Toko faha 36

1 Dra reo pitariky gny fianakavian-drazambeny gny fianakaviam-ben'i Gileada zanak'i Makira ( zay zanak'i Manase), zay laha tan'ereo fokogny taranak'i Josefa , dra avy dra nizaka teo anoloan'i Mosesy vo teo anoloan'ereo pitariky zay lohagny ny fianakavian-drazambeny gny vahoakan'Israely. 2 Ho izy reo : '' Yaveh gny nandidy anao, ry tomponay, mba hagnome azara tany ho agn'ny vahoaky Israely aminigny filoka. Nodidian'i Yaveh ianao mba hagnome gny azaran'i Zelofada rahalahinay ho an'ereo zanakapelany. 3 Nefa raha manambaly lelahy laha tagny amy fokony vahoakan'Israely hafa reo zanakapelany, dra ala sy ho azarany gny razambesika gny azaran'ereo. Hagnapy gny azaran'ereo foko zay andehanan'ereo zay. Aminizay, dra alao sy ho azara voatendry ho lovasika zay. 4 Aminizay, raha avy gny tao-zobiliny gny vahoak'Israely, dra hikamba amy azarany gny foko zay nandehanan'ereo gny azarany. ka zay, gny hangala gny azaran'ereo aminigny azarany gny fokon-drazambesika. 5 Dra nagnome baiko gny vahoakan'Israely, taminigny zakan'i Yaveh i Mosesy. Ho Izy:'' Mary gny voazakany gny fokogny taranak'i Josefa. 6 Zay gny andidian'i Yaveh mahakasiky reo zanakapelan'i Zelofada. Ho Izy:' Angao izy reo hanambaly zay heveriny fa soa, nefa hanambaly zay ao aminigny fokon-drany avo izy reo.' 7 Sy misy azaragny vahoakan'Israely hiova foko ho aminigny foko hafa. Gny kirairaiky aminigny vahoakan'Israely dra hita gny azarany gny fokon-drazambeny. 8 Gny ampelany gny vahoakan'i Israely kirairaky ze mana-azara ao amy fokony dra sy maisy manambaly olo avy amin'ereo fianakaviambeny gny fokon-drany. Zay dra mba habagnany kirairaiky amy vahoak'Israely lova any amin'ereo razambeny. 9 Sy tokony hisy azara hifindra tana ho agny foko hafa. Gny olo-aby amin'ereo fokogny vahoak'Israely dra hita gny lovany avo.'' 10 Dra nanao araky zay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy reo zanakapelan'i Zelofad. 11 Mahala, Tirza, Hogla, Milka, dra Noa, reo zanakapelan'i Zelofada, dra nanambaly gny taranak'i Manase. 12 Nanambaly tao amin'ereo fianakaviam-ben'ereo taranak'i Manase zanak'i Josefa izy reo. ka zay , gny nitoerany gny lovan'ereo tao aminigny foko zay an'ereo fianakaviam-ben-dran'ereo. 13 Reo gny didy vo lalana zay nomen'i Yaveh taminigny alalan'i Mosesy ho agny vahoakan'Israely teo amin'ereo lemak'i Moaba amoron'i Jordana tao Jeriko.