Toko faha 15

1 Dra niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh Ho Izy: 2 '' Miresafa amign'ny vahoakan'i Isarely dre zakao izy reo ho: ' No fa handeha agny amign'ny tany ze honenandrareo iandrareo , dra ze homen'i Yaveh andrareo, 3 Dra hagnoma fanatisy amign'ny afo ho an'i Yaveh iandrareo, na fagnatisy doro na soro mbo hagnatateraha voady na fagnatisy an-sitra-po , na fagnatisy amign'ny fanasandreareo, mbo hamokasy hagnisy ankasitraha ho an'i Yave, laha tagny agnomby na agnondry. 4 Ao hanolosy soro dora ho an'i Yaveh iandrareo sady dra ampahafologn'ny efaha amign'ny lafariny soa lisa voaharoharo amign'ny menaky ampahefany gny hina ho fagnatisy hohany. 5 Ao hanolosy divay ampahefasy gny hina ho fagnatisy ho nomy ho agn'ny zanak'Agnondry kirairaiky avo koa iandrareo, miaraky amign'ny fagnatisy dora, na ho agn'ny soro. 6 No manolosy agnondry lahy ndrareo , dra ao hagnoma lafariny soa lisa ro apahafologn'ny efaha voogaro amign'ny menaky apahatelogn'ny hina ndrareo ho fagnatisy hohany. 7 Gny agny fagnatisy honomy, ao hanolosy divay ampahatelogn'ny hina ndrareo. Hamokasy hagnisy mani-pofo ho an'i Yaveh . 8 No mognoma agnomby ho fagnatisy doro ndrareo na ho soro hanatateraha voady, na ho fanati-piombona amin'i Yaveh, 9 Dra ao honolosy lafary soa lisa apahatelogn'ni efaha voaharoharo amign'ny menaky asasaky gny hina miaraky amign'ny agnomby iandrareo ho fanatisy hohany. 10 Ao hanolosy divay asasky gny hina ndrareo ho fanatisy honomy, manahaky hagnisy vita amign'ny afo, mba hamokasy hagnisy manim-pofo ho an'i Yaveh. 11 Ao ho vita ho agn'agnomby kirairaiky zay fomba zay, hoagn'agnondry lahy kirairaiky , dra ho agn'ny zanak'agnondry lahy kirairaiky na koa osu tanora. 12 Gny soro kirairaiky ze omenindrareo sady atolosy ndrareo dra ao ho vita tahaky gny voafarisy eto. 13 Gny tera-tany Israelita aby dra ao hanao reo raha reo amin'io famba io, no fa misy olo manday soro vita amy gny afo , mbo hamokasy hagnisy ze ankasitrahan'i Yaveh. 14 No misy vahiny mitomboky miaraky amindrareo, na koa zay aby mety hony eo amindrareo mandrisy gny taranaky gny vahoakindrareo, dra ao hanao fagnatisy vita amign'ny afo izy, mba hamokasy hagnisy manim-pofo ho an'i Yaveh. Ao hanao manahaky gny fataondrareo izy. 15 Ao ho lalana mitovy ho agn'ny fiaraha-mony vo ho agn'ny vahiny mitoesy miaraky amindrareo zay, lalana maharisy mandrisy gny taranaky gny vahoakindreo. Tahaky ndrareo , no ao hitoeran'ereo pandeha avo koa eo amindrareo. Ao hanao manahaky gny fanagnandrareo eo anatrehan'i Yaveh izy. 16 Ao ho didy aman-dalana mitovy no ampihary aminandrareo vo amign'ny vahiny zay mitoesy miaraky amindrareo.'' 17 Mbo niresaky tamin'i Mosesy draiky i Yaveh. Ho Izy: 18 ''Miresafa amy vahoak'Israely dra zaakao izy ho: 'Raha avy eo amign'ny tany zay hangalako andrareo, 19 raha mihina gny sakafo vokasy eo amign'ny tany ndrareo, dra ao hanolosay fagnatisy vo haneho zay aminahy ndrareo. 20 Laha tagny volohann-kobandrareo gny sy maisy agnaterandrareo mofo mbo hampiakary zay ho fagnatisy asandrasy laha tagny amy fikororoaha. Ao hanandrasy zay agnabo amy fomba zay iandrareo. 21 Ao hagnome fagnatisy asandrasy ho anahy ndrareo mandrisy gny taranaky gny vahoakinadrareo laha tagny volohan-kobandrareo. 22 Hanota sy nahy iandrareo kindraindraiky, raha sy makato reo didy aby ze fa nizakako tamin'i Mosesy reo iandrareo - 23 gny raha zay fa nandidiako andrareo tamign'ny alalan'i Mosesy hatraminy andro zay nanombohako nagnomeza didy dra mitohy mandrisy reo taranaky gny vahoakindrareo. 24 Amign'ny tranga gny fahota sy nahy amign'ny sy fahalalany fiaraha-mony, dra ao hanolosy vatogn'agnomby lahy raiky gny fiaraha-mony manotolo ho fagnasy doro mbo hamokasy hagnisy manim-pofo ho an'i Yaveh. Miaraky amin'izay dra ho vita gny fagnatisy hohany vo fagnatisy honomy, tahaky nandidiany tamin'ereo didy, dra osy lahy ho fagnatisy noho gny ota. 25 Ao hanao fagnavota ho agn'ny fiara-mony gny vahoaky Israely aby gny pisoro. Ho voavela heloky izy reo satria fahadisoa gny fahota. Fa ninday gny soro izy reo, gny fagnatisy vita tamign'ny afo ho anahy. Fa ninday gny fagnatisy noho gny otany teo anoloako izy reo ho agn'ny fahadisoan'izy reo. 26 Dra ho voavela heloky avo koa gny fiarahamonign'ny vahoak'Israely, vo reo vahiny mitoesy miaraky aminazy reo avo koa, satria nahavita heloky sy nahy avo koa gny vahoky aby. 27 Raha manota sy nahy gny olo raiky , dra ao hanolosy osy vavy tao raiky ho fagnasy noho gny ota izy. 28 Ao hanao fagnavota eo anatrehan'i Yaveh gny pisoro ho agn'ny olo zay nanota sy nahy. Ho voavela heloky zay olo zay raha vita gny fagnavota. 29 Ao hanagna lalana mitovy iandrareo ho any manao raha sy nahy, lalana mitovy ho an'izay tera-tany eo amign'ny vahok'Israely vo ho agn'ny vahiny ze mitoesy ao aminazy reo. 30 Fa gny olo zay manao raha amy fihasia, na tera-tany izy na vahiny , dra mizaka rasy anahy. Ao hi fogniry eo amign'ny vahoakany ze olo zay. 31 Satria fa nanao sinosino gny zakako izy dra nandika gny didiko, dra ao ho fognoro tateraky zay olo zay. Ho aminazy seky gny fahotany.''' 32 Raha mbo tagny an-tany en'efesy gny vahoak'Israely, dra nahita lehahy namory hazo tamign'ny andro sabata izy reo. 33 Reo zay nahita anzy dra nanday anazy tagny amin'i Mosesy, Arona, dra gny fiaraha-mony aby. 34 Notana'izy reo am-poza isy satria mbo sy voazaka zay tokony natao taminazy. 35 Dra nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh ho: '' Ao ho vono vatany gny lelehy. Ao gny fiaraha-mony aby hitorabato anazy agny ambalikiny toby gny fiaraha-mony aby dra nitora-bato anazy ho maty araky zay fa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 37 Mbo niresaky tamin'i Mosesy draiky iYaveh. Ho Izy: 38 '' Miresaha amign'ny taranak'Israely dra mandidia anazy reo mba hanao somitr'aviavy ho agn'ny vatanizy reo hiraviravy laha teo amign'ny moron'akazon'izy reo , mba hampiraviravy anazy reo isaky gny morony amin'ny taly mangamanga. Ao hanao zay izy reo mandrisy gny taranaky gny vakoakany. 39 Ho fampahasiahiva manoka ho andrareo reo gny didiko aby zay, mba hagnatateraky anazy reo ka sy hagnetindrareo manoka gny fo ndrareo vo gny masindrareo ka hivatandrareo vata amin'izy reo. 40 Atovy anizay mbo hahasiarovandrareo vo hakatoavandrareo gny didiko aby, dra mbo ho masy iandrareo , natoka ho anahy, ZAgnaharindreo. 41 Zaho gny Yaveh Zagnaharindreo, zay ninday andrareo niboaky gny tany Egypta, mbo ho lasa Zagnaharindrea. Zaho gny Yaveh Zagnaharindreo.''