Toko faha 21

1 Dra ireo lohany tamin'ny fokon'ireo Levita nagnato an'i Eleazara pisoro, an'i Josoa zanak'i Nona, vo ireo pitariky ireo fianakavian'ny razamben'izy ireo teo amigny vahoakin'Israely. 2 Tao Silo tagny amigny tany Kanana dra hoy izy ireo tamin'izy ireo ho: ''Nadidy andrareo tamin'ny tanan'i Mosesy i Yaveh ba hagnome anay tanana honenana, midray amin'ny tanim-bilona ho an'ireo biby fiopinay.'' 3 Nohon'ny baikon'i Yaveh, dra natolosy gny vahoakin'Israely avy amigny lovan'izy ireo ireto tanana magnaraky an'ireo, midray amigny tanim-bilon'izy ireo, ho an'ireo Levita. 4 Gny asapaky teo amin'ireo fokon'i Kehatita dra nagnome izao vokasy izao: Ireo pisoro__ireo taranak'i Arona izay avy amin'ireo Levita__dra nahazo tanana telo ambin'ny folo avy amigny fokon'i Joda, avy amigny fokon'i Simeona, dra avy amigny fokon'i Benjamina. 5 Gny sisa tamin'ireo fokon'i Kehatita dra nahazo tanana folo tamin'ny asapaky avy tamin'ny isa-pianakavian'ireo fokon'i Efraimia, Dana, dra avy amigny asasaky gny fokon'i Manase. 6 Avy eo gny taranaky avy amin'i Gersona, tamigny asapaky, tanana telo ambin'ny folo avy amigny isa-pianakavian'ireo fokon'i Ysakara, Asera, Naftaly, dra gny asasaky gny fokon'i Manase agny Basana. 7 Ireo vahoaky izay taranaky avy amin'i Merary koa dra nahazo tanana ro ambin'ny folo avy amin'ireo fokon'i Robena, Gada, dra Zebolona. 8 Noho izay dra namen'ny vahoakin'Israely an'ireo Levita, tamigny asapaky, ireo tanana ireo (midray amin'ireo tanim-bilony), araky izay fa nandidian'i Yaveh tamigny tanan'i Mosesy. 9 Avy am'ireo fokon'i Joda vo Simeona, dra nanendry tany araky oreo tanana magnaraky ireo izy ireo, tanisana eto araky gny agnarana. 10 Ireo tanana ireo dra name gny taranak'i Arona, izay agnisan'ireo fokon'ny Kehatita, izay avy amigny fokon'i Levy koa. Satria nivorivory tao amin'izy ireo gny asapaky volohany. 11 Dra namen'ireo Israelita anazy ireo i Kiriat-arba (Arba gny baban'i Anaka), ilay tanana mitovy amin'i Hesbona, ao amigny tany havoan'i Joda, midray amin'ireo tanim-bilona magnodidy izay. 12 Fa ireo sahan'ny tanana vo ireo zana-bohiny koa dra fa name an'i Kaleba zanak'i Jefone, ba ho fanagnany. 13 Ho an'ireo taranak'i Arona pisoro dra namen'izy ireo midray amin'ireo tanim-bilona Hebrona__izay tanana raiky fandosiran'ireo izay namono olo sy nahy__dra Libna midray amin'ireo tanim-bilona, 14 Jatira midray amin'ireo tanim-bilona, dra Estemoa midray amin'ireo tanim-bilona. 15 Namen'izy ireo koa Holona midray amin'ireo tanim-bilona, Debira midray amin'ireo tanim-bilona, 16 Aina midray amin'ireo tanim-bilona, Jota midray amin'ireo tanim-bilona, dra Beti-semesy midray amin'ireo tanim-bilona. Sivy ireo tanana izay azo avy amin'ireo foko ro ireo. 17 Boak'aminigny fokon'i Benjamina gny nahazoa an'i Gibeona mindray amireo tanim-bilony, 18 Anatota mindray amireo tanim-bilony, dra Almona mindray amireo tany magnodidy anazy__tanana afasy. 19 Ireo tanana izay name ireo pisiro koa, dra taranak'i Arona, dra tanana telo ambin'ny folo dra gny atambasy, ao agnisan'izay ireo tanim-bilon'izy ireo. 20 Raha gny sisa aminigny fianakavian'i Kehata__reo Levita ze anigny fianakavian'i Kehata__ dra name anereo taminigny asapaky reo tana boak'aminigny fokon'i Efraima. 21 Izy reo gny nagnomeza an'i Sekema mindray amireo tanim-bilony tao aminigny tany havoan'i Efraima__Tana raiky fenganireo ze namono olo sy nahy__Gezera mindray amireo tanim-bilony, 22 Kibzaima amireo tanim-bilony, dra Beti-horona mindray amireo tanim -bilony__tana efasy gny fitambarany. 23 Boak'aminignigny fokon'i Dana, gny nagnomeza hoanigny fokon'i Kahata an'i Elteke mindray amireo tanim-bilony, Gibetona mindray amireo tanim-bilony, 24 Aialona mindray amireo tanim-bilony, dra Gata-rimona mindray amireo tanim-Bilony__ tana efasy gny fitambarany. 25 Boak'aminigny asasaky gny fokon'i Manase, gny nagnomeza hoanigny fokon'i Kehata an'i Tanaka mindray amireo Tanim-bilony vo Gata-rimona mindray amireo tanim-bilony__ tana ro. 26 Tana folo raha atambasy gny anireo fokon'i Kehatita sisa, agnisan'izay gny tanim-bilony reo. 27 Boak'aminigny asasaky gny fokon'i Manase, hoan;ireo fokonigny Gersona, reo dra fokonigny Levita hafa koa, dra ereo nagnome an'i Golana tao Basana mindray amireo tanim-bilony__tana raiky fenganize nahafaty olo sy nahy, mbamin'i Bestera mindray amireo tanim-bilony__tana ro gny fitambarany. 28 Ho an'ireo fokon'i Gersona dra namen'ereo boak'aminigny fokon'i Israely koa i Kisiona, mbamin'ireo tanim-bilony, Daderata mbamireo tanim-bilony, 29 Jarmota mbamireo tanim-bilony, dra Enganima mbamireo tanim-bilony__tana efasy. 30 Boak'aminigny fokon'i Asera, dra namen'ereo Misala mindray amireo tanim-bilony, Abdona mindray amireo tanim-bilony, 31Helkata mindray amireo tanim-bilony, dra Rehoba mindray amireo tanim-bilony__ tana efasy gny fitambarany. 32 Boak'aminigny fokon'i Naftaly, gny nagnomezan'ereo an'i Gersona Kadesy agny Galilia mindray amireo tanim-bilony__tana raiky fenganize nahafaty olo sy nahy; Hamotadora mindray amireo tanim-bilony, dra Kartana mindray amireo tanim-bilony__tana telo gny fitambarany. 33 Tana telo ambiny folo raha atambasy, boak'amireo fokon'i Gersona, mindray amireo tanim-bilony. 34 Ho an'ireo levita sisa__reo fokon'i Merary__gny nagnomeza boak'aminigny fokon'i Zebolona: an'i Jokneama mindray amireo tanim-bilony, Karta mindray amireo tanim-bilony, 35 Dimna mindray amireo tanim-bilony, dra Nahalola mindray amireo tanim-bilony__tana efasy gny fitambarany. 36 Reo fokon'i Merary dra nahazo boak'aminigny fokon'i Robena: dra i Bezera mindray amireo tanim-bilony, 37 Kedemota mindray amireo tanim-bilony, dra Mefata mindray amireo tanim-bilony__tana efasy. 38 Akoasy gny fokon'i Gada dra namen'anereo Ramota agny Gileada mindray amireo tanim-bilony__tana raiky fenganize nahafaty olo sy nahy__dra Mahanaima mindray amireo tanim-bilony. 39 Reo fokon'i Merary dra nahazo an'i Hesbona avo koa mindray amireo tanim-bilony, vo Jazera mindray amireo tanim-bilony. Tana efasy reo raha atambasy. 40 Reo aby reo dra tanan'ireo foko maroben'iMerary, ze boak'aminigny fokon'i Levy__Tata ro ambinifilo raha atambasy gny namen'anereo taminigny asapaky. 41 Ireo tanan'ireo Levita nalany avy tao agnevon'ny tany azon'ny vahoakin'Israely dra tanana valo amby efapolo, midray amin'ireo tanim-bilony. 42 Ireotanana kiraikiraiky ireo dra samy manana gny tanim-bilony magnodidy anazy. Dra manahaky izay ireo tanana aby ireo. 43 Noho izay dra namen'i Yaveh an'Israely gny tany aby ze nianianany home reo razany. dra nandova anizay reo Israelita dra nony tao. 44 Dra namen'i Yaveh Fisahara aminigny magnodidin'aby ereo, araky ze nianianany tamireo razany. Na dre raiky tamireo fahavalonyaza dra sy nisy afaky naharesy anereo.Dra natolos'i Yaveh teo apelatagnanereo gny fahavalony aby. 45 Na dre raiky tamireo zaka fapanatena soa ze nizakan'i Yaveh taminigny taranak'Israely aza dra sy nisy sy tateraky. Tateraky avokoa izy aby.