Toko faha 12

1 Avy eo Myriama vo Arona nizaka nanohisy an'i Mosesy noho ilay vehivavy Kosita izay napakariny. 2 Hoy izy ireo ho: ''Mosesy avo koa se gny nizakan'i Yaveh? Moa sy nizaka tamisika koa se izy?'' Dra ren'i Yaveh izay nizakan'izy ireo. 3 Dra tena manetri-tegna ilay lelahy Mosesy, be fanetre-tegna noho gny olon'aby eto atany. 4 Teo gny ho eo Yaveh dra nizaka tamin'i Mosesy, Arona, dra Miriama ho: ''Misokaky, hadrareo telo, ho agny amigny tragno-lay fihogna.'' noho izay dra niboaky izy telo. 5 Avy eo Yaveh nizoso tegny amigny andrin-drahona. Nisanga teo amigny fidirana ao amigny lay izy dra nitoka an'i Arona vo Miriama. Samy mandroso izy ro. 6 Hoy Yaveh ho: ''Akehitriny tenoy gny zakako. Gny fa midray amidrareo gny paminaniko, dra hizaka gny vatako amigny fahitana zaho dra hizaka amigny agnaty nofy. 7 Sy manahaky izay Mosesy panopoko. Matoky izy ao amigny tragnoko aby. 8 Mizaka mivata amin'i Mosesy zaho, fa sy amigny fahitana na ankamatasy. Hitany gny neniko. Dra nanaoakory hadrareo gny sy matahosy gny hizaka nanohisyb gny panopoko, manohisy an'i Mosesy?'' 9 Nirehisy tamin'izy ireo gny hatezeran'i Yaveh, dra avy eo izy nagnenga anazy ireo. 10 Niala teo amigny raho, dra Miriama lasa boka tapoky___fosy manahaky gny ora-panala izy. Gny nitoliky tagny amin'i Miriama i Arona, dra hitany fa nisy habokana izy. 11 Hoy Arona tamin'i Mosesy ho: ''Ry tompoko, aza hazonina aminay ity fahotana ity. nizaka adaladala izahay, dra nanota. 12 Ka anga ho manahaky gny zaza vao teraky maty izy izay lany gny asasaky gny nofony raha vao teraky avy ao an-kibon-dreniny.'' 13 Noho izay dra nitoka an'i Yaveh i Mosesy. Hoy izy ho: ''Azafady le ba sitragno izy, ry Zagnahary, azafady.'' 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy ho: ''Gny nadrora tamin'ny tavany gny babany, dra ho afa-baraka madrisy gny fito andro izy. Hilio agny ambaliky toby madrsy gny fito andro izy. Afaran'izay dra andeso mihery atiky draiky izy.'' 15 Dra nihily tagny ambaliky gny toby nadrisy gny fito andro izy. Sy nadeha gny vahoaky madra-piharegnany tao atoby. 16 Tabalik'izaho, dra niala avy tao Hazerota gny vahoaky ary nitody tany an'efitr'i Parana.