Toko faha 21

1 Avy eto zaho nahita lagnisy vaovao vo tany vaovao, fa simisy gny lagnisy volohany vo gny tany volohany, dra simisy sasy gny ranomasina. 2 Hitako gny tana masy, Jerosalema vaovao, ze nibisy boakagny andagnisy avy amin'Andriamanitra voaoma manahaky gny ampekary ampihago ho an'ny valiny. 3 Nahare feo mahery avy amigny seza fiandrianana zaho manao ho: Indro! eo amigny olo gny misy anazy taberna- kelin'Andriamanitra, vo hiay miaraky aminazy ereo izy. Ho olo izy ereo, vo Andriamanitra tegnany hiaraky aminazy ereo vo Izy ho Andriamanitr'izy ereo. 4 hamafagny ranomaso aby amigny mason'izy reo izy vo sy hisy fahafatesa sasy, na alahelo, na tomagny, na fahararia fa lasa gny raha taloha. 5 Gny raiky izay nitoboky teo amigny seza fiandriana nizaka ho:"Ingo!Nataoko vaovao gny raha aby."Hoy izy:"Sorato izao satria itahoky aby dra matoky vo marina." 6 Hoy izy taminahy ho:" Fa vita reo raha aby! Izaho gny Alfa vo Omega, gny fanombohany co fiarany. Izy nangetaheta dra hameko ho nomy maimaipoa avy amigny loharanon'NY fiegna. 7 Izay mandresy dra handova reo raha reo, dra Izaho gny ho Zagnaharyiny, dra izy ho zanako. 8 Fa reo osa, sy manapinoa, mampangelakelaky, pamono olo, pizangazanga, panao oly, panopo sapy, sy mavandy, dra agny amigny farihy mirehisy afo solifara gny tobohan'ereo. Izay gny fahafatesa faharo." 9 Nagnato anahy gny babany tamin 'ireo azely fito, gny raiky izay nana reo ampondra fito feno reo loza fito tarany, dra hoy izy ho:"Avy Atiky. Hatoroko snap gny hapekary, gny valin'NY zanak'agnondry. " 10 Avy eo dra nandesiny tamigny fagnahy tagny amigny tendrombohisy abo zaho dra natorany anahy gny Jerosalema tana masy mizosoa any agny an-dagnisy avy am'i Zagnahary. 11 Nana gny voninahin'iZagnahary I Jerosalema, dra gny famirapiratany dra manahaky gny vato soa sarobily, manahaky gny vato kristaline jaspa malio. 12 Nana rindry abo lahibe nindray tamigny vavahady ro ambin'ny folo teo amin'ereo vavahady.Teo amin'ereo vavahady gny voasorasy gny agnaran'ereo foko ro ambin'ny fokon'NY zanak'Israely. 13 Nisy vavahady telo eo asignana, vavahady telo eo avarasy, vavahady telo eo asimo, dra vavahady telo eo andrefa. 14 Nana fototra to ambin'ny folo gny rindrin'NY tana, dra eo amin'ereo gny nisy reo agnara ro ambin'ny fokon'NY apostolin'ny Zanak'agnondry. 15 Gny raiky zay nizaka vta tamigny volamena ba handrefesa gny tana, reo vavahadiny, dra gny narindriny. 16 Manahaky efa-zoro gny tana; mitovy gny labany vo gny sakany. Nandresy gny tana tamigny fandrese volotara izy, roarivo stadio gny halavany (mitovy gny labany, sakany, dra hahabony). 17 Nandrefy gny rindrin'NY Kia izy, 114 hakiho gny refin'NY olo (say refin'NY azely avo koa). 18 Vita tamigny Jispy gny rindry dra tamigny volamena sy misy fangarony,manahaky gny fitarasy malio. 19 Gny fotosigny rindry dra voaravaky am'ireo karaza vato sarobily aby. Gny volohany dra Jispy, gny faharo safira, gny fahatelo kalkedona, gny fahefasy emeralda, 20 Gny fahadimy sardinia, gny fahaenina karneola, gny fahafito krysolita, gny fahavalo beryl, gny fahadivy topaza, gny fahafolo krysopraso, gny faharaikam-binifolo jacinta, gny faharoam-binifolo amethysts. 21 Gny vatrangara ro ambin'ny folo; gny sirairaiky anin'ereo vavahady dra vita tamign'ny vato soa raiky. Ereo lalam-be teo an-tana dra volamena sy misy fangarony, manahaky gny fitarasy mangarahara. 22 Sy nahita tempoly tao amigny tana zaho, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha vo gny Zanak'ondry gny tempoliny. 23 Gny tana dra sy mitalia masoandro na vola ba namirapirasy amizay satria gny voninahin'Izagnahary dra namirapirasy taminazy, dra gny zanak'agnondry gny lion'izay. Handeha amigny fahazavan'izay tana izay reo firenena.Gny pazakany tang dra hinday gny fahasoavan'gny reo ho ao amizay. (Fagnamariha: Gny atota-taratasy taloha sasany dra mivaky ho:" Ireo firenena izay voavozy dra handeha amigny fahazavan'izay tana izay.") Sy hivily reo vavahadin'izay mandrisy gny andro, dra sy hisy hariva agny. 26 Hinday gny fahasoava vo gny hazan'ireo firenena ao amizay ereo, 27 Dra sy hisy maloto hilisy ao amizay mihisy. Sy hisy na iza na iza hanao raha mahamegnasy na mamitaky hilisy ao, fa reo ze voasorasy agnara ao amigny Bokinigny zanak'agnondrinigny fiegna avo.