Toko faha 23

1 Gny fa afaky andro maromaro, gny fa nagnome fasahara ho anigny Israely boak'ao amireo fahavalony aby ze nagnodidin'anereo i Yaveh, dra atisy vo nandroso tao Josoa__reo loholony, reo pitariny, reo pisarany, vo reo manam-boninahiny,__dra nizaka tamin'ereo ho: "Tena atisy zaho. 3 Fa hitandrareo gny raha ze nataon'i Yaveh zagnaharindrareo tamireo firenena aby noho handrareo, fa Yaveh Zagnaharindrareo gny nialy hoandrareo. 4 Ingo! Fa nitendreko reo firenena ze bo ho rese ho lovan 'ireo fokondrareo, mindray amireo firenena aby fa naringako, nanomboky tao Jordana dra hatragny aminigny Ranomasy lahibe agny andrefa. 5 Handroaky anereo hiala amindrareo Izy. Halako gny tanin'ereo, dra hangalaky gny tanin'ereo ho fanagnandrareo handrareo, arakize napanatenan'i Yaveh Zagnaharindrareo handrareo. 6 Dra matazaha, mba hitandremadrareo vo hanovadrareo gny aby ze voasorasy ao amigny bokin'ny lalan'i mosesy, sy hiala amizahoky marina avo miakavana vo miakavia, 7 Mba sy hifangaroadrareo amin'ereo firene ze mizano ho amidrareo dra fanagno ereo agnarany zagnaharin'ize ereo, mianiana amin,ize ereo nanompo ize ereo, dra miakohoky amin'izay ereo. 8 Fa fosa, mipitiky amin'i Yaveh zagnaharidrareo adrareo manahaky ze fa nataodrareo mandraka androany. 9 Fa Yaveh nandroaky teo anoloadrareo ereo firene lahibe,matazaky. Fa ho adrareo, sy misy afaky misanga eo anoloadrareo madraky androany. 10 Gny lelahy toka amigny isadrareo dra hahaavy gny arivo hilomay, satria Yaveh zagnaharindrareo, dra ilay mialy ho adra- reo manahaky gny tapanatena adrareo. 11 Mitadrema soa, mba hitiavadrareo an'i Yaveh zagnahary. 12 Nefa raha mihery vo mipitiky amin'ereo ze tavela volan'ereo firene ze mizano eo amindrareo andrareo,dre raha mifanambaly amin'ize ereo, dre raha miaraky amin'ize ereo adrareo vo ereo miaraky amidrareo, 13 Dra fataro vatany fa Yaveh zagnaharidrareo sy hadroay ereo firene ereo hiala amidrareo sasy. Fa kosa, ho lasa fadrika vo lavo ho adrareo ze ereo, karavasy ao an-damasinareo dra fasiky eo amigny masodrareo, madrapafatiadrareo eto amin'ity tany soa ze nomen'i Yaveh vagnaharidrareo adrareo ity. 14 amizao dra handeha aminigny lalanigny tany aby zaho, dra fatandrare aminigny fondrareo vo gny fagnahindrareo manotolo fa sy misy zaka raiky sy ho tateraky tamin'ireo raha soan'aby ze napanatenan'i Yaveh Zagnaharindrareo handrareo. Reo raha aby reo dra fa hoavy hondrareo. Sy misy raiky amin'ereo ho lasaky. 15 fa manahaky gny zaka aby napanatenan'i Yaveh Zagnaharindrareo handrareo dra tateraky, dra handay andrareo reo raha rasy aby i Yaveh mandrapandringanany andrareo sy ho eto amity tany soa ze namen'i Yaveh Zagnaharindrareo handrareo ty. 16 Hataony zay raha mandika gny fagneken'i Yaveh Zagnaharindrareo, ze nandidiany andrareo ba hotandrema handrareo. Raha mandeha vo manopo reo zagnahary hafa dra mekohoky amizay handrareo, dra hirehisy amindrareo gny haorian'i Yaveh, dra ho maty malaky sy ho eo aminigny tany soa ze nameny andrareo gnandrareo.