Toko faha 4

1 Fa aminigny andro farany dra hiorin'eo amireo tendrombohisy hafa gny tendrombohisy gny tragnon'i Yaveh. Hasandrasy agnabon'ireo havoa zay, dra hitazozosy magnagny amizay reo vahoaky. 2 Handeha reo firenena maeo dra hanao anizahoky ho: "Avia, handeha sika hiakasy agny an-tendrombohis'i Yaveh, agny an-tragnon'Agnaharin'i Jakoba. Hapianasy asika reo fombany Izy, dra handeha amireo lalany sika." Fa boak'ao Ziona gny hiboahanigny lalana, dra boak'ao Jerosalema gny zakan'i Yaveh. 3 Hisara amireo vahoaky maro Izy hanapa-kevisy mahakasiky reo firenena maro lavisy. Hively gny mesan'ereo ho fangaly ereo dra gny lefony ho faneteza. Sy hananga mesa hifamely gny firenena, na hizasy ho aminigny aly sasy. 4 Fa koa, hanoby gny olo sirairay ambaninigny voaloboky vo ambaninigny hazon'aviaviny ereo. Sy hisy olo hapatahosy anereo, fa gny vavan'i Yaveh toponigny maro gny fa nizaka. 5 Fa gny vahoaky aby dra mandeha, gny sirairay, aminigny agnaranigny zagnahariny. Fa isika dra handeha aminigny agnaran'i Yaveh Zagnaharisika mandrakizay doria. 6 "Amizay andro zay" hoy Yaveh dra "Hamory gny malemy vo hamory reo vahoakao Zaho, dra reo ze napahoriako. 7 Hataoko ho sisa tavela gny malemy, dra ho firenena matazaky reo ze voaroaky, dra Izao, Yaveh, gny hazaka amin'ereo ao an-tendrombos'i Ziona, amizao dra ho mandrakizay. 8 Dra hanao, ry tilikambo fiambena gny agnondry aman'osy, havoanigny zanakapelan'i Ziona__dra ho avy aminao zay, hihery gny fanapahanao taloha, dra gny fazaka ze anigny zanakapelan'i Jerosalema. 9 Amizao, nagnino gny mikioky fatrasy hanao? Sy misy pazaka ra eo aminao? Maty ra gny panolosainao? Zay ra gny mahatonga gny fanaitaigna mahazo anao manahaky gny apela eo am-piteraha? 10 Aoky hanaitay dra hihesi-zaza raha hiteraky, ry zanakapelan'i Ziona, manahaky gny apela miteraky. Fa amizao hanao dra hiboaky gny tana, hitoby agny agnahisy, dra handeha agny Babylona. Agny gny hagnavotan'anao.Agny gny hagnavotan'i Yaveh anao eo atagnan'ireo fahavalonao. 11 Amizao movondrogna hanohisy anao reo firenena maro; hoy ereo: 'Aoky ho voaloto izy; aoky gny masosika hifaly amin'i Ziona.'" 12 Hoy gny paminany: '"Sy fatas'ereo gny eriseris'i Yaveh, sady sy manahaky gny fikasany, fa namory anereo manahaky gny amboara ho eo am-pamoloa Izy." 13 Hoy i Yaveh: "Misangana dra miveleza, ry zanakapelan'i Ziona, fa hataoko vy gny tandrokao, dra hataoko varahy gny kitronao. Hanorotoro vahoaky maro hanao. Zaho hanoka reo hareny sy ara-drariny ho anigny vatako, Yaveh, gny fanagnan'ereo honahy, gny toponigny tany manotolo."