Toko faha 27

1 Dra avy tamin'i Mosesy gny zanakapelan'i Zelofada zanadahin'i Hefera zanadahin'i Gileada zanadahin'i Makira zanadahin'i Manase, avy taminigny fianakaviam-ben'i Manase zanadahin'i Josefa. Tahoky aby gny agnaran'ereo zanakapelany:Mahala, Noa, Hogla,Milka, dra i Tirza. 2 Nisanga teo anatrehan'i Mosesy, Eleazaea mpisoro, gny mpitariky, dra teo anoloanigny fiaraha-mony teo aby amy fidira ao amy trano-lay fihaona nereo. Ho izy reo :'' 3 Maty tagny an'efisy gny ranay. Sy isan'ereo ze niray tetiky tao aminigny antokon'i Kora hanohisy an'i Yaveh izy. Matiny fahotany avo izy, dra sy nana-zanadahy. 4 Nanao akory gny agnarany gny ranay gny nala taminigny fikambananigny fianakaviam-beny satria sy nana-zanadahy izy? Omeo tany eo amy havany gny ranay izahay. '' 5 Dra nansesin'i Mosesy teo anoloan'i Yaveh gny raharahan'ereo. 6 Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao ho: 7 ''Mary gny zakany gny zanakapelan'i Zelofada. Ao hagnome tany ho anazy reo vatany ianao avy amy lovan'ereo havan-drany, dra ao ho azonao antoky fa gny lovanigny ran'ereo dra tafita amin'ereo tokoa. 8 Ao hizaka amy vahoakan'Israely ianao ka zakao ho:'Raha misy olo maty ka sy mana-zanadahy, dra ao hafindranao amy zanakapelany gny lovany. 9 Raha sy mana-zanakapela izy, dra homenao reo rahalahiny gny lovony. 10 Raha sy mana rahalahy izy ,dra homenao reo rahalahin-drany gny lovany. 11 Raha sy mana rahalahy gny rany , dra homenao gny havany mariny anazy aminigny fianakaviam-be gny lovany, dra hangalaky anizay ho anazy izy. Ho lalana fatrasy haorina amy didy ho agny vahoakan'Israely zay, araky zay fa nandidian'i Yaveh anahy.''' 12 Ho Yaveh tamin'i Mosesy:''Miakara egny an-tendrombohisy Abarima dra atoho gny tany ze nomeko gny vahoakan'Israely. 13 Tafarany gny fahitanao anizay, ianao, avo koa, dra hahory agny amy vahoakinao, tahaky an'i Arona rahalahinao. 14 Hisanga zay satria ndrareo ro dra nifagnina hanohisy gny didiko tagny amy afisin'i Sina. Agny, raha mikororoky amy vatolampy gny rano, amy fahorianao gny sy nahavitanao nagnome voninahisy anahy ho masy teo amasony fivondrona aby.''Reo gny ranon'i Meriban'i Kadesy agny amy efisin'i Sina. 15 Dra niresaky tamin'i Yaveha i Mosesy dra nizaka ho: 16 ''Ao ianao , ry Yaveh, Zagnahary gny fagnahin'olombelo aby, hanendry olo eo amy fivondrogna, 17 olo ze hiboaky vo hilisy eo amin'ereo dra hotaroky anazy reo vo hinday anazy reo, ba sy ho tahaky gny agn'ondry sy misy mpiamby gny fivondrognanao.'' 18 Yaveh nizaka tamin'i Mosesy ho: ''Alao Josoa zanak'i Nona, lelahy ze hitoerani gny fanahiko, apetraho aminazy gny tagnanao. 19 Apetraho eo anoloan'i Eleazara mpisoro vo eo anoloany gny fivondrona aby izy, dra mandidia anazy eo anoloanigny mason'ereo ba hitariha anazy reo. 20 Ao ianao hametraky gny fahefanao sasany aminazy, ba hotiany gny fiarahamony gny Israely anazy aby. 21 Handeha eo alohan'i Eleazara mpisoro ba hitalia gny lahaso ho anazy amy fanapahan-kevisin'i Irima izy. Ho amy didiny gny handehananigny olo miboaky vo milisy, dra izy vo gny vahoakan'Israely aby miaraky aminazy, gny fivondrona manotolo.'' 22 Dar nataon'i Mosesy ze nandidian'i Yaveh hataony. Nalany i Josoa dra napetrany eo anoloan'i Eleazara mpisoro vo gny fiaraha-mony manotolo izy. 23 Nametraky gny tagnany taminazy izy dra nandidy anazy ba hitariky, araky zay fa nandidian'i Yaveh ho ataony.