Toko faha 24

1 Dra naperahin'i Josoa tao Sekema reo fokon'Israely aby dra niaso reo loholo tao Israely, reo pitariky anereo, reo pisara, vo gny mana-pahefan'ereo, dra napiseho gny vatan'ereo teo agnatrehan'Agnahary. 2 Hoy i Josoa taminigny olon'aby ho: "Zao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely: 'Taloha be agny reo razambendrareo dra nitoby tagny andafinigny reniranon'i Eofrata___Tera, gny ran'i Abrahama vo gny ran'i Nahora__dra nanopo reo zagnahary hafa ereo. 3 Fa nalako tagny andafin'i Efraita gny randrareo dra nandesiko tagny aminigny tany Kanana dra nameko taranaky maro taminigny alalan'i Israely izy. Dra nameko ho fanagnan'i Esao gny tany havoa an'i Seira, fa i Jakoba vo reo zanany dra nizoso tagny Egypta. 5 Nandefa an'i Mosesy vo i Arona zaho, dra namely reo Egyptiana taminigny areti-mandringa. Taorian'izay, dra nandesiko niboaky agn'i Egypta reo razambendrareo, dra avy tegny andranomasy handrareo. Nezehy handrareo tamireo Kalesy vo pitikisy sovala hatragny aminigny ranomasy mena reo Egyptiana. 7 Gny fa nitoka fatrasy an'i Yaveh reo razambendrareo, dra nasiany ezy teo agnelagnelandrareo vo reo Egyptianina. Nandesiny teo amin'ereo gny ranomasy dra nandrakosy anereo. Handrareo nahita gny nataoko tagny Egypta. Boak'eo handrareo dra nitoby tagny agnefisy nandrisy gny fotoa naharisy. 8 Nandesiko tagny aminigny tanin'i Amorita handrareo, ze nitoby tegny apitan'i Jordana. Nialy tamindrareo ereo, dra natoloso teo apelatagnandrareo. Nalandrareo ho fanagnandrareo gny tanin'ereo, dra nipotehiko teo agnatrehandrereo ereo. 9 Dra nisanga i Balaka zanak'i Zipora, pazakan'i Moaba, dra nanafiky an'Israely. Nandefa vo nitoka an'i Balama zanak'i Beora, ba hagnozon'andrareo. 10 Fa sy niteno an'i Balama zaho. Nitahy andrareo vatany izy. Ko dra namozy andrareo tagny atagnany zaho. 11 Nisaky an'i Jordana handrareo dra avy tao Jeriko. Reo pitariky an'i Jeriko dra nialy tamindrareo, nindray tamireo Amorita, reo Kananita, reo Hetita, Girgasita, reo Hevita, dra reo Jebosita. Nameko fandrese handrareo dra nanoby anereo ambaninigny fifehezandrareo zaho. 12 Nandefasako fangaraky handareo, ze napenga anereo vo reo pazakan'i Amorita ro teo agnatrehandrareo. Zay dra sy nitranga taminigny alalanigny mesandrareo na gny sipikindrareo. 13 Nameko tany izay bo sy nasa vo tanana izay bo sy nagnoregnana hadrareo, dra ankehitriny handrareo dra mitoboky agny amin'ireo. Mihinana gny voakazan'ny tani-voaloboky vo gny sahan'oliva izay sy namboledrareo handrareo. 14 Amizao matahora an'i Yaveh dra midera Anazy amim-pahisia vo amy fahamarigny; foagno reo zagnahary ze nitoponireo razambendrareo tagny an-dafinigny Eofrata vo tao Egypta, dra manopoa an'i Yaveh. 15 Raha hitanao fa rasy gny midera an'i Yaveh, dra filio amizao ze ho topoinao, na reo zagnahary ze nitopon'ireo razambendrareo tagny an-dafin'i Eofrata, dre reo zagnaharin'ireo Amorita, zetoponigny tany hipetrahandrereo. Fa zaho vo gny akohonako koa, dra hanopo an'i Yaveh zahay." 16 Namaly reo vahoaky dra nizaka ho: "Sy hamoy an'i Yaveh mihisy zahay ba hanopo zagnahary hafa, 17 akory Yaveh Zagnaharinay gny ninday anay vo reo razambenay hiboaky gny tany Egypta, Hiboaky gny tragno fagnandevoza, vo ze nanao reo famatara lalibe teo imasonao, dra ze niaro anay tagny aminigny lalan'aby nalehanay, dra tamireo firenena aby ze nandalovanay. 18 Dra i Yaveh ninday reo olo nialoha lalan'anay, ao agnatinizay reo Amorita ze nony tao aminigny tany. Noho zay zahay koa dra hanopo an'i Yaveh, akory Izy gny Zagnaharinay." 19 Fa hoy i Josoa tamireo vahoaky ho: "Sy mahazo manopo an'i Yaveh handrareo, akory izy dra Zagnahary masy; Izy dra Zagnahary saropiaro; Izy dra sy hamely reo fandika vo reo fahotandrareo. 20 Raha mahafo an'i Yaveh handrareo dra manopo reo zagnahary piavy, dra hihery Izy dra hapahory andrareo. Hanafongan'andrareo Izy, gny fa avy nanao soa tamindrareo." 21 Fa hoy gny olo tamin'i Josoa ho: "Aha, hanopo an'i Yaveh zahay." 22 Dra hoy i Josoa tamireo vahoaky ho: "Handrareo dra vavolombelonigny vatandrareo fa nifily an'i Yaveh, ba ho topoy." Hoy ereo ho: "Vavolombelo zahay." 23 Amizao dra alao reo zagnahary hafa ze mindray amindrareo, dra hatolio amin'i Yaveh Zagnaharin'i Israely gny fondrareo." 24 Hoy reo vahoaky tamin'i Josoa: "Hanopo an'i Yaveh Zagnaharinay zahay. Hiteno gny zakany zahay." 25 Nanao fifagneke taminigny vahoaky i Josoa tamin'io andro io. Nanoby didy aman-dalana tao Sekema izy. 26 Nisoratin'i Josoa tao aminigny bokinigny lalan'Agnahary reo zaka reo. Nangaky vato lahibe izy dra natobiny teo ambanigny hazo terebita ze teo agnilanigny toera masin'i Yaveh. 27 Hoy i Josoa taminigny vahoak'aby ho: "Ingo, ty vato tihoky gny vavolombelo manohisy asika. Niteno reo zaka nizakan'i Yaveh tamisika izy. Dra ho vavolombelo amindrareo io, raha toaka manda gny zagnaharindrareo handrareo." 28 Dra nalefan'i Josoa sirairay boak'agny aminigny lovany reo vahoaky. 29 Tafaran'izay raha zay i Josoa zanak'i Nona, panopon'i Yaveh, dra maty taminigny faha 110 taony. 30 Nalevin'ereo tagny aminigny faritany ze nilovany izy, tagny Timnata-sera, ze tagny aminigny tany havoan'i Efraima, avarasy gny tendrombohis'i Gasa. 31 Nanopo an'i Yaveh i Israely nandrisy gny andrro-piaignan'i Josoa, vo taminigny andron'ireo loholo ze niay nihoasy an'i Josoa, reo ze niay gny raha aby ze nataon'i Yaveh ho an'Israely. 32 Nandesinigny vahoakin'Israely niboaky aagn'i Egypta gny taolam-balon'i Josefa dra nangan'ereo tagny Sekema reo, ao aminigny apaha-tany ze nivilian'i Jakoba tamireo zanadahin'i Hamora, ran'i Sekema. Nivily anizay taminigny volafosy zato singa izy, dra nazary lova ho an'ireo taranak'i Josefa. 33 Maty avo koa i Eleazara zanadahin'i Arona. nalevin'ereo tagny Gibeha, renivohis'i Finehasa zanadahiny, ze fa namen'anazy. Zay dra tegny aminigny tany havoan'i Efraima.