Toko faha 19

1 Tafaran'ny raha zay dra nahare zay manahaky gny feo fatrasigny vahoaky maro isa tagny an-dagnisy zaho nanao ho:"Aleloia, Gny famozena, gny voninahisy, dra gny hery an'Izagnahary. 2 Reo fisarany dra marina vo mahisy, fa nisara gny pivaro-tegna lahibe zay magnarasy gny tany tamigny fizangazanga izy. Namaly faty gny babandrareo panopony, say nalasany izy." 3 Nizaka fagnindrony izy ho:"Aleloia! Gny hoto dra miakasy avy aminazy mandrakizay doria." 4 Reo loholo efasy aby ropolo vo reo raha-managnay efasy dra nandohaliky dra nanopo an'iZagnahary izay nitoboky teo amigny seza fiandrianana. Hoy ereo:"Amena. Aleloia!" 5 Dra feo niboaky avy ao amigny seza fiandrianana, nanao ho:"Derao Zagnaharsika, handrareo aby panopony, handrareo zay matahosy Anazy, na gny sy mana-laza na gny mahery." 6 Dra nahare zay manahaky gny feon'ny olo maro isaky, manahaky gny firohondrohon'NY rani maro, vo manahaky gny fipoahany hotroky fatrasy zaho, nanaimo ho:"Aleloia! Fa Mazaka gny Topo, Zagnahary zay manapaky amigny aby. 7 Ao sika hifaly vo ho ravoravo dra hagnome voninahisy Anazy satria avy gny fapekara-valy Zanak'agnodry, dra gny apekariny fa nioma. 8 Name aka hekazo lambs rongony manorasy vo malio izy" ( fa gny lamba rongony dra reo asa Amin'ireo olo-masy). 9 Gny azely nizaka taminahy ho:"Sorato izay:Sambasy reo zay masina tamigny fety fapakara-valin'ny Zanak'agnodry. Nizaka taminahy koa izy ho:"Reo dra zaka marin'iZagnahary." 10 Nandohaliky eo amigny tombony ba hanopo anazy zaho, fa hoy izy taminahy:"Ka manao anio!Izaho dra pindray-manopo aminao vo reo rahalahinao izay mita gny fizoroa vavolombelo momba an'i Jesosy. Manopoa an'i Zagnahary, fa gny fizoroa vavolombelo momba an'i Jesosy dra gny fagnahiny faminania." 11 Dra nahita gny lagnisy nisokaky zaho dra nagnety dra nisy sovala fosy. Gny pitikisy zay dra nitokavy ho mahatoky vo marina. Amigny fahamarina gny hasarany vo hia,iany. 12 Reo masony dra manahaky gny lelan'afo, dra eo amigny lohany misy satro-boninahisy maro. Mana agnara voasorasy eo aminazy izay sy misy mahafatasy afa-sy yzt avo izy. 13 Mekazo akazo lava izay nasoboky so amigny lio izy, dra gny agnarany dra tokavy ho Zakan'i Zagnahary. 14 Reo tafiky gny lagnisy dra nagnoriky anazy tamigny sovala fosy, mekazo lambs rongony, fosy vo malio. 15 Avy ao amigny vavany gny miboaky gny sabasy maragnisy zay amizay gny hasarany gny firenena, dra hanapaky anazy reo amigny fehy avy izy. Magnisaky so amigny famiazan'NY fahavignirany fahorian'I Zagnahary Sitoha. 16 Mana agnara voasorasy eo amigny akazo labany eo amigny feny izy ho:"Pazakan'ireo pazaka vo tompon'ereo Topo." 17 Nahita azely nisanga eo amigny masoandro zaho. Nitoka tamigny feo mahery reo voro nitily agnabo aby izy ho:"Avia, mivavaky ho any fety lajiben'iZagnahary. 18 Avia hisakafo gny nofon'ireo pazaka, gny nofon'ereo pitari-tafiky, gny nofon'ireo lelahy mahery, guy nofon'ireo sovala vo reo pitikisy zay, dra gny nofon'ireo lelahy aby, gny afaky vo gny andevo, gny sy mana-laza co gny mahery." 19 Nahita gny bibi-dia go reo pazakan'ny tany nindray tamigny tamin'ereo zaho. Nivavaky ereo ba hialy amigny raiky zay nitikisy gny sovala vo amigny tafiny. 20 Azo gny bibidia dra nindray taminazy gny paminany sandoky izay nanao reo famatara teo agnatrehany. Tamin'ireo famatara reo gny namitahany reo zay nandray gny mariky gny bibi-dia vo reo zay nanopo gny sariny. Izy ro reo dra natoraky ao agnatiny farihin'afo mirehisy solifara. 21 Gny angnondrin'ereo dra nivono tamigny sambasy izy niboaka gny vavaner' ereo ze nikisy gny sovala. Gny voron'aby nihina gny nofo mangasiak'ereo.