Toko faha 17

1 Herign'andro taafarany Jesosy dra nangalaky an'i Petera,Jakoba,vo Jaona rahalahiny niaraky taminazy,dra ninday anazy reo niakasy gny vohisy abo tamy vatan'ereo. 2 Niova endriky teo aloan'ereo Izy.Namirasy manahaky gny mahasoandro gny tarehiny,dra gny akazony lasa namirasy manahaky gny hazava. 3 Indro,niseho tamin'ereo Mosesy vo Elia niresaky taminazy. 4 Namaly Petera dra nanao tamin'i Jesosy ho:''Topo,soa amisika gny eto.Raha sitrakao,dra hanao fialofa telo ho asika eto zaho-raiky ho anao,raiky ho an'i Mosesy,dra raiky ho an'i Elia.'' 5 Raha bo nizaka Izy,indro,nisy raho mazava nanaro anazy reo,dra indro,nisy feo niboaky laha tao amy raho,nanao ho:''Itoho gny Zanako malalako,ze sitrako tokoa.Tenoy Izy.'' 6 Gny fa ren'ereo mpianasy zay,dra lavo ereo dra natahosy fatrasy. 7 Laha teo tamy Jesosy dra nihazy anazy reo dra nizaka ho:''Misangana dra ka matahosy.'' 8 Laha teo dra nagnety agn'abo ereo fa sy nahita dre iza dre iza afa-sy Jesosy raiky avo. 9 Raha nizoso gny vohisy ereo, dra nandisy anazy reo Jesosy,nanao ho:''Ka mitatisy anizao fahitana anizao dre amin'iza dre iza mandra-pisanganigny Zanak'olo amy maty.'' 10 Nagnotany anazy reo mpianany,nanao ho:''Nanao akory dra reo mpanora-dalana gny mizaka fa Elia dra sy maisy ho avy aloha?'' 11 Jesosy namaly dra nizaka ho:''Elia dra ho avy vatany dra hagnery amy loniny gny raha iaby. 12 Nefa zakako amindrareo,fa avy Elia,fa ereo sy nahafatasy anazy.Mifanohisy amin'izay,nanao gny raha ze tiany natao taminazy aby ereo.Dra manahaky anizay avo koa,gny Zanak'olo avo koa dra hijaly eo an-tagnan'ereo. 13 Laha teo dra azon'ereo mpianasy fa nizaka tamin'ereo gny momba an'i Jaona mpanao Batisa Izy. 14 Gny fa avy teo amy vahoaky ereo,dra nisy lelahy raiky nagnato Anazy,nandohaliky teo aloany,dra nizaka ho, 15 ''Topo,mana famindram-po amy zanadahiko ,fa voanigny androbe izy dra mijaly fatrasy.Fa lavo matetiky agny agnaty afo na rano izy. 16 Ninday anazy teo amin'ireo mpianasinao zaho,fa sy afaky nagnasitra anazy ereo.'' 17 Namaly Jesosy dra nizaka ho:''Ry taranaky sy mpino vo simba toesy,mandraky ombia gny tokony hipetrarako miaraky amindrareo? Mandraky ombia gny sy maisy izakako miaraky amindrareo? Andeso eta aminahy izy.'' 18 Nizaka fatrasy gny devoly Jesosy,dra niboaky taminazy zay dra sitany tamin'izay lera zay gny zazalahy. 19 Dra nagnato an'i Jesosy mangingiky reo mpianany dra nanao ho:''Magnino gny sy nahavita namoaky agn'iny zahay?'' 20 Jesosy nizaka anazy reo ho:''Nohonigny finoa masaikinao.Fa zakako mary amindrareo,draha mana finoa dre masaiky manahaky gny tegnasinapy avo andrareo,dra afaky mizaka amin'itiho vohisy itiho andrareo ho:'Mifindra erahoky na erihoky ,dra hifindra zay dra sy hisy dre ino dre ino sy ho haindrareo atao. 21 [ Fagnamariha: Gny dika-zaka taloha soa indrindra dra sy ahita gny ho fa itiho karaza devoly itiho dra sy miboaky raha sy miaraky amy vavaky vo fifalian-kany.''] 22 Raha nipetraky tagny Galilia ereo,dra hpy Jesosy tamin'ereo ho:''Gny Zanak'olo dra hatolosy eo an-tagnan'olo, 23 dra ereo hamono Anazy,dra gny andro fahatelo dra hasanga Izy.''Lasa nalahelo tateraky reo mpianasy. 24 Gny fa avy tagny Kaperinomy ereo,dra nagneo amin'i Petera gny lelahy ze namory gny hetra asasaky gny sekely dra nizaka ho:''Sy mandoa gny hetra asasaky gny sekely se gny mpampianasindrareo?'' 25 Ho izy ho:''Eka .''Fa gny nilisy tao an-tragno Petera,dra Jesosy aloha gny nirezaky taminazy dra nanao ho:''Ino gny eriserisinao,ry Simona?Reo pzaka eta an-tany,aby amin'iza gny andraisan'ereo hetra dre hitran'olo? Laha tamin'ereo vahoakany se sa laha tamin'ereo vahiny?'' 26 Gny fa nizaka Petera ho:''Laha tamin'ereo vahiny,''Dra hoy Jesosy taminazy ho:''Dra afaky amy fandoava anizay reo vahoaky. 27 Fa ba sy hampanota asika gny mpamory hetra,dra mandehana agny amy ranomasy,manoraha fita ao,dra alao gny fia ze miakasy volohany.Gny fa voasokasinao gny vavany,dra hahita sekely anao.Alao zay dra omeo reo pamory hetra ho Anahy vo ho anao.''