Toko faha 3

1 Amin'izao, anareo teko, manoratra ho anareo an'ity taratasy fahariy ity aho ho fampatserovana mba handrisihana ny saignanareo madio, 2 mba hatadidiavanaony raha nizakain'ny mpaminany masina tagny mban'ny didin'ny Tompo zay mpamonjy antsena zay nomen'iar y zareo apostolinareo. 3 Fantaro aloaky izao, fa ny mpaningatsinga de ho avy amin'ny andro farany. Iary zareo de hagneso ka hagnano zegny teteny atao. 4 Iary zareo de hizaka hoe: " Aza ny fampagnantegnana ny amin'ny feregnany? Fa hatramin'izay nahafaty ny razambe, de tsy niova ny raha marobe, aika na hatramin'ny fanombohan'izao tontolo izao aza." 5 Komay ataon'iary zareo adigno fa ny lavitra sy ny tany de nisy avy tamin'ny rano sady tamin'ny alalan'ny rano, efa ela be, 6 nohon'ny didin'Andriamanitra, de avy tamin'io raha io my, no nandràvana ny raha marobe tamin'izany fotôna izany, tamin'ny ranobe. 7 Fa amin'izao ny lanitra ny tany de natokana ho an'ny afo non'io didy io my. Iary zareo de vôtokana ho amin'ny andron'ny fitsarana mban'ny fandringanana ny olona ratsy fagnahy. 8 Ôka tsy adignonareo, ry anareo teko, fa ny andro raika amin'ny Tompo de mitovy amin'ny arivo taona, de ny arivo taona kara andro raika. 9 Ny Tompo de tsy ela amin'ny fagnatanterahana an'ny zegny nampagnategnainy, araka an'ny zegny zakain'ny sanagny ho fahelany. Fa koza, Izy de madigny aminareo. Tsy tenay hisy ho very anareo, fa mba ho tonga amin'ny fivalozana aby. 10 Na de zany aza, ho avy karan'ny mpangalatra ny andron'ny Tompo: Ny lanitra de tsy ho hita miaraka amin'ny feo mafy. Ny raha marobe de ho main'ny afo, de ny tany mban'ny zegny asa amin'azy ao de zakaina amin'izany koa. (Fagnamarihana: Ny dikan -teny sanagny de mivaky karan'izao: "Ny raha marobe de ho main'ny afo, ka ny tany mban'ny zegny asa amin'azy ao de orôna aby.") 11 Ka raha ho levogna karan'izany zao raha marobe zao, de tokony ho olona magnano akory anareo? Tokony hiaigna amin'ny fahamasinana sy ny fiaignana araka an'Andriamanitra anareo. 12 Tokony hagnantegna sady hampalakilaky ny feven'ny andron'Andriamanitra anareo. Amin'izany andro zany, ny lanitra de ho levon'ny afo, ny raha marobe de hitagnempo amin'ny hafanam-be. 13 Fa araka ny fampagnantegnany, de madigny ny lanitra mban'ny tany vaovao, zay hitomeran'ny fahamarinana. 14 Amin'izany, anareo teko, satria magnantegna an'izany raha izany anareo, magnamboara ny tena tsara avy agny aminareo mba tsy ho hisy tasy sady tsy hanantsigny eo amasony, am-piadanana. 15 Sady koa,eritrereto ny fadigniasan'ny Tompontsena amin'ny famonjena, kara ny nisoratan'i Paoly rahalahy te-ntsena taminareo, araka ny fahendrena zay nomena anazy. 16 Paoly de mikoragna an'izany raha izany amiun'ny taratasiny marobe, zay misy raha sarotra takarina. Olona tsy managna fahalalana sady tsy mba matrana no magnova n'io raha io; kara hagnamboarany ny soratra masina hafa my koa, ka matonga fahaverazana ho an'ny tegnany. 17 Amin'izany, anareo teko, satria fantanareo zany raha izany, de tandremo ny tegnanareo mmba tsy ho vaofandriky ny fitakin'ny oloona ratsy fagnahy ka ho very ny fahamarinanareo. 18 Fa mitomboa amin'ny fahasoavana mban'ny fahalalana ny Tompontsena sy Jesosy Kristy Mpammonjy antsena. Hoa anazy anie ny voninahitra amin'izao de mandrakizay. Amena!