Toko faha 9

1 Niditra tan-dakana Jesôsy, nitsaka, de tonga tan-tanànany. 2 Igny, nisy lilay rekitra nandry tam-pandrena nandaon'iary zareo Taminazy. Ndreka nahita ny finoan'iary zareo Jesôsy, de nizaka tamin'ny lilahy marary rekitra Izy hoe: "Anaka, mifalia anao. Fa efa voavela ny helokanao." 3 Igny, ny sanagny tamin'ny mpanora-dalàna nagnano am-po hoe: "Mizaka raha ratsy manjary lilay io." 4 Fa fantatry Jesôsy ny eritreritr'iary zareo ka nizaka hoe: "Nagnino anareo na mieritreritra raha tsy ao agnaty fonareo? 5 Fa ino ma tena mora ny mizaka hoe: 'Vôvela ny helokanao,' sa ny mizaka hoe: 'Mitsangàna de mandiana?' 6 Mbara ho fantatrareo fa ny Zanak'olona de managna fahefana hamela heloka eto ambonin'ny tany,..." nizaka Izy tamin'ny marary rekitra hoe: "Mitsangàna, de bokay ny fandrenanao, sady modia an-dragnonao." 7 Aveo de nitsangana lilahy igny de nandea an-dragnony. 8 Ndreka nahita anazy ny fokonolona, de gaga iary zareo ka de nidera an'Andriamanitra, zay nagnome fahefana ôtran'izany ho an'olona. 9 Ndreka negna teo Jesôsy, de nahita lilahy atao hoe Matio Izy, nipetraka tamin'ny tragno fagnalana hetra. De nizaka taminazy Izy hoe: "Magnaraha Anaha." Nitsangana izy ka nagnaraka Anazy. 10 Ndreka nipetraka nihinagna tan-dragno Jesôsy, de nisy, mpagnala hetra mbana olona mpanota maro tonga sady niaraka nihinagna tamin'i Jesôsy mban'ny mpianatrany. 11 Ndreka nahita an'izany ny fariseo, de nizaka tamin'ny mpianatrany iary zareo hoe: "Nagnino ny mpianatranao na miaraka mihinagna amin'ny mpagnala hetra mban'olona mpanota?" 12 Ndreka naregny an'izany Jesôsy, de nizaka Izy hoe: "Ny olona salama de tsy mila mpitsabo, fa ndregny marary my. 13 Tokony ianaranareo ny dikan'ny hoe: 'Famindram-po iriko fa tsy sorogna. Fa tonga Aho, tsy hagnatso ny marina hibebaka, fa ny mpanota." 14 Aveo de nagnatogna anazareo ny mpianatran'i Jaona ka nizaka hoe: "Nagnino ahay mban'ny fariseo na mifady hanina matetika, nefa ny mpianatranao de tsy mba mifady?" 15 Nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Mety malahelo ma ny havan'ny mpampakatra, na mbola miaraka amin'iary zareo ny mpampakatra va? Fa ho avy ny andro hangalana ny mpampakatra amin'iary zareo, de amin'izay iary zareo vô hifady hanina. 16 Tsy misy olona manampina akanjo tonta amina tapa-damba vaovao, fa ny nanampenana anazy ndrekahandrota ny lamba, ka hisy rota be. 17 Tsisy olona magnatao divaigna vaovao agnatina siny hoditra tonta. Na magnano an'izany iary zareo, de ho rota ny siny hoditra, ho very ny divaigna ka ho potika ny siny hoditra. Fa, ndreka ataon'iary zareo agnaty siny hoditra vaovao ny divaigna vaovao, de ho vôtahiry izy roy." 18 Na mbola nizaka an'ny raha zany Jesôsy, de igny, nisy manam-pahefana raika tonga ka nenkohoka Taminazy. Nizaka izy hoe: "Maty amintsika mizaka izao zao ny zanako viavy, ka mba mitongava ka apetrao aminazy ny tagnanao, de ho velona izy." 19 Aveo nitsangana Jesôsy ka nagnaraka anazy, de nagnano kara an'izany koa ny mpianatrany. 20 Igny, nisy viavy zay efa nandea fotôna nandritra ny roy ambin'ny folo taona, nandea tafaran'i Jesôsy ka nikasika ny morogn'akanjony. 21 Fa nieritreritre tagnaty fony izy hoe: "Ndre de ny lambany fotsiny vôkasikako de ho afaka aho." 22 Fa nitodika Jesôsy ka nahita anazy, de nizaka hoe: " mahereza zanako vavy; fa ny finoanao nahafaka anao." De afaka i viavy igny nanomboka taminy lera io. 23 Ndreka tonga tandragnon'ny manam-pahefana Jesôsy, de nahita ny mpisotra sodigna mban'ny fokonolona naresaka be Izy. 24 De nizaka hoe: "Mandihana, fa tsy maty zany zanakao vavy, fa mandry izy." Fa nimehezan'iary zareo tamin'ny famokafokana Izy. 25 Ndreka nivoaka tan-tany ny fokonolona, de niditra tagn'efitra Izy ka nangala an'azy tamin'ny tànana, de nitsangana i zazavavy igny. 26 Niparitaka nagneragna ny faritra maro be ny vaovao mikasika an'zany. 27 Ndreka negna teo Jesôsy, de nisy jamba roy lahy nagnaraka an'Azy. Tsy nijanogna nagnatso iary zareo sady nizaka hoe: "Mamindrà fo aminay, a zanak'i Davida!" 28 Ndreka tonga tan-dragno Jesôsy, de nagnatogna an'Azy ny jamba roy lahy. Nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Mino ma anareo fa mahay magnano an'zany Aho an?" De nizaka iary zareo Taminazy hoe: "Aika, Tompo." 29 Aveo nikasihin'i Jesôsy ny mason'iary zareo de nizaka hoe: "Ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo ane zany," 30 ka nahita ny mason'iary zareo. Aveo Jesôsy namepetra an'iary zareo de nizaka hoe: "Ôka mba tsy hizaka an'zao amin'olona anareo." 31 Fa nandeha izy roy lahy ka nagnaparitaka ny vaovao mikasika an'izany nagneragna an'izany faritra zany. 32 Ndreka nandea izy roy lahy, de igny, nisy lilahy môgna nisy devoly nandao teo amin'i Jesôsy. 33 Ndreka nivoaka i devoly igny, de nizaka i lilahy môgna igny. Gaga ny fokonolona ka nizaka hoe: "Tsy mbola fahita tamin'Israely mihitsy zao!" 34 Fa nizaka ny fariseo hoe: "Tamin'ny fahefahan'ny devoly, no namoahany an'ny devoly." 35 Nandeha nitety ny tanàn-dehibe mban'ny vohitra maro be Jesôsy. Nanohy nampianatra tagny amin'ny fiangonan'iary zareo Izy, nitory filazantsaran'ny fanjakana, sady nagnafaka ny karazan'aretina maro be mban'ny karazana raha marary maro. 36 Ndreka nahita an'ny fokonolona Izy, de nanagna fangoraham-po tamin'iary zareo, satria nagnay sy ketraka iary zareo. Kara ny ondry tsisy mpiambina iary zareo. 37 De nizaka izy tamin'ny mpianatrany hoe: "Be ny vokatra, fa ny mpiasa de vitsy. 38 Amizany de mivavaha malaky amin'ny Tompon'ny vokatra, mba andefasany mpiasa egny amin'ny vokatrany."