toko faha 18

1 Tafaran'izay raha ihoky dra nahita azely hafa zay nizoso avy agny an-dagnisy zaho. Nana fahefana lahibe izy, dra namirapirasy nohon'ny voninahiny gny tany. 2 Nihiaky tamigny feo mahery izy, nizaka ho:"Nilavo, nilavo gny Babylona lahibe! dra avy toera-pitobohany debolt, fialofany ho an'ireo fagnahy maloto dra fialofany ho an'ny reo voro maloto vo mapangelakelaky aby. 3 Fa gny firebena aby dra nino gny divain'ny fandesategna malotony. Reo pazakan'ny tany dra nanao fandesa-regny maloto taminazy. Reo pamarosy gny tany dra avy panandraha tamigny alalany fomba fiaignany amigny nofo." 4 Avy eo dra nahare feo avy agny an-dagnisy zaho, mizaka jo:"Miala Aminazy, ri oloko, ba sy hizarany gny fahotany ndrareo lohany. 5 Fa nihangona manahaky gny ahabon'ny lagnisy gny fahotany, dra Zagnahary mahasiaro reo asa trasiny. 6 Mamalia anazy manahaky gny namalian'NY hafa, dra valio avy ro heny zay fa vitany;tao almighty kapoaky zay fa nifeheny, dra fonao avo ro heny hon'azy. 7 Manahaky izy nagnome voninahisy gny tegnany vo niay tamigny sy fiaigna, omeo anazy gny fizalia vo gny alahelo tandrify anazy. Fa izy nizaka tao am-pony nanao ho:"Nitoboky manahaky gny pazaka apela zaho. Sy maty valy zaho, dra sy handala mandrakizay.' 8 Noho zay dra ho vay amigny andro raiky reo areti-mandringany: gny fahafatesa, gny fandala,dra gny mosary. Horoan'ny afo izy, fa gny Topo Zagnahary dra mahery, dra izy gny pisara anazy." 9 Reo pazakan'ny tany zay mizangazanga vo nandeha sy am-pierisereta nindray taminazy dra nitomagny dra handohaliky eo agnatrehany aby hahita gny hoto gny fahamezany izy reo. 10 Hizoro lavisy izy reo, natahosy gny fizalia, hizaka ho:"Loza ho anigny tana lahibe, Babylona, gny tana mahery,fa amigny ora raiky ho avy gny azondrareo." 11 Reo pamarosy gny tany dra mitomagny vo mandala hon'azy, satria sy nisi olo nialy carosy hon'azy sasy. 12 Varosy volamena, volafosy, Cato sarobidy, firavaky, lamba-drangony tena soa, boloparasy, landy, mena,reo karazany hazo ala, gny fanaky ivoara, gny tanaky aby vita avy amigny hazo sarobily, barahona, vy, Barbra, 13 Kanelina, zava-magnisy, ditin-kazo , miora, hanitra, divay, menaky, kononoky spa lisa, vary, biby fiopy dra agnondry vo kalesy, reo andevo vo fagnahin'olo. 14 Gny vokasy zay tianao tamigny herinao aby dra hiala aminao. Gny etanao lafo vily vo reo namirapirasy dra nazavo, dra sy ho hita sasy mandrakizay. 15 Gny pamarosy eta zay avy panambola noho zay dra hiala aminazy lavisy nohon'ny fatahorany gny fizalia, hitomagny vo handala fatrasy. 16 Hizaka ereo ho:"Loza, Liza go amigny tana lahibe zay nekazo tamigny lamba-dragony tena soa, voloparasy, co mena, dra niravahany tamigny volamena, firavaky sarobily, dra valisoa! 17 Agnatiny lera raiky dra ho foagna say aby zay."Reo kapiteni-sambo album reo mandeha egny agnabony ranomasy aby, tasambo, co zay aby mitoboky an-dranomasy, era hisanga lavisy. 18 Nihiaky ereo gny fa nahita amigny hoton'NY fahama. Nizaka ereo uo:"Tana ino manahaky gny tana lahibe?" 19 Nagnatoraky vovoky egny an-dohany izy dra nikoraky fatrasy, nitomagny, co mandala, nanao ho:"Liza, Liza go amigny tana lahibe zay hisy Amin'ireo aby nana reo sambo an-dranomasy gny avy panandraha avy amigny harenany. Fa tao agnaty lera raiky dra sola izay." 20 "Mifalia aminazy, ry lagnisy, handrareo pino, apostoky, era paminany, fa Zagnahary ninday gny fitaraindrareo tami azy"! 21 Azely mahery raiky nangalaky vato manahaky gny vato lahibe dra natorany zay tagny an-dranomasy, dra nizaka ho:"Amizay combs zay, Babylona, gny tana lahibe,harodana arching herisetra, dra sy hita sasy. 22 Gny feo nataon'gny lokanga, pitendry mozika, pisioky sodina, vo trompetra dra sy ho re ao aminao sasy. Reo panao asa-tagna isa-karazany dra sy hita ao aminao sasy. Sy hisy feon'ny vato fikosoha-vary ho re sasy eo aminao. 23 Gny fahazavan'gny ziro,dra sy namirapirasy ao aminao sasy.Reo feon'ny pagnakasy vo apekary dra sy ho re aminao sasy, fa gny pamarosy reo gny andriany tany, dra reo firenena dra voaisaky tamigny fagnosaviandrareo. 24 Tao aminazy gny nahita gny lion'ny paminany, go reo pino, dra gny lion'ireo aby zay voavono teto an-tany. "