Toko 1

1 Zao gny zakan'i Yaveh ze avy tamin'i Mika Morastita taminigny andron'i Jotama, Ahaza, vo Hezekia, reo pazakanigny Joda, gny zaka ze hitany nahakasiky an'i Samaria vo Jerosalema. 2 Mitenoa, hadrareo ry vahoaky. Mitenoa, ry tany, vo izay rehetra eo aminao. Aoka gny tompo Yaveh gny ho vavolombelo hanohisy adrareo, gny tompo avy ao amigny tempoliny masina. 3 Ingo, Yaveh miboaky avy ao amigny fitibihany; hidina izy dra hagnisaky egny amin'ireo fitibiha avon'ny tany. 4 Ireo tedrombohosy hiempo eo amabniny; dra lohasaha hisoniky manahaky gny savoky alohan'ny afo, manahaky gny rano izay arosaky agny amigny hasana. 5 Izay rehetra izay dra noho gny fikomian'i Jakoba, dra noho ireo fahotan'ny taranak'Israely. Ino gny anton'ny fikomoan'i Jakoba? Moa sy i Samaria se? Ino gny anton'ireo avon'i Joda? Moa sy i Jerosalema se? 6 "Hanao an'i Samaria ho korotam-bato egny asaha Zaho, manahaky gny toera fambolem-boaloboky. Hanosiky reo orim-batony ho egny andohasaka Zaho; dra hapiharihary reo fagnambaniny. 7 Ho voatorotoro reo sari-raha voasokiny aby; dra ho ma aby reo fagnomezany. Reo sapiny aby hopotehiko. Akory boak'amireo fagnomeza ho anigny fizangazangany gny namoriany anio, dra taminigny saranigny fivarota-tegna gny hiheregnan'iregny." 8 Noho zay atony zay dra hitaray vo hindradradradra zaho; handeha sy misy kapa zaho dra mifahasy; hindradradradra manakahy gny amboa mola zaho dra handala manahaky gny vorondolo. 9 Fa sy ho sitrany sasy gny feriny, akory boaka Joda agny zay. Fa nahatrasy gny vavahadinigny vahoako zay, dra agny jerosalema. 10 Ka mizaka gny momba zay agny Gata; ka tomagny sasy. Ao Beti-le-afra zaho gny magnosisy botany gny vatako. 11 Mandalova ami-pitazaha vo hegnasy, ry ponin'i Safira. Ka miboaky ry ponin'i Zanana. Aoka Handala i Beti-haezela, akory nala gny ferovan'ereo. 12 Fa mandigny ami-pitaitaigna gny vaovao mahafaly reo ponin'i Marota, akory nilasaky boak'amin'i Yaveh ho ao aminigny vavahadin'i Jerosalema gny loza. 13 Fehezo aminigny ali-sovala malaky fandeha gny kalesy, ry ponin'i Lakisy. Ino, ry Lakisy, gny fiandoha-pahota ho anigny zanakapen'i Ziona, akory hita tagny aminao reo fahalotoan'Israely. 14 Ko dra homenao taratasy fisora i Moresetagata; gny renivohis'i Akziba handiso fanatena reo pazakan'Israely. 15 Hinday pandresy ho agny amindrareo ndraiky Zaho, ry ponin'i Maresa; ho avy agny amin'i Adolama gny famirapiras'Israely. 16 Harato gny lohandrareo dra tapaho gny volondrareo ho an'ireo zanandrareo ze akasitrahandrareo. Solao manahaky gny voromahery gny vatandrareo hatao sesi-tany hiala ao amindrareo.