Toko faha 7

1 Lozako! Fa honahy zay dra gny ho tapisy gny fiotaza gny tegnakazo, sady koa famoria gny ambi-boaloboky ao aminigny tanimboaloboky: Sy misy sapahom-boaloboky hita sasy, sy nisy tamireo aviavy niali-tao ze niriako fatrasy. 2 Nazavo taminigny tany gny olo mahatoky, sy misy olo-mahisy ao aminigny olombelon'aby. Magnotriky handasa-dio avokoa izy aby; gny sirairay magnety gny rahalahiny aminigny harato avo. 3 Mailaky amigny fanova-drasy gny tanan'izy ireo: Mitaky vola ireo panapaky, vono amigny kolikoly gny pisara, dra mizaka amin'ireo hafa izay tiany ho azo gny lelahy matazaky. Dra manahaky an'izay gny iarahany miteti-drasy. 4 Gny soa indrindra amin'izy ireo dra manahaky gny roy, gny mahisy indrindra dra fefy silo. Izay dra andro fa volazan'ireo pitilinao mialoha, dra gny andro famaizana adrareo. Izao gny fotoan'ny fahaverezan-kevisy izy ireo. 5 Ka matoky piara-belo; aza mametra-pitolisana amigny namana. Tadremo ze zakanao na amigny vehivavy izay mandry eo asadrinao aza. 6 Fa hanirasira gny babany gny zanaky lahy, hisanga hanohisy an-dreniny gny zanaky apela, dra gny vinanto apela hanohisy gny rafozam-baviny. Gny olo ao an-tragnony avo gny fahavalon'ny olo 7 Fa raha izaho avo, dra hagnety an'i Yavehzaho, handigny gny Zagnahariny gny famozena anahy zaho; hiteno anahy gny Zagnahariko. 8 Ka mifaly aminahy, dra fahavaloko. Fa gny lavo zaho, dra hiarina draiky. Raha mitoboky ao amigny mezy zaho, dra Yaveh gny ho fahazavana hon'ahy. 9 Satria nanota tamin'i Yaveh zaho, dra hizaka gny hatezerany mandra-pandahany gny zakako, vo hagnataterahany fisarana hon'ahy. Hinday anahy ho eo amigny fahazavana izy, dra hahita anazy magnavosy anahy ao amigny fahamarinanay zaho. 10 Dra hahita izay ireo fahavaloko, dra gny hegnasy gny hagnaro izay nizaka taminahy ho: ''Eza Yaveh Zagnahario?'' Hagnety anazy gny masoko; ho voahosihosy manahaky gny fataky egny an-dalana izy. 11 Ho avy gny andro hanangana gny mandanao; amin'izay andro izay dra hitarina hatragny lavisy ireo faritaninao. 12 Amin'izay andro izay dra ho avy aminao gny vahoakinao, avy agny Asyria vi ireo tanana agny Egypta, avy agny Egypta dra hatragny amigny reninao lahibe, Eofrata, avy amigny ranomasina, dra avy amigny tedrombohisy dra hatragny amigny tedrombohisy. 13 Ireo tany ireo dra hilaozana noho gny vahoaky izay mitoboky ao ankehitriny, noho gny vokasy gny asan'ny ireo. 14 Ambeno amigny sora-kazonao gny vahoakinao, dra gny agnondry miaraky amigny osy lovanao. Mitoboha raiky agny agnala izy ireo, eo agnevon'ny tanimboly. Aoka izy ireo horaoky agny Basana vo Hileada manahaky gny tamigny ndro izay niboahanao gny tany Egypta, dra haneho fahagagana anazy ireo zaho. 16 Hanita dra ho magnasy gny heriny rehetra ireo firenena. Hitampim-bava izy ireo; hagnery gny sifin'izy ireo. 17 Hilelasy gny botany gny bibilava, manahaky gny zava-boary izay mige amigny tany izy ireo. Hiboaky avy ao an-davany amitahosy eo aminao izy ireo, dra Yaveh Zagnaharinay, dra hatahosy naho hanao. 18 Iza gny Zagnahary manahaky anao, hanao izay mangalaky fahotana, hanao izay mandalo ambonin'ny heloky gny sisa tavela amigny lovanao? Sy mita gny fahatezerana hanao, satria tianao gny maneho gny famidra-ponao aminay. 19 Hangoraky anay draiky hanao; hagnisaky ireo helokay ambany tombokao hanao. Hagnary gny otanay rehetra ao amin'ireo lalin'ny ranomasina hanao. 20 Hagnome gny marina ho an'i Jakoba vo famidra-po ho an'i Abrahama hanao, manahaky gny nianiananao tamin'ireo razambeny tamin'ireo andro fahiny.