Toko faha 9

1 Namboasy gny tragnony manoka gny fahendrena; nanao asa sokisy andry fito boak'aminigny vatolapy izy. 2 Namono reo bibiny izy; napifandaro gny divainy izy; dra nanoby gny latabany. 3 Nagniraky reo piasa atragnony izy; nitoka zaka amireo toeran'avo indrindranigny tana izy ho: 4 "Iza gny bado? Aoky izy hagnaton'atiky!" Ho an'ize sy apy say soa gny hizakany. 5 "Avia, hano gny haniko, dra nomy gny divay niharoiko. 6 Angao reo fihesikao bado dra miveloma; mandehana aminigny lalanigny fahazava-say. 7 Na iza na iza magnatrasy gny panirasira dra handray fagnararaota; na iza na iza hizaka fatrasy gny rasy fagnahy dra handray reo fanirasira. 8 Ka magnanasy gny panirasira, raha sy zay dra ho halany hanao; 9 anaro gny olo-kendry, dra ho tiany hanao. Magnomeza gny olo-kendry, dra ho avy hendry kokoa izy; apenaro gny olo-mary, dra hagnapy gny fenarany izy. 10 Gny fahatahora an'i Yaveh gny fiandoham-pahendre, dra gny fahalala gny Masy gny fahazava-say. 11 Fa aminigny alalako gny hihamaroanigny andronao; dra hapiako tao maro gny fiegnanao. 12 Raha hendry hanao, dra hendry ho anigny vatanao avo, dra raha manirasira hanao, dra hinday anizay aminigny vatanao avo." 13 Gny apelanigny mola dra sy mahay, sy nibeazy izy dra sy mahafatasy na ino na ino. 14 Mitoby eo ambetrangarany gny tagnony izy; eo aminigny seza aminigny toera abo indrindra aminigny tana. 15 Mitokava reo ze miriosy amireo lala izy, aminigny olo ze mandeha mahisy aminigny lalan'ereo. 16 "Na iza na iza babo, aoky izy hiherin'eto ndraiky," hoy izy amireo ze sy mana say. 17 "Mamy gny rano nangalary, dra masiro gny mofonigny sembaratelo." 18 Fa sy fatany fa agny gny maty, fa reo vahiny nasainy dra agny aminigny halalinigny Fiegna-sy hita.