Toko faha 3

1 Tamin'ny andro zany de nandeha nitory tamin'ny tany tsisy raha tagny Jodia i Jaona mpagnano batisa ka nagnano hoe: 2 "Mibebaha anareo, fa efa ho tonga ny fanjakan'ny lanitra." 3 Fa izy efa nizakain'Isaia mpaminany, magnano hoe: "Misy feo raika magnantso mafy agny amin'ny tany tsisy raha magnano hoe: 'Amboary lalagnan'ny Tompo, ahitsio lalagnan'Azy."' 4 I Jaona de nagnatao lamba volon-drameva sy fehikibo hoditra tamin'ny andilagnany. Valala mbana tintely remby no fohaniny. 5 De Jerosalema, Jodia, mban'ny faritra marobe magnodidigna an'ny tegnaranon'i Jordana de nagnatogna an'azy. 6 De nataony batisa tamin'ny tegnarano Jordana iary zareo, ndreka nagneky ny fahotany. 7 Fa ndreka nahita an'ny Fariseo mban'ny Sadoseo nagnatogna an'azy mba hataony batisa izy, de nizaka tamin'iary zareo izy hoe: "Ry taranaka menaragna feno poizina, iza nagnatoro anareo hilefa ny fahavignirana ho avy? 8 Mamoaza voa mifagnaraka amin'ny fibebahana. 9 De aza misaigna na magnano am-po hoe: "Managna an'i Abrahama ho iabanay izahay." De zakaiko aminareo fa Andriamanitra de afaka magnome zaza ho an'i Abrahama avy amin'itôgny vato itôgny. 10 Sady efa napetraka am-potoran'ny kakazo ny famaky. Ka ny kakazo marobe zegny tsy magnome isiny tsara de hotapaina ka hatsipy agnaty afo. 11 Izaho de magnano batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana fotsiny. Fa ny tonga afarako de mahery amboniko, ka na de izaho aza de tsy tokony hitondra ny kapany. Izy hagnano Batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo. 12 Efa an-tagnany egny gny raha fagnavahana sady handiovana ny famoloany mba hagnotrohana ny variny ao amin'ny tragnambo. Fa Izy de hagnoro ny ofoka amin'ny afo zay tsy mety maty.'' 13 Aveo Jesôsy avy tagny Galilia de tonga tamin'ny tegnaranon'i Jordana mba ho ataon'i Jaona batisa. 14 Kanefa Jaona de niezaka nandrara an'Azy, ka nagnano hoe: "Izaho tokony ataonao batisa, ka Anao ndreka va arô magnatogna anahy va?" 15 Jesôsy namaly de nizaka taminazy hoe: " Ekeo zany amin'izao, fa izao mety amintsena mba hatanteraka ny fahamarinana marobe.' Aveo Jaona nagneky an'Azy 16 Ndreka vita batisa Izy, tonga de nitsangana tagnaty rano Jesôsy, de igny fa nivoha tamin'Azy ny lanitra. Ka hitany ny Fanahin'Andriamanitra nijotso kara voromalala de nipetaka tamin'ny evaignany. 17 Sady nisy feo tan-danitra nizaka hoe: "Itiky Zanako malalako tena teko."