Toko faha 14

1 Tamin'ny fotôn'izany, Herôda mpanjaka naregny vaovao mikasika an'i Jesôsy. 2 Nizaka izy tamin'iregny mpiasany hoe: "I Jaona mpangano batisa zany; de nitsangana tamin'ny maty Izy. Nony zany de miasa amin'Azy io hery io." 3 Ka Herôda nanambotra an'i Jaona, nifatorany izy, sady nandefa an'Azy tagny am-ponja nony amin'i Herôdiasy, vadiny Filipo rahalahiny. 4 Ka nizaka Jaona tamin'Azy hoe: "Tsy mety aminao ny mangala an'azy ho vadinao." 5 Te-hamono an'azy Herôda, fa natahotra ny fokonolona izy, satria nataon'iary zareo mitovy amin'ny mpaminany izy. 6 Ndreka tonga ny fieregnany andro naterahan'i Herôda, de nandihy ta tegnategnan'iary zareo vahiny natsovana ny zanaka viavin'i Herôdiasy ka natsatsara an'i Herôda. 7 Ho valin'izany, de nampagnategna tamin'ny fifantana izy mba hangome izay angatahiny na ino na ino. 8 Ndreka avy nagnatoro hevitran'azy endriny, de nizaka izy hoe: "Omeo anaha aty, ambon'ny kopy, ny lohan'i Jaona mpagnano batisa." 9 Nalahelo be nony fangatahany ny mpanjaka, nefa nony voadiny sy ny olona marobe niaraka nihinagna tamin'Azy, de nagnome beko izy fa tsy mentsy ho vitaina zany. 10 De nagniraka olona nanapaka ny lohan'i Jaona tam-ponja izy. 11 Aveo de nandosina tamina kopy ny lohany de nameny an'i zazavivy igny ka nandosin'ny tamin'ny endriny zany. 12 Avy teo de tonga ny mpianatrany, nangala ny faty, ka nandeha ary zareo de nampandregny an'i Jesosy. 13 Ndreka naregny an'zany Jesosy, de nenga tamina lakana raika Izy ho agny amina toerana raika mitokana. Ndreka naregny an'zany ny fokonolona, de nagnaraka an'Azy nande tongotra avy tagny amin'iregny tanàn-dehibe. 14 Aveo Jesôsy nandea teo aloan'iary zareo ka nahita fokonolona marobe. Nalahelo an'iary zareo Izy sady nagnafaka ny aretin'iary zareo. 15 Ndreka tonga ny arivariva, de nandea tamin'Azy ny mpianatra ka nizaka hoe: "Ity de toerana sisy raha, sady efa alina ny andro. Alefaso ny fokonolona, mba hafahan'iary zareo mandea agny amin'ireo tanàna de hivanga raha hoanina ho an'azy iary zareo." 16 Ka Jesôsy nizaka an'iary zareo hoe: "Tsy tokony hampandianina iary zareo. Fa omenareo raha hoanina iary zareo." 17 Nizaka iary zareo tamin'Azy hoe: "Mofo dimy de laoka roy fotsiny no hanagnanay ato." 18 Nizaka Jesôsy hoe: "andosy aty aminaha zany." 19 Aveo Jesôsy nibeko ny fokonolona mba hitometra amin'ny ahitra. De nalainy ny mofo dimy sy laoka roy. Ka niandrandra tagny an-danitra, sady nisaotra Izy de nanapaka ny mofo ka nomeny ny mpianatra, de ny mpianatra nagnome an'zany an'iregny fokonolona. 20 Nihinagna aby izy marobe ka voky. Avy teo de naotrik'iary zareo ny sisa tsy lany ka nahafeno roambinifolo tanty. 21 Teo amin'ny dimy arivo lahy teo ny nihinagna, ankôtra ny zaza sy ny viavy. 22 Tonga de nalefany tamin'ny lakana mba handeha hialoha an'Azy ho agnilany ny mpianatra, na mbola nandefa an'ireo fokonolona Izy. 23 Tafaran' ny nandefasany an'ireo fokonolona de nandea niakatra tegny an-tendrombohitra Izy raika mba hivavaka. Ndreka tolaka ny andro, de Izy raika no teo. 24 Fa ny lakana de efa dila lavitra ny tanàna, nafefekan'ny onja , satria nitsoka nanohitra an'iary zareo ny agnina. 25 Fahefatra ny fiambenana tamin'ny alina de nagnatona an'iary zareo jesôsy,de nandeha tambony ranomasina. 26 Ndreka nahita an'Azy nandeha tambony ranomasina ny mpianatra, de natahotra ka nizaka hoe: "Angatra io," ka de nihoaikoaika tamin'avakana iary zareo. 27 Fa Jesôsy tonga de nizaka tamin'iary zareo hoe: " Mahereza! Izaho my itiky! Aza matahotra." 28 Namaly an'Azy Petera de nagnano hoe: "Tompo nah anao io, de ampagnatogny Anao ambony rano io zaho." 29 Nizaka Jesôsy hoe: "Magnatogna arika" Ka de nijotso tandakana Petera sady nandeha tambony rano mba hagnatogna an'i Jesôsy. 30 Ka ndreka naharengy ny agnina Petera, de natahotra. Ndreka izy nanomboka niletigna igny, de nihoaika mafy izy sady nizaka hoe: "Tompo, vonjeo zaho!" 31 Tonga de naparin'i Jesôsy ny tànany, nitana an'i Petera, ka nizaka tamin'azy hoe: "Anao ry tsy ampy finoana, magnino anao no niahiahy?" 32 Aveo Jesôsy sy Petera de nandeha tegny amin'ny lakana, nijanona ny agnina. 33 Ka ny mpianatra tagnaty lakana de nidera an'i Jesôsy sady nizaka hoe: "Anao tegnany no zanak'Andriamanitra." 34 Ndreka avy nitsaka iary zareo, de tonga tegny an-tànana tao Genesareta. 35 Ndreka nafantatra an'i Jesôsy ny lilahy tamin'ny toerana io, de nagnandefa hafatra tamin'ny faritra magnodidina marobe, de nandosin'iary zareo tamin'Azy zegny olona narary marobe. 36 Niangavy tamin'Azy iary zareo mba ho afaka mikitika na de ny moron'akanjony my aza, ka maro ny nikitika an'izany de sitrana.