Toko faha 11

1 Fa ndreka avy nampianatra ny mpianatrany roy ambin'ny folo Jesôsy, de nenga teo Izy hampianatra sady hitory agny amin'ny tanànan'iary zareo. 2 Fa ndreka regnin'i Jaona tam-mpigadrana ny mikasika ny asan'i Kristy , de nampitondra hafatra an'ny mpianatrany izy 3 ka nizaka hoe :"Anao ma ilay tokana ho avy io, sa tokony hiaragna hafa anay?" 4 De namaly Jesôsy sady nizaka an'iary zareo hoe :"Mandana de zakay amin'i Jaona zegny hitanareo sy regninareo." 5 Mahita ny jamba, mandeha ny olona malemy, diovina ny boka, maregny aby ny maregnina, atsangana ho velona ny maty, sady itoriana ny vaovao mahafaly ny mahantra. 6 De sambatra zegny tsy misendôtra noho ny aminaha. 7 Ndreka nandeha tamin'ny lalagnany amin'izay ny lilahy io, de zay vao nanomboka nikorana mikasika an'i Jaona tamin'ny olona Jesosy hoe :" Hijery ino ma nivoahanareo tagny amin'ny tany maigna tsisy olona-volotara sofin-drivotra an? 8 Sa hijery ino koa nivoahanareo-lilahy magnano sikina lafobe? Igny an, zegny magnano sikina lafobe de mipetraka andragnon'ny mpanjaka." 9 Sa hijery ino koa nivoahanareo-mpaminany? Eny, mizaka aminareo Aho, sady mihoatra lavitra ambonin'ny mpaminany. 10 Izy ilay voasoratra hoe :"Jerevo,magniraka ny irakako handeha alohanareo Aho, zay hagnomagna ny lalagnanareo alohanareo." 11 Zakaiko aminareo tsara, fa amin'ny zegny nateraka viavy de tsisy lehibe ambonin'i Jaona mpagnano batisa. Nefa ny olona farany ambany amin'ny fanjakan'ny lanitra de lehibe amboniny. 12 Nanomboka tamin'ny andron'i Jaona mpagnano batisa ka hatramin'izao, de miaritra amin'ny herisetra ny fanjakan'ny lanitra, kanefa ny olona mahery setra de mangalaka an'azy an-tery vaimanta . 13 Fa ny mpaminany maro be mban'ny lalàna de efa naminany hatramin'i Jaona; 14 sady na mety aminareo agneky an'izany de izy no Elia zay ho tonga. 15 Zegny managna tadigny hitenoana, de tokony mba hiteno tsara izy. 16 Tokony hoariko amin'ino arika ity taranaka ity? Izany de karan'ny zaza milalao abazary, mipetraka sady mifagnantsognantso 17 de mizaka hoe :" Efa nisofinay taminareo ny sodina, fa tsy nandihy anareo. De nagnano hira fisaonana koa izahay, fa tsy nitomagny anareo." 18 Fa Jaona de tsy tonga hihinagna mofo na hisotro divay, ka ataonareo hoe :"Misy devoly izy." 19 Ny Zanak'olona de tonga hihinagna sady hisotro de izaka ndreka anareo hoe :" Jerevo ma, lilahy tendan-kanina sady mpisotro toaka izy, akaman'ny mpangala hetra mban'ny mpanota!"Fa ny hakantena de voamarina amin'ny asany. 20 Avy eo Jesôsy de nanomboka nizaka mafy ny tanàna zegny nagnamboarany ny asany mahagaga maro be io, satria tsy nivalo iary zareo. De nizakainy hoe :" 21 Loza ho anareo, ry Korazina! Loza ho anareo, ry Betsaida! Raha mba natao tagny Tyra sy Sidona io asa mahagaga zay namboarina taminareo teto io, de mba efa ela iary zareo nivalo tamin'ny lamba fisaonana mban'ny lavenina." 22 Nefa de ho moramora kokoa ny an'ny Tyra sy Sidona amin'ny andron'ny fitsarana toy izay nenareo. 23 De anareo, a Kapernaomy, de mihevitra anareo fa hasandratra an-danitra agny? Tsia, anareo ndreka de hindao hijotso agny amin'ny helo.Satria na tagny Sodoma nagnamboarana an'io asa mahagaga zay natao taminareo teto io, de mbola hotavela izany atramin'izao. 24 Nefa de zakaiko aminareo fa ho mora kokoa ho an'ny tanin'i Sodoma amin'ny andron'ny fitsarana toy izay aminareo. 25 Tamin'izany andro izany Jesôsy de nizaka hoe :"Midera Anao Aho, ry Aba, Tompon'ny lanitra sy ny tany, satria Ianao no nanitrika an'io zavatra io tamin'ny hendry mban'ny mahalala, sady nampahafantatra an'izany tamin'ny zegny tsy mbola mahalala, kara zazabitaka io. 26 Eny, ry Aba, satria izany de natsatsara tamasonao. 27 Ny raha marobe napetrakany taminaha de avy tamin'ny Iabako; sady tsisy mahafantatra ny Zanaka afa-tsy Iaba de tsisy mahafantatra an'Iaba afa-tsy ny Zanaka, de zay fidin'ny Zanaka hampafantarina an'Azy koa. 28 Magnantogna aminaha aty, anareo marobe zegny miasa mafy sy managna olagna, de omeko fahafahana anareo. 29 Indosy ny ziogako de mianara aminaha, fa tsotra sady tsy miavogna am-po Aho, de hahita fahafahana ho an'ny fagnahinareo anareo. 30 Fa ny ziogako de mora sady mevagna ny entagnako.