Toko faha 21

1 Raha nagnato an'i Jeresalema Jesosy vo gny mpianany dra nagnao Betifaga,agny an-dohambohisin'i Oliva,dra nandefa mpianasy ro Jesosy, 2 nizaka tamin'ereo ho:''Mandehana ao amin'izay vohisy magnaraky ao,fa eo no eo andrareo dra hahita boriky mifehy dra zana-boriky raiky miaraky aminazy.hahao ereo dra andeso atiho aminahy. 3 Raha misy mizaka andrareo momba anizay,dra zakao ho:'Misy italiaviny Topo anazy reo,'dra eo no eo zay olo zay dra handefa anazy reo miaraky amindrareo.'' 4 Dra nisy zay ba hahatateraky ze nambara taminigny alalany mpaminany.Ho izy ho: 5 ''Zakao gny zanakapelan'i Ziona ho:'Indro.gny Pazakanao magnato anao,Manolon-vata dra mitikisy boriky zana-boriky lahy.''' 6 Laha teo dra lasa reo mpianasy dra nanao araky ze nandidian'i Jesosy anazy reo. 7 Nandesin'ereo gny ampondra vo gny zana-boriky dra nametraky gny lamban'ereo teo aminazy,dra nipetraky teo aminigny lamba Jesosy. 8 Gny mhamaroany gny vahoaky dra namelasy gny lambany tamy tany ,dra reo hafa nanapaky sampan-kazo dra nagnaparitaky anizay tamy lala. 9 Laha teo reo vahoaky nialuha an'i Jesosy vo reo ze nagnaraky anazy nareviky ho:''Hosana ho agny Zanak'i Davida! Isaora gny avy amy agnarany Topo!Hosana agny amy avo indrindra!'' 10 Gny fa nilisy tao Jerosalema Jesosy,dra nikoraky gny ray tana dra nanao ho:''Iza moa io?'' 11 GNy vahoaky namaly ho:''Izy gny Jesosy mpaminany laha tagny Nazareta agny Galilia.'' 12 Laha teo nilisy tao ampengana Jesosy. Niroahiny avo koa reo pivily vo pivarosy tao ampengona,dra navaliny gny latabasin'ereo mpanakalo vola vo gny fipetrahan'ereo pivarosy voromalala. 13 Ho Izy tamin'ereo ho:''Fa voasorasy ho:'Gny tragnoko dra natao tragno fivavaha,'kanefa ataondrareo zohy fierenigny malaso.'' 14 Nony laha teo dra nisy poaky vo mandringa nagnato Anazy tao ampengona,dra nisitraniny ereo. 15 Fa noho nahita gny raha-mahalasa nataony gny lahibeny mpisoro vo gny mpanora-dalana,dra gny fa ren'ereo gny mota maliniky nikoraky tao apengona ho:''Hosana ho agny zanak'i Davida,''dra ory fatrasy ereo. 16 Ho izy reo taminazy ho:''Rendrareo se zalan'ereo olo reo?''Namaly anazy reo Jesosy ho:''Eka! Fa sy bo nivakindrareo mihisy seky gny ho:'Laha tamy vavanigny mota maliniky vo gny zaza minono gny nandavorariandrareo gny fodera?'' 17 Laha teo niriosy anazy reo Jesosy dra nandeha tagny amy tanan'i Betania dra nitoesy tao hatra amy hariva. 18 Dra nony maray raha nihery tagny an-tana Izy,dra resy. 19 Nahita azon'aviavy tegny amoron-dala,dra nagnato tegny Izy dra sy nahita dre ino dre ino teo afa-sy gny raviny.Ho Izy taminazy ho:''Ao sy hisy tegnany sasy laha taminao mandrakizay,''dra niaraky tamin'izay dra maiky gny raviny. 20 Gny fa nahita anizay reo pianasy ,dra gaga ereo dra nizaka ho:''Nanao akory gny dra havy maiky itiho aviavy itiho?'' 21 Namaly Jesosy dra nizaka anazy ho:''Zakao mary amindrareo,raha manam-pinoa vo sy misy fisalasala andrareo,dra sy ze natao tamin'io aviavy io avo gny hataondrareo,fa dre dra hizaka amin'itho vohisy itiho ho:'Mionga dra ho lavo agny an-dranomasy',dra ho atao anizay. 22 Dre ino dre ino angatahindrareo am-bavaky,am-pinoa,dra ho azondrareo.'' 23 Raha nilisy tao apengona Jesosy,dra nagnato Anazy gny lahibeny gny mpisoro vo gny zokiolo raha nampianasy Izy dra nizaka ho:''Fahefa laha teza moa gny anovanao raha reo,dra iza gny nagnome anao anizay fahefa zay?'' 24 Namaly Jesosy dra nizaka tamin'ereo ho:''Hametrahako fagnontania raiky avo koa andrareo.Raha zakandrareo aminahy,dra ho zakako amindrareo gny fahefa anovako anio raha io. 25 Gny batisan'i Jaona -laha teza gny niaviany?Laha tagny an-dagnisy sa laha tamy olombelo?''Nialy hevisy ereo ,nanao ho:''Raha mizaka isika ho,'Laha tagny an-dagnisy,'Izy hizaka amisika ho:'Fa nanao akory andrareo gny sy nino anazy?' 26 Fa raha mizaka isika ho:'Laha tamy olombelo',matohosy gny vahoaky isika,satria izy iaby dra mihevisy an'i Jaona tahaky gny paminany''. Dra namaly an'i Jesosy ereo dra nizaka ho:''Sy fatanay.'' 27 Dra ho Izy avo koa tamin'ereo ho:''Izaho avo koa dra sy hizaka amindrareo ho laha teza gny fahefa anovako anio raha io. 28 Fa nanao akory gny hevisindrareo? Nisy lelahy raiky nana zanadahy ro.Nandeha nagnagny aminigny volohany izy dra nanao ho:'Anaky,mandehana miasa agny amy tanim-boloboky androany.' 29 Gny zanadahiny namaly anazy ho:''Sy ho agny zaho,''fa laha teo dra nagnagny aminigny faharo izy dra nizaka tahaky anizay avo koa. Namaly izy dra nizaka ho:''Ho agny zaho,topoko,'nefa sy nagnagny izy. 31 Iza tamin'ereo zanany ro reo gny nanao gny sitrapony rany?''Dra ho izy reo ho:''Gny volohany.''Jesosy nizaka anazy reo ho:''Zakako mary amindrareo,reo pamory hetra vo reo pivaro-tegna dra hilisy gny Fazakan'Agnahary alohandrareo. 32 Fa Jaona nagnatao andrareo tamy fahamarigna,fa sy nino anay andrareo.Fa reo mpamory hetra vo pivaro-tegna nino anazy.Fa andrareo, dre dra nahita anizay avo,dra sy nibebaky vo sy nino anazy. 33 Tenoy itiho fagnohara raiky hafa itiho.Nisy lelahy raiky,topo tany. Nanao tanim-bploboky izy,nifefeny zay,nandavahany famiazana tao agnatiny,nananganany fiangona,dra napanofany tamin'ereo pamboly voloboky.Laha teo dra nagnagny amy tana hafa izy. 34 Raha nagneky gny taom-pahamokara,dra nagniraky gn'ilany tamin'ereo panopo izy ho agny amin'ireo pamboly voloboky hangalaky gny vokasy. 35 Fa nisamborin'ereo pamboly voloboky reo panopony,nizerany gny raiky,nivonony gny hafa,dra bo nitorahiny gny hafa vato. 36 Dra bo, nandefa panopony hafa draiky gny topon-tany,maro noho gny tamy volohany,fa nataon'ereo manahaky anizay avo koa. 37 Tafaran'izay,dra nagniraky gny zanany lahitoka tagny amin'ireo gny topon-tany,nizaka ho:''Hagnaza gny zanako ereo.' 38 Gny fa nahita gny zanadahiny reo pamboly voloboky,dra nifampiresaky ereo ho:'Itiho gny mpandova.Andeha, ho vonosika izy dra ho alasika gny lova.' 39 Noho zay dra nisamborin'ereo izy,natorany tao agnatinigny tanim-boloboky dra novonony. 40 GNy fa avy gny topo gny tanim-boloboky,ino gny ho ataony amin'ereo pamboly voloboky?''. 41 Ho izy reo taminazy ho:''Ho ringaniny amin'izay fomba fatrasy indrindra reo olon-doza,dra laha teo hapagnofany amin'ereo pamboly voloboky hafa gny tanim-boloboky, olo hagnome anazy gny azarany voliny amy fotoam-pamokara.'' 42 Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Sy bo namaky gny Sorasy Masy draiky seky andrareo ho :'Gny vato nihalany mpagnori-tragno gny natao vato fehizoro.Laha tamy Topo zay,dra mahatalazo eo amasosika'? 43 Noho zay zakako amindrareo,alao amindrareo gny fazakan'Agnahary dra hatolosy gny firenena ze mamokasy reo tegnagny. 44 Dre iza dre iza lavon'io vato io dra ho torotoro.Fa zay hilavoany koa dra ho rava.'' 45 Gny fa nahare gny fagnohara reo gny lahibeny pisoro vo reo Fariseo dra azon'ereo fa mahakasiky anazy reo gny resahiny. 46 Nilasa gny hanambosy Anazy,saiky natahosy gny vahoaky ereo,satria nataony olo ho paminany Izy.