Toko faha 20

1 Dra Yaveh nizaka tamin'i Josoa ho: 2 "Mizaka aminigny vahoakin'Israely, manova anizahoky ho: "Tendreo reo tan felofa ze nizakako taminao taminigny tanan'i Mosesy. 3 Atovy zay ba hahafahanizay namono olo sinahy magnagny. Reo tana reo dra ho toera felofa aminigny olo ze tehamaly faty gny olo ze voavono. 4 Hisaoky agny amigny raiky amin'ereo tana ereo ze ka hizoro eo amigny fidi- ran'ny vavahadinigny tana, vo hagnazava gny tranga nahazo anazy amign'ereoloholon'io tana io. avy eo dra ho rambesin'izay ereo ao amigny tana izy vo hagnome plasy hipetraha miaraky amin'izy ereo ho anazy 5 Raha misy raiky amin'ereo miezaky mamaly faty gny olo nivonony, dra sy hatolos'ireo vahoaky eo atana amireo manapahefa gny raiky ze nahafaty anazy. Sy takony hanao anizay ereo akory nahafaty sy nahy gny piara-belotaminazy izy, dra sy nana fakahala taminazy izy tagny aloha. 6 Sy maisy mizano ao amizay tana zay izy mandra-pizirony eo agnatrehanigny fengona ho sirairay, mandrapahafatinigny raiky ze nanopo manahaky gny pisorom-be tamizay andro zay. Dra gny raiky ze namono sinahy gny olo dra afaky hiherin'agny atanany vo gny tragnony, agny aminigny tanan-dehibe ze nengany."' 7 Ko dra nisafidy an'i Kadesa ao Galilia tao aminigny tany havoan'i Naftaly, Sekema ao aminigny tany havoan'i Efraima, dra i Kiriat-arba (mitovy amin'i Hebrona) ao aminigny tany havoan'i Jodia reo Israelita. 8 Tagny andafinigny Jordana asignanan'i Jeriko, dra nifily an'i Bezera tagny agnefisy teo aminigny tany lemaky boak'aminigny foko Robena; Ramota Gileada, boak'aminigny fokon'i Gada; vo i Golana ao Basana, boak'aminigny fokon'i Manase ereo. 9 Reo tana reo gny nifiniliny hoanigny vahoakin'Israely aby vo ho an'ireo vahiny mitoby miaraky aminereo, ba hahafahanizay nahavono olo sy nahy mienga agny aminereo apilamina. Io olon'io dra sy ho matinigny tagnanigny raiky ze nagniry hamaly faty gny lio ze nalasany, mandra-pizoronigny olo voapanga eo agnatrehanigny fengona.