Toko faha 22

1 Tamizay fotoa zay Josoa dra nitokan'ireo Robenita, Gadit, dra gny asasa-pokon'i Manase. 2 HOy izy tamin'ereo ho: "Fa taterandrareo avokoa ze nandidian'i Mosesy panopon'i Yaveh andrareo. Nakato gny feoko handrareo tamizay nandidiako andrareo aby. 3 Sy nagnenga gny rahalahindrareo handrareo nandrisy ze andro maro zay, mandrak'androany, dra taterandrareo reo andrekisy ze nitaketaminigny alalanigny didin'i Yaveh Zagnaharindrareo. 4 Amizao namen'i Yaveh Zagnaharindrareo fisahara reo rahalahinao, araky ze napanatenany anereo. Noho izay miheregna vo mandehana agny aminigny laindrareo agny aminigny tany anagnandrareo, ze namen'i Mosesy gny panopon'i Yaveh andrareo agny apitan'i Jordana. 5 Fa tandremo soa ba ho voatandry reo didy vo lalana ze nandidian'i Mosesy panopon'i Yaveh andrareo, dra gny hitiavan'an'i Yaveh Zagnaharindrareo, gny handehana aminigny lalany aby, gny hitandrema gny didiny, dra gny hifikiran'aminazy vo gny hanopoan'anazyaminigny fondrareo manotolo vo gny fagnahindrareo manotolo." 6 Dra niso-drano vo napoly anereo i Josoa, dra nihery tagny aminigny liiny ereo. 7 Dra gny asasa-pokon'i Manase dra fa namen'i Mosesy lova tagny Basana, fa gny asasany hafa koa namen'i Josoa lova tagny agnilan'ireo rahalahiny tagny aminigny tany andrefanigny Jordana. Josoa naherinereo tagny aminigny lainy; niso-drano anereo izy 8 dra nizaka tamin'ereo ho: "Miheregna agny aminigny lindrareo mindray aminigny vola be, vo gny biby teza maro, vo volafosy ,volamena, vo varahy vo vy, dra fitafia maro. Zarao amireo rahalahindrareo ny babo tamireo fahavalondrareo." 9 Dra gny taranak'i Robena, gny taranak'i Gada, dra gny asasa-pokon'i Manase nihery noly, nagnenga gny vahoakin'Israely tao Silo, ze tagny aminigny Kanana. Niainga ho agny aminigny faritanin'i Gileada, agny aminigny tanin'ereo, ze fanagnany, taminigny fakatoava gny didin'i Yaveh, taminigny alalanigny tanan'i Mosesy ereo. 10 Gny fa avy tao Jordana ze tao aminigny tany Kanana ereo, gny Robenita vo gny Gadita vo gny asasa-pokon'i Manase dra nagnory alitara nagnariny any Jordana, alitara tena lahibe vo nalaza. 11 Gny vahoakin'Israely nahare anizay dra nanao anizahoky ho: "Ingo! gny vahoakin'dRobena, Gada, dra gny asasa-pokon'i Manase nagnory alitara teo anoloanigny rany Kanana, agny Gelilota, agny aminigny farisy agnilan'i Jordana, aminigny ilany ze anigny vahoakin'Israely." 12 Gny nahare izany ny vahoakan'Israely, dra niara-niangona tao Silo ny fiangonan'ny vahoakan'Israely manontolo mba hiakatra hamoro ady hanoerana ereo. 13 Dra gny vahoakin'Israely nandefa pinday hafasy ho agny aminigny Robenita, dra gny asasa-pokonigny, agny aminigny tany Gileada. Nandefa an'i Fineasy zanadahin'i Eleeazara avo koa ereo, gny pisoro, 14 dra pitariky folo nindray tamininazy, isaky raiky gny razambe-pianakavian'Israely, dra ereo sirairay aby dra fa lohanigny fianakavia tao aminigny vahoakin'Israely. 15 Avy tagny aminigny vahoakin'i Ro bena, Gada, dra gny asasa-pokon'i Manase, tagny aminigny taniny Gileada ereo, dra hoy ereo taminazy: 16 "Zao gny zakanigny fengonan'i Yaveh manotolo: 'Ino zao fivaliha-pitokisa nataondrareo tamin'Agnaharin'Israely zao, niala taminigny fagnarahan'an'i Yaveh hadrareo amizao aminigny alalanigny fagnoregnandrareo alitara tami-pikomia tamin'i Yaveh tamity andro ty? Sy apy asika ra gny fahotasika tao Peora? Ze bo sy nahaliovasika gny vatasika tamizay akory. Dra izay fahota zay gny napisy areti- mandringa tao aminigny fengonan'i Yaveh. 18 Sy maisy hiala aminigny fagnaraha an'i Yaveh avo koa ra handrareo amity andro androany ty? Raha mikomy amin'i Yaveh avo koa handrareo androany, dra ho ory aminigny fengonan'Israely manotolo Izy maraindray . 19 Raha voaloto gny tany ze anagnandrareo, dra tokony hisaky aminigny tany ze misy gny tabernakelin'i Yaveh handrareo dra mangalaky fanagnany ho andrareo ao aminay. Ka mikomy amin'Yaveh avo, na mikomy aminay aminigny Fagnoregna alitara hafa hoanereo akoasigny alitaran'i Yaveh Zagnaharisika. 20 Moa ra angala zanadahin'i Zera sy fa nadrava finoa taminy raha ze fa votoka ho an-Agnahary? Moa ra sy nindray taminigny vahoakin'Israely aby gny fahoria? Dra sy io lelah'io raiky gny maty noho gny helony.'" 21 Dra gny fokon'i Robena, Gada, dra ireo asasa-pokon'i Manase namaly ireo loha-pianakavian'Israely ho: 22 ''Ilay sitoha, Zagnahary, Yaveh! ___izy mahalala, dra gny Israely aoka hahalala! raha tami-pikomiana gny tamin'ny fivadia- pitokisa na tamin'i Yaveh izay, dra ka hamidra fo izahay am'itiky andro tiky 23 Gny amigny nagnoregnanay alitara ba hialanay amigny fagnarahana an'i Yaveh. Gny nagnory gny alitara ba hahafahana manolosy fagnatisy dorana, fagnatisy hohany, na fagnati-pihavanana izahay, dra aoka Yaveh hapagnefa anay gny amin'izay. 24 Aha! Tahosy gny nanovanay anizao akory tamizay dra mety hagnotany gny zanakay gny zanandrareo ho: 'Moa mofagnino amin'i Yaveh handrareo, gny Zagnaharin'Israely? 25 Fa Yaveh fa nanao an'i Jordana ho farisy magnelagnelan'asika vo hanao. Handrareo ry vahoakin'i Robena vo vahoakin'i Gada, sy hanao na ino na ino amin'i Yaveh handrareo.' Noho zay gny zanandrareo dra mety hapisahasy gny zanakay aminigny fanopoa an'i Yaveh. 26 Dra hoy zahay ho: 'Mamela anay hananga alitara amizao, sy ho anigny fagnatisy oroa na soro, 27 fa ba ho vavolombelon'eo aminay vo handrareo, dra reo eo aminigny taranaky fara-mandimbisika, fa hagnatateraky gny fanopoa an'i Yaveh alohany sika, aminigny alalanigny fagnatisy oroa, vo soro dra fagnati-pihavana ataosika, dra sy hizakanigny zanadrareo aminigny zanaky rahatrizay ho: "Sy manan'azara ao amin'i Yaveh handrareo.'" 28 Dra hoy zahay ho: 'Raha tahiny dra zakan'aminay dre amireo taranakay rahatrizay zay, dra hataonay ho: "Ingo! tihoky gny dika mitovy aminigny alitaran'i Yaveh, ze namboaranigny razambenay, sy ho anigny fagnatisy oroa, na soro, fa ho vavolombelo teo aminay vo handrareo." 29 Sagnatriavinay anie gny hikomy amin'i Yaveh, vo hiala aminigny fagnaraha anazy androany aminigny alalanigny fagnoregna alitara ho anigny fagnatisy oroa, gny fagnatisy hohany, na soro, hafa akoasy gny alitaran'i Yaveh zagnaharisika zay eo agnoloanigny tabernakeliny."' 30 Gny fa ren'i Faneasa gny pisoro vo reo pitariky gny vahoaky, ze, loha-pianakavianigny Israely nindray taminazy, dra nahare reo zaka nizakanigny vahoakinigny Robena, Gada dra i Manase, dra soa tamin'ereo zay. 31 Dra hoy Feneasy zanadahin'i Eleazara gny pisoro taminigny vahoakinigny Robena, Gada, dra i manase ho: "Fatasay amizay fa eto amisika i Yaveh, akory hanao sy nanao anizay fivadiha-pagneke zay taminazy.Amizao hanao nagnavosy gny vahoakin'Israely taminigny tanin'i Yaveh hanao." 32 Dra Fineasa Zanak'i Eleazara psoro,vo reo pitariky nihery Boak'agny amireo Robenita vo reo Gadita, tao aminigny tanin'i Gileada ho agny aminigny tany Kanana, ho agny aminigny vahoakin'Israely, dra ninday valy zaka tamin'ereo. 33 Nandesy taminigny vahoakiny Israely gny tatis'ereo. Nisaotra an'Agnahary gny vahoakin'Israely dra sy nizaka gny hialy aminigny Robenita vo gny Gadita sasy, ba hamoteha gny tagny ze nitobian'ereo. 34 "Vavolombelo" gny nataonigny Robenita vo gny Gatita agnaranigny alitara, akory hoy ereo ho: "Io gny Vavolombelo eo aminay fa Yaveh gny Zagnahary."