Toko faha 18

1 Tamin'zany fotôna zany my de tonga tamin'ny Jesôsy iregny mpianatrany ka nizaka hoe: "Iza ma no tena leibe agny amin'ny fanjakan'ny lanitra?" 2 Jesôsy nagnatso zaza bitaka ho eo amin'Azy, nametraka an'azy tamin'iary zareo, 3 ka nizaka hoe: "Zakaiko marina aminareo, fa naha tsy miova kara iregny zaza bitaka anareo, de tsy hiditra agny amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy anareo. 4 Nony zany, na iza na iza manetry tegna karan'ity zaza ity de no tena leibe agny amin'ny fanjakan'ny lanitra. 5 Na iza na iza mandray ny zaza bitaka ôtrany zao amin'ny agnarako de mandray Anaha. 6 Fa na iza na iza mahatonga ny raika amin'ny za-madinika tôgny zay mino Anaha hanota, de tsara amin'azy ny hiantognan'ny fikoseham-bary leibe eo amin'ny vozognany, ka halentika agny amin'ny ranomasina laligna izy. 7 Loza ho an'zao tontolo zao nony andron'ny fahatafitohinana! Fa ilaina ny hiavian'zany andro zany, anefa loza ho an'ny olona zay nahatongavan'zany andro zany! 8 Naha miteraka fatafintohinana ho anao ny tagnànao na ny tongotranao, de tapay zany ka alay eo aminao. Tsara tegnany aminao ny miditra manan-takaitra agny amin'ny fiaignana mandrakizay toy zay ho very agny amin'ny afo ny tsy mety maty amin'ny fanagnana tagnàna roy na tongotra roy. 9 Naha miteraka fatafitohinana ho anao ny masonao raika, hongoty zany hiala eo aminao. Tsara ho anao ny miditra agny amin'ny fiaignana mandrakizay miaraka amin'ny maso tokana nony hoe very agny amin'ny afo tsy mety maty miaraka amin'ny maso roy. 10 Tandremo tsy hagnano tsinotsino amin'iregny zaza bitaka iregny anareo. Fa mizaka aminareo Zaho fa agny an-dagnitra iregny anjeliny de mizaha fehizay ny endrikan'ny Iabako zay agny an-dagnitra. 11 [Fagnamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra de tsy ahitana ny fehezanteny zay miseho kara ny v. 11. hoe: "Fa ny Zanak'olona de tonga mba hamonjy zay very."] 12 Ino ny eritreritrareo? Naha misy managna ondry zato, ka mandea amin'ny làlana tsy izy ny raika amin'iary zareo, de tsy hilôzany ekany ny sivy amby sivifolo eo amin'ny roranga va izy de mandea miaragna ny raika very? 13 Naha hitany zany, de zakaiko marina aminareo, fa mifaly amin'zany mihoatra nony iregny sivy amby sivifolo zay tsy nandea amin'ny làlana diso izy. 14 Karany zany my koa, tsy ten'ny Iabanareo agny an-dagnitra ny havery ny raika amin'iregny madinika iregny. 15 Naha manota aminao ny rahalahinao, mandiana de zakay amin'azy ny hadisoany, aminao sy amin'azy izy raika my.Naha miteno anao izy, de hifankahazo amin'ny rahalahinao ndreka anao. 16 Kanefa naha tsy miten anao izy, de magnalà raika na roy hafa miaraka aminao, amin'zay mba amin'ny vavan'iregny vavolombelona roy na telo no ahafahana magnamarina ny teny marobe. 17 Ka naha mandà ny hiteno an'iary zareo izy, de zakay amin'ny fiangonana ny raha niseho. Naha tsy magneky hiteno izy ny fiangonana my koa izy, de avelay izy ho kara ny Jentilisa sy ny mpagnala hetra. 18 Zakaiko marina aminareo, na ino na ino fatoranareo ety amboniny tany de fatorana agny an- dagnitra ary na ino na ino avelanareo ety an-tany de voavela agny an-dagnitra. 19 De zakaiko aminareo ndreka hoe: "Naha misy roy aminareo magneky eto an-tany ny amin'ny raha marobe angatahin'iary zareo, de ho atao ho an'iary zareo zany amin'ny alalan'ny Iabako zay agny an-dagnitra. 20 Fa na aiza misy roy na telo miara-mivory amin'ny Agnarako, de eo antegnategnan'iary zareo Zaho." 21 Aveo nagnatogna Petera sady nizaka hoe: " Tompo, impiry hanota amina ma ny rahalahiko ka hamela an'azy zaho? Hatramin'ny im-pito va?" 22 Jesôsy namaly an'azy hoe: "Tsy mizaka aminao zaho hoe im-pito, fa im-pito hatramin'ny fitopolo im-pito. 23 Nony zany ny fanjakan'ny lanitra de mitovy amin'ny mpanjaka raika zay te hifagnaraka ara-bola miaraka amin'ny mpiasany. 24 Naha vô manomboka ny fandaminana izy, de nisy mpiasa raika nandao tamin'azy zay nanananyvola rai-alina. 25 Anefa tsy nanagna fomba hagnefana an'zany izy, de nanery ny hamarotana an'azy ny mpampiasany, miaraka amin'ny vady aman-janagny hatramin'zay fanagnany marobe, de ho vita ny fagnefana ny trosa. 26 Nony zany de nanjetoka i mpiasa igny, sady nandoalika teo alohany, sady nizaka hoe: 'Tompo, manàgna faharetana aminaha, de hifaiko aminao ny trosa marobe.' 27 Nony zany ny mpampiasan'zany mpiasa zany, de nalahelo, ka nagnafaka an'azy sady nagnambela ny trosa tamin'azy. 28 Fa nivôka koa io mpiasa io ka nahita ny raika tamin'iregny mpiara-miasa amin'azy, zay nanagnany dinaria zato. Nisamboriny izy, ka nirotiny tamin'ny tendany, sady nizakany hoe: 'Ifay aminaha zeny nitrosainao.' 29 Anefa nanjetoka io mpiara-miasa amin'azy iosady nitalaho tamin'azy, nagnano hoe: 'Manàgna faharetana aminaha, de hifaiko aminao zany.' 30 Kanefa nandà i mpiasa vôlohany igny. Mifanohitra amin'zany, nandea izy ka nigadrainy i mpiara-miasa amin'azy igny mandra-pagnefany amin'azy zay nitrosainy. 31 Ndreka nahita an'zany iregny mpiara-miasa amin'azy, de tena nalahelo iary zareo. Nandea sady nitantara tamin'ny mpampiasany zeny raha marobe niseho iary zareo. 32 Aveo nagnatso an'azy ny mpampiasan'io mpiasa io, de nizaka an'azy hoe: 'Anao de mpiasa ratsy fagnahy, navelako ny trosa marobe taminao satria anao nitalaho taminaha. 33 Tsy tokony hanagna famindram-po amin'ny mpiara-miasa aminao koa ma anao, kara ny nanagnako famindrm-po taminao?' 34 Vignitra ny mpampiasany ka nitondra an'azy tagny amin'iregny mpampijaly madra-pagnefany ny raha marobe nitrosainy. 35 Kara an'zany my koa no hataon'ny Iabako agny an-dagnitra aminareo, naha tsy mamela ny rahalahiny amin'ny fony ny tsiraidraika aminareo."