Toko faha 23

1 Aby mipetraky hihina miaraky amigny panapaky ianao dra diniho soa izay eo anoloanao, 2 Ary ambano antsy gny vozonao raha olo tia mihinakany be loasy hanao. 3 Ka misiry loasy gny hanim-piny, fa haninigny vandyizany. 4 Ka dre miasa mafy loasy hahazoa harena; hendre soa hahafataranao gny fotoa hisahara. 5 Hagnenga gny masonao hirehisy amizay ra hanao? Ho dify zay, fa ho hari-elasy manahaky gny voromahery tokoa zay dra hitilin'egny aminigny lagnisy. 6 Ka mihina gny haninigny olo manao maso rasy__dra ka magniry gny hagnary, 7 fa karazan'olo magnisy gny vili-kany izy. "Mihinana dra misotroa!" hoy izy aminao, kanefa sy aminao gny fony. 8 Haloanao ze kely nihaninao dra ho very foa gny zaka fandokanao. 9 Ka mizaka eo asofinigny mola, akory hagnamavo gny fahendreny gny zakanao izy. 10 Ka magnage gny fefy vato fahizay na magnaniky gny sakanigny kamboty, 11 fa mahery gny pagnavosy anazy regny dra izy gny hisolo vava anereo hanohisy anao. 12 Apagnekeo fapenara gny fonao ary zaka fahalala gny sofinao. 13 Ka misisy gny fapenara sy ho aminigny zaza, akory raha magnafay anazy hanao, dra sy ho maty izy. 14 Ino gny sy maisy hazera anazy aminigny sorakazo dra hamozy gny fagnahiny aminigny Fiegna-sy hita. 15 Ry zanako, raha hendry gny fonao, dra ho faly avo koa gny foko; 16 Hiravoravoa gny agny agnatiko aby mizaka gny sogninao. 17 Ka anga hialo ereo mpanota gny fonao, fa mipetraha amigny tahosy an'i Yaveh mandrakariva. 18 Misy tokoa gny ho avy sy ho foa gny fanatenanao. 19 Mitenoa___hanao!___ry zanako, dra hendre dra hapizoro aminigny lala mahisy gny fonao. 20 Ka minama aminigny mamolava, na aminigny fatra-pihina-kena, 21 fa gny mamolava vo gny tenda-kany dra reo be torimaso dra hahatra dra gny faharendreha gny hapifaly anazy aminigny voro-damba. 22 Tenoy gny ranao niteraky anao vo dra ka manao sinosino gny reninao gny fa atisy izy. 23 Vilio gny marina, fa ka mamarosy anizay; mivilia fahendrena, fapenara, dra fahazava-say. 24 Hiravoravo vatany gny ranigny olo-mary, dra miteraky zaza hendry dra ho faly aminazy. 25 Aoky gny ranao vo gny rreninao ho faly dra aoky hiravoravo ze niteraky anao. 26 Ry zanako, omeo anahy gny fonao dra aoky gny masonao hitaridala gny lalako. 27 Fa gny apela zanga dra lavaky,dra fasaka tery gny apela rasy fitondra-tegna. 28 Miandriandry manahaky gny pandroba izy dra mapitombo gny isan'ireo pamadiky eo aminigny zanak'olombelo. 29 Iza gny misy ozo? Iza gny mana alahelo? Iza gny manan'aly? Iza gny mana fitaregna? Iza gny mana fery sy nagnino sy nagnino? 30 Reo ze mifikisy aminigny divay, reo ze magnandra gny divay mifangaro. 31 Ka magnety gny divay mena zay, gny fa manganohano ao aminigny zera zay dra miraraky simoramora. 32 Aminigny farany zay dra manifasy manahaky gny bibilava dra manindro manahaky gny menarana. 33 Hahita raha hafahafa gny masonao dra gny fonao hamoaky raha lahibe. 34 Hanahaky gny olo ze mandry eo aminigny ranomasy magnoza hanao na mandry eo ataponigny andria-sambo. 35 "Namely anahy rery," hoy hanao, "fa sy voa zaho. Nazera anahy regny, fa sy sapako zay. Ombia zaho gny hifoha? Hialia ho nomy hafa ndraiky zaho."