Toko faha 10

1 Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy izy: 2 Manova trompetra volafosy ro. Amigny tefy tagna gny hanovanao gny volafosy, Sy maisy mapiasa ireo trompetra hanao hitokava gny fiangona midray vo hitokava gny fiangona hamidra gny tobin'izy ireo. 3 Ireo pisoro dra sy maisy hisioky ireo trompetra ba hitokava gny fiangona aby hitambasy eo alohanao eo amigny fidirana magnao amigny tragno-lay fihogna. 4 Gny trompetra raiky avo gny sofin'ireo pisoro, dra hovory eo aminao ireo pitariky, ireo lahan'ny fokon'Israely. 5 Gny fa misioky famatarana fatrasy hadrareo, dra hanomboky gny lian'izy ireo gny toby agny asignana. 6 Gny fa misioky gny fanera fatrasy fagnidrony hadrareo, dra hanomboky gny lian'izy ireo gny toby agny asimo. Sy maisy misioky fanera fatrasy ho an'ny liany izy ireo. 7 Gny fa mivory midray gny fiangona, dra sofy ireo trompetra, fa sy fatrasy loasy. 8 Ireo zanaky lahin'i Arona, ireo pisoro, gny sy maisy misioky ireo trompetra. Izay dra ho lalana madrakariva ho adrareo hatramigny taranak'ireo vahoakinao. 9 Gny mandeha mialy agny amigny tanidrareo hanohosy gny pifanadrina izay mahaory adrareo hadrareo, dra sy maisy hapagneno fanairana amin'ireo Trompetra. Izaho, Yaveh Zagnaharidrareo, gny hahasiaro adrareo dra hamozy adrareo amin'ireo fahavalodrareo. 10 Dra koa, amin'ireo fotoan'ny fakalazana, dra ireo firavoravoana mahazasy vo amin'ireo fiandohan'ireo volana, dra sy maisy hisioky ireo Trompetra hadrareo ho fakalazana gny fagnatisy dorandrareo vo ireo sorona hafa ho an'ny fagnati-pihavanadrareo. Hatao izay ho fahasiarovandrareo anahy, ilay Zagnaharidrareo. Izaho gny Yaveh Zagnaharidrareo.'' 11 Tamigny taona faharo, tamigny volana faharo, tamigny andro faha ropolon'ny volana, dra niakasy avy eo amigny tabernakelin'ny lalan'ny fagneke gny rahona. 12 Nanohy gny liany niala tagny agnefisy Sinay gny vahoakin'Israely. Nizano teo amigny efisy Parana gny rahona. 13 Nanao gny lian'izy ireo volohany, araky gny didin'i Yaveh izay nameny tamigny alalan'i izy ireo. 14 Gny toby ambanin'ny fagnevan'ny taranak'i Joda gny niboaky , na moaky ireo fialiany avy. Nasona zanaky lahin'i Aminadaba niterak'i gny tafik'i Joda. 15 Netanela zanaky lahin'i Zoara nitariky gny tafiky gny fokon'ny taranak'Israely. 16 Eliaba zanaky lahin'i Helona niteraky gny tafiky gny fokon'ny taranak'i Zebolina. 17 Ireo taranak'i Gersona vo Merary, izay niadraikisy gny tabernakely, dra napizoso gny tabernakely dra niainga tamigny lian'izy ireo. 18 Avy eo, ireo tafiky teo ambanin'ny fagnevan'ny tobin'i Robena dra niainga. Elizora zanaky lahin'i Sedeora nitariky gny tafik'i Robena. 19 Selomiela zanaky lahin'i Zorisaday niteraky gny tafiky gny fokon'ny lahin'i Doela niteraky gny tafiky gny fokon'ny taranak'i Gada. 21 Niainga ireo Kehatita. nitondra gny fitaovana masina tao amigny fitoerana masina. Gny sasany dra nanangana gny tabernakely mialohan'ny nahavian'ny Kehatita teo amigny toby magnaraky. 22 Ireo tafika teo ambanin'ny fagnevan'ny taranak'i Efraima gny niainga nagnaraky. Elisama zanaky lahin'i Amihoda niteraky gny tafik'i Efraima. 23 Gamaliela zanaky lahin'i Pedazora niteraky gny tafiky gny fokon'ny taranak'i Manase. 24 Abidana zanaky lahin'i Gideony niteraky gny tafiky gny fokon'ny taranak'i Benjamina. 25 Ireo tafiky izay nitoby teo ambany fagnevan'ny taranak'i Dona gny niainga farany. Ahiezera zanaky lahin'i Amisaday nitariky gny tafik'i Dana. 26 Pagiela zanaky lahin'i Okrana nitariky gny tafiky gny fokon'ny taranak'i Asera. 27 Ahira zanaky lahin'i Enana nitariky gny tafiky gny fokon'ny taranak'i Naftalia. 28 Tamin'izay fomba izay gny niaingan'ireo tafiky gny vahoakin'Israely tamigny liany. 29 Nizaka tamin'i Hobaba zanaky lahin'i Regoela Midianita i Mosesy. Regoela gny babany valin'i Mosesy. Nizaka tamin'i Hobaba i Mosesy dra nizaka ho: ''Andeha hagnagny amigny toerana izay nifaritin'i Yaveh izahay. Hoy Yaveh: 'Homeko adrareo izay.'' Ndeha hidray aminay dra hanovanay soa hadrareo. Yaveh fa napanatena gny hanao soa gny Israely.'' 30 Fa hoy Hobaba tamin'i Mosesy: ''Sy andeha hidray aminao zaho. Handeha ho agny amigny taniko vo gny oloko zaho.'' 31 Dra namaly Mosesy ho: ''Aoka le ba sy hagnenga anay hanao. Hanao mahalala gny hitobianay agny agnfisy. Tokony hitadrina anay hanao. 32 Gny andeha hidray aminay hanao, dra hataonay aminao araky gny soa izay nataon'i Yaveh taminay. 33 Nandeha niala gny tedrombohis'i Yaveh nadrisy gny telo andro izy ireo. Gny fiaran'ny fagneken'i Yaveh nandeha teo alohan'izy ireo nadrisy gny hateloana ba hitalia toerana hiala sasasy hon'azy ireo. 34 Gny rahon'i Yaveh dra teo agnabon'izy ireo tamigny andro raha nadeha izy ireo. 35 Gny fa miainga gny fiara, dra mizaka Mosesy ho: ''Misangana, ry Yaveh. Ahelezo ireo fahavalonao. Ampandosiro hiala eo aminao izay malaiky anao.'' 36 Gny mizano gny fiara, dra mizaka Mosesy ho: ''Miharegna, ry Yaveh, amigny Israely agnaliny maro.''