toko faha 20

1 Dra nahita azely nizoso avy tagny an-dagnisy zaho. Nana gny fagnalahilin'NY lavaky sy hita niania izy, dra nana rose by lahibe tegny an-tany. 2 Nanambosy anigny dragons izy, gny menarana fahiny, gny devoly,na Santana, dra nifeheny arivo tao. 3 Natoraky tagny amigny lavaky sy hita niania izy, nihiliny zay dra ba sy hamitahany gny firenena maro sasy mandra-pahatapisy gny arivo tao. Tafaran'izay, dra sy maisy havotosy fotoa masaisaiky izy. 4 Dra nahita seza fiandrianana maro zaho. Nitoboky eo agnabony reo zay name fahefana misara. Nahita gny fagnahin'ireo zay nitapahin-Doha zaho gny fizoroany vavolombelo mahakasiky an'i Jesosy dra nohon'ny zakan'i Zagnahary. Sy nandohaliky tamigny bibi-dia na tamigny sarin'NY izy reo, dra ereo dra nanda gny hangalaky gny mariky gny bibi-dia teo amigny handriany na teo amigny tagnany. Avy velo ndraiky ereo, dra nazaka nindray tamin'i Kristy nandrisigny arivo tao. 5 Gny Amin'ireo maty dra sy velo mandra-pahatapisy gny arivo tao. Izay gny fisanganany volohany. 6 Sambasy dra masy zay olo mana azara amigny fisangana volohany! Eo agnatrehaizay dra sy mana-kery gny faty faharo. Ereo dra ho pisoro an'i Zagnahary vo Kristy dra hazaka mindray aminazy mandrisy gny arivo tao. 7 Gny tapisy gny arivo tao,Dra hohaha so amigny tragnomezy devoly. 8 Hiboaky izy ba hamitaky gny firenena maro egny amigny vaza-tany efasy__Goga vo Megogo__ ba hinday anazy dra ho maro manahaky gny fasy gny ranomasy. 9 Niakasy eo agnabon'NY tany lemaky ereo dra nagnodidy gny tanin'ereo pino, gny tana malala. Nefa nisy afo nizoso avy tagny an-dagnisy dra nandroaky anazy reo. 10 Gny debolt, say namitaky anazy , era natoraky ao amigny farihy afo solifara, toera zay hanorasy gny bibi-dia vo gny paminany sandoky. Dra hapizaly andro amihariva mandrakizay dra mandrakizay ereo. 11 Dra nahita seza fiandrianana fosy lahibe zaho vo gny nitobohany eo agnabony. Gny tany vo gny lagnisy dra nandososy gny agnatrehany, kanefa sy misy toera andehanan'ereo. 12 Nahita gny maty zaho__ gny lahibe dra gny masaisaiky__nisanga eo alohany seza fiandrianana, dra nibelariny ereo boky. Dra jisy boky raiky nibelariny__Gny Bokin'ny fiegna. Gny maty dra nizarany araky zay voasorasy ao amin'ereo boky, araky reo asany. 13 Gny ranomasy namoaky agny maty ze teo agnatiny. Gny fahafatesa va reo fiaigna sihita dra nagnaboaky gny maty dra nisara araky gny raha natao. 14 Gny fafatesa vo gny fiaigna sy hita dra naria taoa migny farihy afo. Izaho gny fahafatesa faharo__dra gny farihy afo. 15 Raha nisy agnara sy hita dra naria tao amin'gny Bokin'ny fiaigna, dra naria tao amin'gny farihy afo.