha nampenarin'iary zareo. 31 De nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Andao antsena ho agny amin'ny tany tsisy olona mba hangala roboka bitaka. Fa maro ny olona nidavoy, sady tsy manam-potoana hinanan-kanina aby iary zareo. 32 De nandeha tamina lakana iary zareo mba ho agny amin'ny tany tsisy ino amin'ino. 33 Iary zareo nahita an' azy io nandeha de maro ny nahalala an'azy io, de niaraka nihazakazaka an-tongotra avy tagny amin'ny tanàna marobe iary zareo, ka talohan'iary zareo nitongavany teo. 34 Ndreka tonga tamorogny tegny iary zareo, de nahatsinjo olona marobe Izy nampalahelo an'Azy iary zareo satria kara ondry tsy managna mpiambina iary zareo. De nanomboka nampianatra raha maro an'iary zareo Izy. 35 Ndreka alina ny andro de nagnatogna an'zy ny mpianatrany ka nagnano hoe: "Toerana tsisy ino amin'ino eto nefa ny andro efa ho alina sahady. 36 Alefaso mividy hanina amin'ny vohitra na amin'ny tanàna magnodidigna eto iary zareo ho an'azy." 37 De namaly Izy ka nizaka tamin'iary zareo hoe: "Mahazo mandeha mividy mofo na denaria roanjato ma ahay de omena an'iary zareo ohaniny?" 38 De nizaka izy tamin'iary zareo hoe: Firy no mofo agnanareo? Mandiana arika jerevo." Ndreka hitany, de nizaka iary zareo hoe: "Mofo dimy de laoka roy." 39 Nizakain'ny aby ny olona mba hipetraka hitsitokotoko tamin'ny ahitra maintso io teo. 40 De samy nipetraka nitsitokotoko iary zareo; zato tokony de dimampolo. 41 Nalainy ny mofo dimy niaraka tamin'ny laoka roy, nitraka nizaha lagnitra de nisaotra sady ka nizarazara mofo de nagnome an'izany tamin'iary zareo mba ho zarazarainy amin'olona. Nizaraina koa ny laoka roy ho an'iary zareo marobe. 42 De nihinagna iary zareo marobe mandra-pahavoky an'iary zareo. 43 Nalain'iary zareo ny ambiny mofo, de nahafeno roiambinifolo sobika nidongodongo, mbàn'ny aminy laoka. 44 Nisy dimy arivo ny lilahy nihinagna mofo. 45 Teo no ho eo no nampidiriny tan-dakana ny mpianatrany mba ho tonga alohany egnilany egny, ho agny Betsaida, ndreka nandefa ny fokonolona Izy. 46 Ndreka dila iary zareo, de niakatra tantendrom-bohitra Izy mba hivavaka. 47 Ndreka alina ny andro, sady efa tantegnategnany ranomasina ny lakana, Izy raika tegny antamboho. 48 De hitany fa sahiragna mafy iary zareo nivehy ny lakana, nanohitra mafy an'iary zareo ny rivotra. Afaka efatra alina tamin'ny lera fembenana de nagnantogna an'iary zareo Izy, nandeha tegny ambonin'ny ranomasina, sady te handalo amin'iary zareo teo Izy. 49 Ka ndreka nahita an'Azy nandeha tegny ambony ranomasina iary zareo, de neverin'iary zareo angatra Izy ka nihoaikaika iary zareo, 50 satria nahita an'Azy iary zareo de vaki-tahotra. Teo no ho eo de nizaka tamin'iary zareo Izy ka nagnano iary zareo hoe: "Matokisa! Izaho my ity: Aza matahotra!" 51 de niditra tan-dakana niarka tamin'iary zareo Izy, de tsy de nandrivotra koa. De gaga be iary zareo. 52 De tsy takatry ny saignan'iary zareo ny dikan'ilay mofo. Nefa koza, vômaika negnamfy fo my iary zareo. 53 Ndreka tody iary zareo, de tonga tao Genesareta de nitozoka tao. 54 Ndreka nijotso avy tamin'ny lakana iary zareo, de tonga de fantan'olona tao Izy, 55 ka nihazakazaka nagnodidigna ny tanàna marobe iary zareo sady nanomboka nitondra ny marary tamin'ny fandreny tamin'ny zegny regnin'iary zareo misy an'Azy. 56 Fa na taza na taza nandianany na an-tanàna, na tanàn-dehibe, na teny amin'ny kely, de navelan'iary zareo tan-tokontany teo ny marary. Nengavy an'Azy iary zareo mba havelany iary zareo io hitàna ny moron'akanjony, zegny nitàna an'Azy de afaka.