Toko faha 13

1 Tamin'ny zany fotôna zany Jesôsy de nandeha nivôka ny tragno ka nipetraka tamoron-dranomasina. 2 Nisy fokonolona maro be nivorovoro nagnodidigna Anazy, ka niditra tan-dakana Izy de nipetraka tao, fa nitsangana tamoron-dranomasina koza ny fokonolona maro be. 3 Aveo Jesôsy de nizaka raha maro be tamin'iary zareo tamin'ny alalan'ny fagnoharana. Nizaka Izy hoe: "Nisy mpamboly raika nandeha nivôka hamafy voa. 4 Ndreka izy namafy igny, de nisy voa sasagny latsaka tamoron-dalana, de tonga ny vorogna ka nihinagna an'azy. 5 Ny vôniny hafa ndreka de latsaka tami'ny tany be vato, zay tsy nahazo ny nofon-tany tsara. Tonga de naniry, satria tsy laligna ny tany. 6 Ka ndreka niposaka ny môsoandro, de maigna satria tsisy vahany, ka de nalazo. 7 Niraraka tamin'ny fantsy ny voa sanagny. Ka naniry ny fantsy de nanery an'iary zareo. 8 Ny voa sanagny nilatsaka tamin'ny tany tsara de namoa voa tsara, ny sanagny avo zato heny, ny sanagny enim-polo, de ny sanagny telo-polo heny. 9 Zegny manan-tadigny, aoka izy hiteno." 10 Tonga ny mpianatra de nizaka an'i Jesôsy hoe: nagnino Anao na mikorana amin'ny fokonolona amin'ny fagnoharana?" 11 Namaly Jesôsy de nizaka an'iary zareo hoe: "Anareo namena tombony hafatantra ny raha mivony amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa iary zareo de tsy namena an'izany. 12 Satria na iza na iza managna, de ho maro be aza no hamena. Fa na iza na iza tsy managna, na zay anagnany aza halaina aminazy. 13 Zany antony hikoragnako amin'iary zareo amin'ny alalan'ny fagnoharana: Na de mizaha aza iary zareo, de tsy maita; ndre de miteno, de tsy maregny, na mahazo. 14 Tanteraka amin'iary zareo ny faminanian'Isaia, mizaka hoe: 'Ndreka miteno de haregny anareo, nefa de tsy hahazo mihintsy; ndreka mizaha de hahita anareo, nefa tsy hahatakatra. 15 Fa lasa foko ny fon'ny fokonolona ity, sady matevy tadigny iary zareo, de napiny ny mason'iary zareo, mba tsy hahita, na haregny amin'ny tadigny, na hahazo amin'ny fony iary zareo, ka hibebaka dreka iary zareo, sady hagnasitragna an'iary zareo Aho.' 16 Fa sambatra ny masonareo, satria mahita; de ny tadigninareo, satria maregny. 17 Zakaiko marina aminareo fa mpaminany mban'olona marina maro te-hahita ny raha hitanareo, kanefa de tsy nahita an'izany. Nagniry ny haregny an'ny raha regninareo iary zareo, kanefa de tsy naregny an'izany. 18 Ka de mitenoa ny fagnoharana ny amin'ny mpamboly raika namafy ny voa. 19 Ndreka misy maregny ny raha zakain'ny fanjakana kanefa tsy mahazo an'izany, de avy ny ratsy ka magnavotra ny ndregny nafafy tagnaty fony. Io ny voa nafafy tamoron-dalana. 20 Ny nafafy tamin'ny tany be vato de ny olona ndre maregny ny raha zakaina ka tonga de mandray an'azy am-pifalena, 21 nefa mbola tsy mahazo vahatra tsara agnatiny izy ka de maharitra bitabitaka fotsiny. Ndreka tonga ny fijalena na fagnenjehana amin'ny raha zakaina, de malaky vignitra izy. 22 Ny nafafy tamin'ny fantsy, io ny olona zegny maregny ny raha zakaina, kanefa ny fiahiahian'izao tontolo izao mban'ny fitaky ny harena mamatotra ny raha zakaina, ka de lasa tsy namoa izy. 23 Ny nafafy tamin'ny tany tsara koza, io ny olona maregny korana ka mahazo an'izany. Ka misy isiny izy sady mahatonga ny isiny tokana, hamoa hitombo zato mihôtra ny zay nambolena, ny sasagny enim-polo, ny sanagny telo-polo." 24 Nagnano fagnoharana raika hafa tamin'iary zareo jesôsy. Nizaka Izy hoe: "Ny fanjakan'ny lanitra de kara ny lilay raika namafy voa tsara tamin'ny tanimbariny. 25 Ka ndreka nandry ny olona, de tonga ny fahavalony de namafy voan-tsimparifary koa tamin'ny vary de nenga. 26 Ndreka naniry ny vary aveo de namoaka ny voany, de naniry my koa ny voan-tsimparifary 27 Tonga ny mpiasan'ny tompon'ny tany de nizaka taminazy hoe: 'Tompoko, voa tsara ma nafafinao tamin'ny tanimbary va? Ka nagnino izy amin'izao misy voan-tsiparifary?' 28 De nizaka tamin'iary zareo izyhoe: Nisy fahavalo nagnano an'izany.' De nizaka ny mpiasa taminazy hoe: 'Ka tenao ma ny handiananay agny hagnavotra an'azy an?' 29 Nizaka ny tompon'ny tany hoe: ' Aha!. Satria raha magnavotra ny tsimparifary anareo, de mety ho avotra miaraka aminazy koa ny vahatran'ny vary. 30 Avilay my hiaraka haniry izy roy mandrampam-bilezana. Amin'ny fotôna ambilezana de hizaka amin'ny mpambely aho hoe: "Alay eky ny ahi-dratsy de fatory aby mba hagnorôna an'azy, ka ahotrohy an-dragnamboko koza ny vary.""' 31 Aveo Jesôsy namôka fagnoharana raika hafa tamin'iary zareo. Nizaka Izy hoe: "Ny fanjakan'ny lanitra de kara ny voatsinampy zay nalain'ny lilahy raika ka nafafiny tamin'ny tanimboliny. 32 Io voa io tegnany de tena voa bitaka amin'ny voa hafa marobe. Fa ndreka maniry izany, de lehibe ambonin'ny raha maniry amin'ny tanim-boly. Manjary kakazo zany, mba hipetahan'ny vorognan'ny habakabaka ka hagnano ny tragnon'iary zareo amin'ny ratsagny." 33 Aveo Jesôsy de nizaka fagnoharana raika hafa koa. " Ny fanjakan'ny lanitra de kara ny lalivay nalain'ny viavy raika ka nafangarony tamina lafarinina intelon'ny fagnaranana mandram-pitombo ny koba aby." 34 Fagnoharana ny nizakan'i Jesôsy ny raha-maro be tamin'ny fokonolona; de tsy nizaka na ino na ino tamin'iary zareo afa-tsy tamin'ny fagnoharana Izy. 35 Izany de mba hahatanteraka gny raha nizakaina tamin'ny alalan'ny mpaminany, ndreka nizaka Izy hoe: "Izaho hizaka amin'ny alalan'ny fagnoharana. Hizaka ny raha navony hatramizay namoronana an'izao tontolo izao Aho." 36 Aveo Jesôsy de niala an'ny fokonolona de niditra tan-dragno. Nagnantogna Anazy ny mpianatrany ka nizaka hoe: "Azavay aminay ny fagnoharana mikasika ny tsimparifarin'ny tanim-boly." 37 Namaly Jesôsy ka nizaka hoe: "Ny mamafy voa tsara de ny Zanak'Olona. 38 Ny tanim-boly de izao tontolo izao; ka ny voa tsara, de ny zanaky ny fanjakana. Ny tsimparifary de ny zanaky ny ratsy, 39 ka ny fahavalo namafy an'azy de ny devoly. Ny fambilezana de ny fahataperan'izao tontolo izao, ka ny mpambely de ny anjely. 40 Ka amin'izany, kara ny agnotrohana sy agnorôna ny tsimparifary amin'ny afo, atao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao. 41 Hagniraka ny anjeliny ny Zanak'Olona, sady hagnotroka an'iary zareo hiala amin'ny fanjakany ny raha maro be zay mahatonga fahotana, mban'ny zegny magnano ratsy. 42 Hatsipin'iary zareo agnatin'ny lafôro lehibe mirehitra afo iary zareo, zay hisy ny fitomagniana mban'ny fiadia-nify. 43 Aveo de hazava kara ny môsoandro amin'ny fanjakan'Iaban'iary zareo ny olo-marina. Zegny manan-tadigny, aoka izy mba hiteno. 44 Ny fanjakan'ny lanitra de ôtran'ny harena mivony amin'ny tanim-boly raika. Nisy lilahy nahita an'izany ka navoniny. Nandeha tamin'ny hafaleny izy, nivarotra an'ny zegny nanagnany aby, ka nividy an'io tanim-boly io. 45 Sady, ny fanjakan'ny lanitra de kara ny lilahy mpivarotra miaragna vatosoa lafo vidy. 46 Ndreka nahita vatosoa raika tena lafo vidy izy, de nandeha sady nivarotra an'ny zegny nanagnany aby ka nividy an'izany. 47 Na koa, ny fanjakan'ny lanitra de ôtran'ny harato natsipy tan-dranomasina, ka nagnotroka ny karazagna raha managnaigna maro be. 48 Ndreka feno izany, de nisarihin'ny mpagnarato ho amoron-dranomasina. Aveo izy nipetraka ka nagnotroka ny raha tsara ho amin'ny pilasiny, fa ndregny tsy ilaina koza de nareny. 49 Ho karan'izany ny amin'ny fataperan'izao tontolo zao. Ho avy ny anjely ka hagnavaka ny ratsy fagnahy amin'ny marina. 50 Hatsipin'iary zareo amin'ny fagnorôna lehibe mirehitra afo iary zareo, zay hisy ny fitomagnena mbana fiadia-nify. 51 Azonareo ma i raha maro be zany?" Nizaka ny mpianatrany hoe: "Aika." 52 Aveo Jesôsy de nizaka tamin'iary zareo hoe: "Ka amin'izany ny mpanora-dalàna maro be ndregny nanjary mpianatra tamin'ny fanjakan'ny lanitra de kara ny lilahy tompon-tragno raika, mamoaka raha tranainy mbana raha vaovao avy amin'ny harena." 53 Aveo ndreka nahavita fagnoaharana Jesôsy, de negna tamin'izany tanàna zany Izy. 54 Aveo Jesôsy nandeha tamin'ny tanàna misy Anazy ka nampianatra ny fokonolona tamin'ny synagogan'iary zareo. Vokan'izany de gaga iary zareo ka nizaka hoe: "Avy taza nazahôn'io lilahy io fahalalany mban'ny ny fahagagana ? 55 Tsy io ma lilahy zanaka mpandrafitra igny? Tsy i Maria ma i endriny?Tsy Jakôba, i Jôsefa, i Simôna, de i Jodasy ma rahalahiny? 56 Tsy miaraka amintsena ma ny anakaviny maro be? Avy taza ma nazahôny an'ny raha maro be zany ?" 57 Vignitra nony Aminazy iary zareo. Fa nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Tsisy mpaminany tsisy hasiny na tsy amin'ny taniny sy amin'ny fianakavenany my." 58 Tsy nagnano fahagagana be tao Izy nony tsy finoan'iary zareo.