Toko faha 3

1 Ry rahalahy, mivavaha ho anay mba hiderana sy hagnomezana voninahitra ny zakan'ny Tompo, de karan'izany my koa aminareo. 2 Mivavaha mba ho afaka amin'ny ratsy fagnahy mban'ny olona ratsy anay, tsy olona aby io de manana finoana. 3 Ny Tompo ndreka de mahatoky, zay magnamafy tsara sady miambonga anareo amin'ny ratsy. 4 anay de managna fahatokisana amin'ny Tompo mikasika anareo, mba hagnamboaranareo sady hanohizanareo ny raha nibekoanay anareo. 5 Mba hotaritin'ny Tompo anie ny fonareo ho amin'ny fitiavan'Andriamanitra mban'ny fiaretan'i kristy. 6 Amin'izao, de mandidy anareo amin'ny agnaran'ny Jesôsy Kristy Tompontsena izahay ry rahalahy mba hoenga amin'ny rahalahy zegny miaigna agnatin'ny faholena sady tsy magnaraka ny fomban-drazagna zegny nalainareo taminay. 7 Fa ndre anareo n ny tegnareo de mafantatra fa mety aminareo mihitsy ny mangala kara anay. Tsy niaigna tagnivonareo karan'ny zegny tsy nanagna fitsipika izahay. 8 Tsy nihinagna hanin'olona tsy naloha vola izahay. Fa, niasa na andro alina tamin'ny asa soratra koza mban'ny raha sarotra izahay, amin'izay tsy ho entagna mavesatra ho an'ny tsiraidraika aminareo. 9 Tsy hoe avy amin'ny tsy fanagnana fahefana no nagnamboaranaan'izany. Fa, nagnano an'izany koza mba no fitaratra ho anareo, ka mba hitovy aminay anareo. 10 ndreka niaraka taminareo izahay, de nibeko anareo hoe: "Na misy raika tsy te hiasa, de tsy tokony hihinagna izy." 11 Fa maregny izahay fa miraviravy tagnana ny sanagny aminareo. Tsy miasa iary zareo fa mpitsabaka. 12 Amin'izao ny olona karan'izany de bekoinay sy hanarinay amin'i Jesôsy Kristy Tompo, mba hiasa am-pahanginana sady hihinagna ny haninan'iary zareo manokana. 13 Fa anareo, ry rahalahy, de aza mamoy fo amin'ny fagnamboarana an'ny zegny marina. 14 Na misy magnaraka ny zakantsena amin'ity ratasy ity, de aseo marika amason'olona izy sady aza managna fifandraisana amin'azy, ka mety ho megnatra izy. 15 Aza resina ho fahavalo izy, fa hanaro karan'ny rahalahy. 16 Fa ny Tompon'ny fiadanana ane hagnome fiadanana anareo amin'ny fotoana mban'ny fomba maro be. Ho aminareo maro be ane ny Tompo. 17 Ity no fagnamboarako veloma,izaho Paoly, tamin'ny tagnako, zegny famantarana amin'ny taratasy maro be. Izao no soratrako. 18 Ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena ane o aminareo maro be.