Toko faha 19

1 Gny asapaky faha ro dra lasan'i Simeona dra nitendre ho anigny sirairay amireo fakony zay. Gny lovan'ereo dra teo agnevonigny lova ze anigny fokon'i Joda. 2 Nana an'i Beri-sheba, Seba, Molada, 3 Hazara-soala, Bala, Azema, 4 Eltolada, Betola, dra Horma ho lovany ereo. 5 Simeona avo koa dra nana an'i Ziklaga, Beti-markabota, Hazara-sosa, 6 Beti-leboata, dra Sarohena. Reo gny tana telo ambinyifolo, miarak'amireo zana-bohiny. 7 Simeona avo koa dra nana an'i Aina, Rimona, Etera, dra i Asana. Reo gny tana efasy, miaraky amireo zana-bohiny. 8 Reo dra nindray tamireo zana-bohisy magnodidy reo tana reo hatragny Bale-tabera (mitovy amin'i Rama toa Negeva). Zay gny lovanigny fokon'i Simeona, name reo fokony. 9 Gny lovanigny fakan'i Simeona dra nagnomeza gny farisy gny fakon'i Joda. Akory tena lahibe loasy hoan'ereo gny azara tany nitendre hoanigny fokon'i Joda, dranandray gny lovan'ereo taminigny agnevonigny azarany gny fokon'i Simeona. 10 Gny asapaky fahatelo dra azonigny fokon'i Zebolona, dra name reo fokony zay. Gny farisy gny lovany dra nanomboky tao Sarida. 11 Gny faritaniny niakasy nagnandrefa hatragny Marala dra nahazo an'i Dabeseta; dra nihitasy hatragny aminigny lohasakan-driaky ze tandrifin'i Jokneama. 12 Hatreo Sarida gny faritany dra nihodidy magnasignana hatragny asignana dra hatraminigny faritanin'i Rislota-tabara. 13 Hatreo dra nandeha hatragny Daberata vo niakasy hatragny Jafia zay. Hatreo dra nandalo gny asignana hatragny Gata-hefera zay, vo hatragny Ita-kazina; boak'eo androso hatragny Rimona dra niodidy nagnagny Nea. 14 Gny faritany nihodidy magnavarasy hatragny Hanatona dra nifara teo aminigny lohasakan'i Jifta-ela. 15 Tafilisy amin'io faris'io reo tanan'i katata, Nahalola, Simrona, Idala, vo i Betlehema. Dra tana roambiny folo, miaraky amireo zana-bohisy. 16 Zay gny lovanigny fokon'i Zebolana, ze name an'ireo fokony___reo tana, miaraky amireo zana-bohiny. 17 Gny asapaky fahaefasy dra lasan'i Israely, dra name reo Fokony zay. 18 Gny faritanin'ereo dra ahita an'i Jezirela, Kesolota, Sonema, 19 Hafraima, Siona, vo i Anaharata. 20 Tafilisy amizay avo koa Rabita, Kisiona, Abeza, 21 Rameta, Enganima, Enhada, Beti-pazera. 22 Reo faritaniny avo koa dra nahazo an'i Tabara, Sahazoma, vo i Beti-semesy, dra nifara tao Jordana. Dra tana enina ambiny folo, miaraky amireo zana-bohiny. 23 Zay gny lovanigny fokon'i Israely, dra name reo fokony zay__reo tana, miaraky amireo zana-bohiny. 24 Gny asapaky fahadimy dra lasanigny fokon'i Asera, dra name reo fokony. 25 Tafilisy aminigny fari-tanin'ereo i Hel-kata, Haly, Batena, Aksafa, 26 Alameleka, Amada, vo i Misala. Eo aminigny sisi-tany andrefa dra nihitasy hatragny Karmela vo Sihora-libnata. 27 Dra nihodidy magnasignana hatragny Beti-dagona dra nagnalavisy hatragny Zebolona zay, vo hatragny aminigny lohasakan'i Jifta-ela, nagnavarasy hatragny Bet-emeka vo Neiela.Dra nitohy magnavarasy hatragny Kabola zay. 28 Dra nandroso hatragny Ebrona, Rehoba, Hamona, vo i Kana, dra hatragny Sidona lahibe zay. 29 Gny faritany nihodiky hatragny Rama, vo hatragny aminigny tana mimandan'i Tyra. Dra gny faritany nitoliky tagny Hosa dra nifara teo aminigny ranomasy, tao aminigny fari-tanin'i Akziba, 30 Oma, Afeka, vo i Rehoba. Ro ambiropolo reo tana reo, miaraky amireo zana-bohiny. 31 Zay gny lovanigny fokon'i Asera, dra nameny reo fokony zay__reo tana, miaraky amireo zana-bohiny. 32 Gny asapaky fahaenina dra lasanigny fokon'i Naftaly, dra nameny reo fokony zay. 33 Faritanin'ereo dra hatragny Halefa, hatragny Adami-Hanekeba vo Jabniela, hatragny Lakoma; dra nifara tao JOrdana zay. 34 Gny faritany niodiky nagnasignana hatragny Aznota-tabara dra hatragny Hokoka; nahazo an'i Zebolona eo asimo zay andrefa vo Joda gny tany asignana tagny aminigny reniranon'i Jordana. 35 Reo tana mimanda dra Zidima, Zera, Hamata, Rakata, Kinereta, 36 Adama, Rama, Hazora, 37 Kadesy, Edrehy, vo i En-hazora. 38 Nisy an'i Irona, Migdaela, Horema, Bet-anata, vo i Beti-semesy avo koa. Reo gny tana sivy ambiny folo, miaraky amireo zana-bohiny. 39 Zay gny lovanigny fokon'i Naftaly, dra name reo fokony zay__reo tana, miaraky amireo zana-bohiny. 40 Gny loka fahafito dra lasanigny fokon'i Dana, dra name reo fokony zay. 41 Tafidisy aminigny fari-tanizay lova zay Zora, Estaola, Ira-semesy, 42 Salabima, Aijaloma, Aijalona, vo i Itla. 43 Tafilisy agnatinizay koa i Elona, Timna, Ekrona, 44 Elteke, Gibetona, Baleta, 45 Jehoda, Bene- beraka, Gat-rimona, 46 Me-jarkona,vo i Rakona miaraky aminigny faritany apitan'i Jopa. 47 Gny fa votosy taminereo gny faritaninigny fokon'i Dana, dra nanafiky an'i Lesema i Dana, nialy nanohisy anazy, dra nahababo anazy. Nivonon'ereo taminigny mesa gny olon'aby, nangalaky anizay ho fanagna,dra nitoby tao. Namen'ereo agnara vaovao i Lesema, Nitokavy ho Dana araky gny razamben'ereo. 48 Zay gny lovanigny fokon'i Dana, dra name reo Fokony zay__reo tana, miaraky amireo zana-bohiny. 49 Gny fa nahavita gny fizara gny tany ho lova ereo, dra nagnome lova teo amin'ereo ho an'i Josoa zanadahin'i Nona gny vahoak'Israaely. 50 Taminigny alalanigny didin'i Yaveh gny nangatahiny, Timna-Sera ao aminigny tany havoan'i Efraima. Naheriny namboary gny tana vo nitoby tao izy. 51 Reo gny lova ze nitendren'i Eleazara pisoro, Josoa zanadahin'i Nona, dra reo pitari-pokon'ireo akohonan'ireo razambeny tao aminigny vahoakin'Israely, voatendry taminigny loka tao Silo, teo anoloan'i Yaveh, teo aminigny fidira magnao aminigny lay fihogna. Ko dra nahavita nanendray tany ereo.