Toko faha 8

1 Sy mitoka fatrasy ra gny Fahendre? Sy manandra-peo ra gny fahazava-say? 2 Eo amireo tapo-kavoa agnilanigny lala, ao amireo sapana-dala, gny hizoroanigny Fahendre. 3 Eo anoloan'ireo vavahady ao aminigny fidira magnagny atana, eo aminigny fidera magnao atana, gny hitokavany. 4 "Handrareo, ry vahoaky, gny tokaviko; gny feoko dra ho an'ireo zanak'olombelo. 5 Handrareo ze babo, menara fahendrena; dra handrareo ze mola, mana fahazava-say handrareo. 6 Tenoy, akory mizaka reo raha mendri-kaza zaho, dra gny fa misokaky gny sogniko dra hizaka raha mary zaho. 7 Fa gny vavako mizaka anizay mendri-pitokia, dra gny faharasia maparikoriko gny maloto. 8 Gny zakanigny vavako aby dra mary; sy nisy miolakolaky na fitaky amireo. 9 Mihisy ho anigny olo ze mahatakasy anereo; reo zakako dra mary ho an'ireo ze mahita fahalala. 10 Mandresa gny fapenarako fa sy gny volafosy; mandresa fahalala fa sy gny volamena sy mifangaro. 11 Fa soa noho gny firavaky gny Fahendrena; sy misy harena mitovy aminazy. 12 Zaho, Fahendrena, dra miara-mony aminigny Fitandrema, dra mana faha-lala vo fahamalia. 13 Gny tahosy an'i Yaveh dra ba hakahala gny rasy. Halako gny fieboeboa vo gny fiavognavogna, gny fomba rasy, vo gny zaka rasy. Halako reo. 14 Mana torohevisy soa vo fahendrena marina zaho; lali-say zaho; anahy gny hery. 15 Aminigny alalako gny azakan'ireo pazaka__reo lelahy mana-kaza avo koa, vo gny mifehy aminigny fahamarignan'abyzay. 16 Aminigny alalako gny anapahan'ireo andriandahy, reo mana-kaza, vogny mifehy aminigny fahamarignan'aby. 17 Tiako ze tian'anahy, dra reo ze mitalian' anahy fatrasy, dra hahita anahy. 18 Ao aminahy gny harena vo gny voninahisy vo gny fahamarigna. 19 Gny vokaso dra soa noho gny volamena, eny na gny volamena soa aza; soa noho gny volafosy malio gny vokaso. 20 Mandeha aminigny lalanigny fahamarigna, agnevonireo lalanigny marina zaho. 21 Vokas'izay, dra ataoko mandova harena reo ze tian'anahy; fenoko gny fitehiriza-drakis'ereo. 22 Nahary anahy i Yaveh taminigny fiandoha, gny asany volohany tamizay. 23 Fahiny ela dra zaho___hatragny am-bolohany, hatraminigny fiandohanigny tany. 24 Talohanigny nisianigny ranomasy, dra teraky zaho___talohanigny nahatondraky rano reo loharano. 25 Talohanigny nametraha reo tendrombohisy dra talohan'ireo havoa, dra teraky zaho. 26 Fa teraky zaho talohanigny naharian'Agnahary gny tany na gny saha, eh fa na dre gny vovoky volohany tamizao totolo izao aza. 27 Fa teo zaho fony nanoby gny lagnisy Izy, fony Izy nanorisy boribory tany aminigny farisy gny laliky. 28 Fa teo zaho fony Izy nanoby gny raho dra fony namboary reo loharano tagny aminigny laliky. 29 Fa teo zaho fony Izy namarisy gny fetranigny ranomasy, ko dra sy nihoasy gny fandidia reo rano, dra fony namarisy gny fagnoregna gny tany maiky. 30 Panao asa tagnanao tena mahay teo agnilany gny hazo; Zaho gny fifalia isan'andro isan'andro, mifalia mandrakariva teo anoloany zaho. 31 Nifily tao aminigny totolony aby zaho, dra gny fifaliako dra tao amireo zanak'olombelo. 32 Amizao, ry zanako, mitenoa anahy, fa reo ze mitandry gny lalako dra ho voatahy. 33 Mitenoa gny fapenarako dra hendrea; ka manao sinosino anizay. 34 Ze miteno anahy dra ho voatahy. Hiamby isan'andro eo am-batrangarako izy, mandigny agnilan'ireo sangasangan'ireo vatrangarako. 35 Fa na iza na iza mahita anahy, dra mahita fiegna, dra hahita sitraky amin'Agnahary izy. 36 Fa ze sy mahita, dra manola gny ainy avo; reo ze malaiky anahy dra tia fahafatesan'aby."