Jakoba Toko faha 4

1 Avy aza arika neven'ny ady sy ny fifandirana misy aminareo? Izy io ma ka tsy avy amin'ny fagnirianareo zegny miady amin'ny mpikambana akekinareo egny? 2 Magniry anareo, nefa de tsy managna. Mamono sady mitsiriritra anareo, nefa tsy ahazo mihitsy. Miady sady mifanditra anareo. Tsy managna anareo tratrin'ny tsy mangataka. 3 Mangataka anareo de tsy mahazo tratrin'ny ratsy fangatahana, mba hahafahanareo mampiasa an'izany amin'ny fagnirianareo. 4 Anareo mpijangajanga io! Ka tsy fantatrareo ma fa ny fieresana amin'izao tontolo izao de firafesana manohitra an'Andriamanitra? ka n'iza n'iza te hiaraka amin'izao tontolo izao de magnano ny tegnany ho fahavalon'Andriamanitra. 5 Sa eritreretinareo fa tsisy dikany ny Soratra Masina mizaka hoe: "Ny Fagnahy nampiaigniny tagnatintsena dia saro-piaro lôtra"? 6 Fa Andriamanitra de nagnome fahasoavana maromaro tegnany, izany mahatonga an'ny Soratra Masina mizaka hoe: " Andriamanitra manohitra ny mpirehareha, fa magnome fahasoavana ny mpanetry tegna. 7 Ka magneke an'Andriamanitra. Tohero ny devoly, fa hilefa anareo io. 8 9 Akekezo Andriamanitra, fa hagnakeky anareo Izy. Atofay madio tagnanareo, a mpanota, atofay madio koa ngy fonareo, a mpiroa saigna. Mahalelova, misaonà de mitomagniza! De avelay fimehezanareo hanjary fitomagnizana, de ngy hafalenareo hanjary fimosognana. 10 Magnetre-tegna agnatrehan'ny Tompo, mba hanandratany anareo. 11 Aza mifagnaratsy, azalahy anareo. Ny olona zegny magnaratsy ny rahalahy na mitsara ny rahalahiny de manohitra ny lalàna sady mitsara ny lalàna . Ndreka mitsara ny lalàna mako anareo, de tsy mpagnara-dalàna ndreka, fa mpitsara. 12 Raika my ny magnome ny lalàna sady mitsara. Izy raika mi no afaka mamonjy sy mandringana. Iza ma anao, miseho mitsara an'ny akamanao? 13 Ka tenoy, anareo zegny mizàka hoe:" Gniany na amaraigna de hiditra amin'ny tanàn'ity antsena, hijanogna heritaogna agny, hivarotra sady hangala tombony." 14 Iza ma mahalala ny raha hiseho amaraigna, mbàn'ny fiaignanareo? Fa kara zavogna nipoitra tsielatsela anareo ndreka aveo de levogna. 15 Nefa koza de tokony hizaka mi anareo hoe:" Raha sitraky ny Tompo, de ho levogna antsena de hagnano an'itsihy am'irihy." 16 Fa amin'izao anareo de mirehareha amin'ny tetika feno eboebo. Ka ny fireharehana marobe karan'izany de ratsy. 17 Ka ho an'ny zegny mahalala magnano tsara nefa tsy magnano an'izany, de fahadisôna ho an'azy izany.