Toko faha 14

1 Gny apela hendry mananga gny tragnony, fa gny apela mola mandrava anizay aminigny tagnany avo. 2 Ze mandeha apahisia dra matahosy an'i Yaveh, fa ze sy marina aminigny lalany dra manao sinosino Anazy. 3 Aminy vavanigny mola gny hiavianigny simoky gny fireharehany, fa gny sognony gny hendry hiaro anereo. 4 Agny amize sy misy biby teza gny malio gny tavy fihinana, fa be gny vokasy mety ho avy aminigny tazaky gny agnomby. 5 Gny vavolombelo matohatoky dra sy mavandy, fa gny vavolombelo sandoky mamoaky vandy. 6 Mitalia fahendrena gny paneso fa sy mahita, fa ho avy mora foa amize mana-say gny fahalala. 7 Mela aminigny olo mola, fa sy hahita fahalala eo aminigny sogny hanao. 8 Gny fahendrena ho anigny olo marina dra gny mahatakasy gny lalany avo, fa gny fahamolan'ireo mola dra fitaky. 9 Maneso ireo mola aby voasoro gny fagnatisy nohon'ny heloky, fa voazara eo amin'ireo mahisy gny fakasitrahana. 10 Gny fo mahalala gny ngidiny dra sy misy vahiny mizara gny hafaliany. 11 Ho torotoro gny tragnony olo rasy fagnahy fa handrombona gny lain'ny olo-mahisy. 12 Misy lalana izay toa marina eo amigny olo, fa gny farany avo gny mitariky amigny fahafatesana. 13 Afaky mihomehy gny fo nefa manaitaina dra mety hiafara amigny alahelo gny hafaliana. 14 Izay sy matoky dra hahazo izay medriky gny lalany, fa gny olo soa hahazo izay anazy. 15 Izay bado dra mino gny raha aby, fa gny olo mailo koa mieriserisy ireo liany. 16 Matahosy gny olo hedry dra miala amigny rasy, fa gny mola koa manda fapitadremana amitoky. 17 Izay malaky Ory dra manao raha molamola, dra gny olo izay manao teti-drasy dra akahalaina. 18 Gny bado dra mandova fahadalana, fa gny olo-hedry koa ho satrohi-boninahisy amigny fahalalana. 19 Gny olo-rasy hiakohoky eo alohan'izay soa dra ireo izay rasy fagnahy hiakohoky eo amin'ireo vavahadin'ny olo-marina. 20 Akahalaina gny olo-mahatra na dre ireo namany avo koa aza, fa gny olo mana-karena mana-namana maro. 21 Izay magnapotoro fagnamavoa gny namany dra manota, fa sambasy izay mapiseho fakasitrahana izay mapiseho fakasitrahana amigny mahatra. 22 Sy ireo izay manao teti-drasy se gny mandeha amigny hevi-diso? Fa ireo mikasa gny hanao gny soa dra hahazo fagneke matoky vo famedreham-pitokisa. 23 Avy amigny asa fatrasy aby gny hiavian'ny tombony, fa gny zaka avo, dra mitariky ho amigny fahatrana izay. 24 Satro-bpninahisy gny olo-hedry gny hareny, fa gny molan'ireo mola minday hamola fagnapiny anazy ireo avo. 25 Gny vavolombelo marina magnavosy aina, fa gny vavolombelo sandoky magnaboaky vandy. 26 Gny fa matahosy an'i Yaveh gny olo raiky, dra mana fahatokisa maro aminazy avo koa izy; reo raha reo dra hanahaky gny toera ferova hoa nize zanak'izay lelahy zay. 27 Gny fahatahora an'i Yaveh dra loharano ay, ba hahafahanigny olo miala amireo fandriky gny fahafatesa. 28 Hita aminigny hamaroa gny vahoakiny gny voninahiny gny pazaka, fa raha sy misy vahoaky dra rava gny andria. 29 Gny olo mahary dra mana fahalala lahibe, fa gny olo malaky ory manandrasy fahadala. 30 Gny fo milamy dra ay ho anigny vata, fa gny fialogna dra maha-lo gny tola. 31 Izy mapahory gny mahatra dra magnozo gny Pamoron'anazy, fa ze raiky maneho fakahasitraha aminigny fadiranovana dra magnome voninahisy anazy. 32 Gny olo rasy fagnahy dra ahetrin'ireo asa-rasiny, fa gny olo-marina dra hanapelofa na aminigny fahafatesan'aza. 33 Gny fahendrena mitoetra ao aponigny mahalala, fa na dre eo amireo mola aza dra angany ho fatasy gny aminazy. 34 Gny fanova ze mary dra manandrasy firenena, fa gny fahota dra fahafam-baraka ho anigny olon'aby. 35 Gny fakasitrahanigny pazaka dra mindray aminigny panopo ze miasa apitandrema, fa gny fahatezerany dra ho anize miasa ami-pahamegnara.