Toko faha 12

1 Tamin'ny fotôna io Jesôsy de nandea namakivaky tanimbary tamin'ny andro Sabata. Mosarena ny mpianatrany ka nambely salohim-bary kade nihinagna iary zareo. 2 Ndreka hitan'ny fariseo zany de nizaka iary zareo tamin'ny Jesôsy hoe: jerevo mpianatranao fa mangano raha tsy ara-dalàna amin'ny sabata." 3 Ka Jesôsy nizaka an'iary zareo hoe: "Mbola tsy namaky ny raha namboarin'i Davida ma anareo, ndreka mosarena izy, mban'ny lilahy marobe niaraka tamin'azy? 4 Niditra tandragnon' Andriamanitra izy de nihinagna ny mofon'ny fagnatrehana, zay tsy mety tamin'ny amban'ny niaraka taminazy ny nihinagna an'zany, nefa mety ho an'ny lebe n'ny mpisorona raika my. 5 Tsy mbola no vakinareo ma ny ao amin'ny lalàna, ny mpisorona ao an-tepoly de manota amin'ny sabata nefa ny sabata tsy manan-tsigny? 6 ka zakaiko aminareo fa eto ny raika lebe nony tempoly. 7 Na fantatrareo ny hevitran'ny hoe: 'Famindram-po no iriko fa tsy sorogna,' de tsy nagnameloka ny tsy manan'tsigny anareo. 8 Ny Zanak'Olona no Tompon'ny sabata." 9 Aveo nenga Jesôsy de niditra tampiangonana iary zareo. 10 De nisy lilahy malemy tagnana teo. De nagnotany an'i Jesôsy ny Fariseo, nizaka hoe: "Mety ma ny magnasitragna amin'ny sabata?" mba hagnampangan'iary zareo an'azy ami'ny fahotana. 11 Nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Mba iza aminareo, na ondry raika no anagnany, de na latsaka agnaty lavaka laligna ny ondry amin'ny sabata, iza, no tsy hanambotra an'azy ka tsy hampikatra an'azy? 12 Tsy manan-danja ambony lavitra ,ma, ny olona nony ny ondry! Ka nony zany de ara-dalàna ny magnano soa amin'ny andro sabata. 13 aveo de nizaka Jesôsy tamin-dralilahy hoe: " Amparo ny tanganao." de nampariny zany, de niherigna ny fahasalamany, kara ny tagnany ilany. 14 De nivôka ny Fariseo nikendry ny hamono Anazy. Niharagna hevitra ny amin'ny fomba mety hamonôna Anazy iary zareo. 15 Ndreka nahafantatra an'izany Jesôsy, de nenga teo Izy. Ka maro ny olona nagnaraka Anazy, de nisitragniny izy maro be. 16 De nampitandrina anazareo Izy mba tsy hagnatoro Anazy amin'ny hafa, 17 mba hatanteraka, gny raha nizakaina tamin'ny alalan'Isaiah mpaminany, hoe: 18 "Jerevo, ny mpanompoko nifidiko; izay teko, sady ten'ny Fanahiko be. Hapetrako agnatiny ny Fanahiko, de hampafatatra ny fitsaràna ny jentilisa izy. 19 Tsy hifanditra na hagnatso mafy izy; sady tsisy olona haregny an'ny feony an-dàlana egny. 20 Tsy hanapaka ny volotara torotoro izy; tsy hamono ny lahin-jiro manetroka, mandra-pagnamboarany ny rariny ho fandresena, 21 de amin'ny agnarany hanagnan'ny Jentilisa fagnatenana." 22 Aveo de nisy olona jamba sady môgna, nisy devoly , nandosina tamin'i Jesôsy. Nisitragniny izy, de nizaka sady nahita i jamba igny. 23 Gaga ny fokonolona marobe de nizaka hoe: "Mety lilahy io ma no Zanak'i Davida va?" 24 Ndreka naregny ny fahagagana zany ny Fariseo, de nizaka iary zareo hoe: "I Lilahy io de tsy mandrôka devoly na tsy amin'ny alalan'i Belzeboba, lehiben'ny devoly." 25 Kanefa de fantatr'i Jesôsy ny eritreritran'iary zareo ka nizaka an'iary zareo Izy hoe: "Ny fanjakana miady an-dragno de tsy haharitra, de ny tanàna na tragno miady an-dragno de ho rava. 26 Na satana mandrôka an'i satana, de miady an-dragno izy. De ahôna arika hitsanganan'ny fanjakany? 27 Ka na mandrôka ny devoly amin'ny alalan'i belzeboba Aho, de amin'ny alalan'iza arika androahan'ny zanakareo an'iary zareo? Nony atony zany de ho mpitsaranao iary zareo. 28 Kanefa na mandrôka devoly amin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitra Aho, de tonga aminareo ny Fanjakan'Andriamanitra. 29 Amin'ny fomba kara ino ahafahan'olona miditra andragnony lilahy matanjaka ka mangala ny fanagnany na tsy fatorana eky ny lilahy matanjaka? Aveo vô hangala ny fanagnany andragnony izy. 30 Ndregny tsy miaraka Aminaha de manohitra anaha, de zegny tsy mitambatra Aminaha de akamany. 31 Ka amin'izany de zakaiko aminareo fa, ho vôvela heloka ny olona amin'ny fahotana mban'ny fizakan-dratsy maro be, fa ny fizakana ratsy an'ny Fanahy masina de tsy hazahôna famelan-keloka. 32 Na zovy na zovy mizaka manohitra ny Zanak'Olona, de ho vôvela izy. Fa na zovy na zovy mizaka manohitra ny Fanahy Masina, de tsy ho vôvela izy, na amin'ny fiaignana izao na amin'ny ho avy 33 Amboary tsara ny kakazo de hamoa tsara zany, na amboary ratsy ny kakazo de hamoa ratsy zany, fa fantatra amin'ny vôny ny kakazo. 34 Anareo taranakan'ny menaragna, satria ratsy fagnahy anareo, de akory ahafanareo izaka raha tsara? Fa avy amin'ny hamarozany raha agnaty fo izakany vavany. 35 Ny olona tsara managna harena tsara agnaty fony de mamokatra ny tsara, fa ny olona ratsy de managna harena ratsy agnaty fony ka mamokatra ny ratsy. 36 Zakaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana de ho adignina amin'ny raha nizakaina tsy vôhevitra aby ny olona. 37 Fa gny raha nizakainao my hagnamarinana anao, de ny raha nizakainao no hagnamelohana anareo." 38 Aveo de nisy panora-dalàna mban'ny fariseo sasasasagny namaly an'i Jesôsy de nizaka hoe: Ry Mpampianatra, magniry ny ahita famatarana avy aminao izahay." 39 De namaly Jesôsy ka nizaka an'iary zareo hoe: "Misy taranaka ratsy fagnahy sady mpijangajanga miharagna famatarana. Kanefa de tsisy famatarana afaka hamena anazy afa-tsy ny an'i Jaona mpaminany. 40 Fa kara an'i Jonah zay telo andro sy telo alina tan-kibon'ny laoka agnona be, de karan'izany koa ny hipetrahan'ny Zanak'Olona telo andro sy telo alina agnatin'ny tany. 41 Ny olona an'i Ninive de hitsangana amin'ny fitsarana miaraka amin'ny taranaka ity sady hagnameloka an'izany. Fa nibebaka iary zareo tamin'ny toriten'ni Jonah, kanefa, misy olona lebe ambonin'i Jonah eto. 42 Ny mpanjakaviavy avy atsimo de hiaraka hitsangana amin'ny lilahin'ity taranaka ity amin'ny andron'ny fitsarana de hagnameloka an'izany.Tonga tamin'ny farany tany izy mba haregny an'ny fahendren'i Solomona, kanefa , de misy olona lebe ambonin'i Solomona eto. 43 Ndreka nisy fagnahy ratsy nenga tamin'ny lilahy raika, de mandalo tany karakaigna izy ka miaragna fijanognana, nefa tsy mahita an'izany. 44 De mizaka hoe: "Hierigna amin'ny tragno neveko aho.' Ka ndreka tonga, de nahita fa vôfafa ny tragno sady nilamina. 45 De nandeha izy ka nitondra fagnahy ratsy fito ambonin'ny taloha niaraka taminazy, de nipetraka tao izy maro be. Aveo de ne ratsy nony tamin'ny vôlohany ny nefarany lilahy zany. De karan'izany koa ny amin'ity taranaka ratsy fagnahy ity." 46 Ndreka mbola nikorana tamin'ny fokonolona Jesôsy, de igny, endriny mban'ny ralahiny nitsangana tambelagny, seky hikorana Taminazy. 47 Nisy olona raika nizaka Taminazy hoe: "Jerevo, i endrinao mban'ny ralahinao mitsangana ambelagny ao, te hikoragna Aminao." 48 Fa namaly Jesôsy sady nizaka taminazy hoe, "Iza ma edriko mban'ny rahalaiko? 49 Aveo de natsotrany tamin'ny mpianatrany ny tagnany ka nizaka hoe: "Jerevo, irôgny endriko mban'ny ralahiko! 50 Fa zegny magnano ny sitrampon'Iabako zay agny an-danitra, de zany olona zany ralahiko mban'ny anakaviko, de endriko."