Toko 1

1 Dra tafaranigny nahafatesan'i Mosesy panopon'i Yaveh, dra nizaka tamin'i Josoa zanak'iNona i Yaveh, lahibenigny pagnapin'i Mosesy, nizaka ho: 2 "Mosesy, gny panopoko, dra fa maty. Amizao dra, misangana, mitan'anity Jordana ty, hanao sy ty vahoaky ty, ho agny aminigny tany ze hameko anereo__dra ho an'ireo vahoakin'Israely. 3 Fa handehananigny tombondrareo. Fa nameko andrareo zay, araky gny fa napanatenako an'i Mosesy. 4 Hatragny atany efisy vo Libanona, vo reo renirano lahibe, gny Eofrata, gny taninigny Hetita aby, dra hatragny aminigny Ranomasy lahibe, ze hiletehanigny masoandro, dra ho tanindrareo. 5 Sy hisy olo ho afa-mizoro eo anoloanao amireo andro-piaignanao. Homba anao Zaho manahaky gny nombako an'i Mosesy. Sy hagnary anao Zaho na hagnenga anao. 6 Mahereza vo matazaha. Fa hanao dra hapandova an'ity vahoaky ty gny tany ze fa napanatenako reo razanao fa hameko anereo. 7 Mahereza vo matazaha. Mitandrema ba hakato gny lalan'aby ze nandidian'i Mosesy panopoko. Ka miala amizay na ho aminigny anakavia na ho aminigny akavana, ba hahomby hanao na eza handehananao 8 Hizaka mikasiky an'ity bokin'ny lalana ty disiky hairva hanao. Handinindiniky andro amanaly amizay hanao ba hahafahanao makato zay aby voasorasy ao amizay. dra ho ambiny sy hahomby hanao. 9 Moa seky sy fa nandidy anao zaho? mahereza sy matazaha! ka matahosy. ka kivy. Yaveh zagnahario dra homba anao na eza na eza gnandehananao.'' 10 Avy Josoa nandidy any mpitariky gny vahoaky ho: 11 '' Mandehana mamakivaky gny toby dra mibekoa anereo vahoaky ho:' magnoma vasy hognany vatany. Afaky hateloana dra hisaky an'ity Jorordana atiky hadrareo dra handeha agny dra hangalaky ereo tagny izay amen'i Yaveh Zagnaharinereo ho fanagna.'' 12 Ho an'ireo Robenita, reo Galita vo gny asasaky gny fokon'i Manase, dra hoy i Josoa ho: 13 "Atovy asay gny zaka ze nandidian'i Mosesy panopon'i Yaveh handrareo gny fa nizaka izy ho: 'Yaveh Zagnaharindrareo dra fa nognome fisahara, dra omeny andrareo anizay tany zay.' 14 Gny valindrareo, reo zaza madiniky, vo reo biby tezandrareo dra hitoby agny aminigny tany ze namen'i Mosesy andrareo agny andafin'i Jordana. Fa reo lelahyamireo rahalahindrareo dra handeha hindray amireo rahalahindrareo dra hagnapy anereo 15 Mandrapagnomezan'i Yaveh fisahara ho an'ireo rahalahindrareo manahaky gny fa nagnomezany anizay andrareo. Dra ereo hangalaky ho fanagna gny tany ze namen'i Yaveh Zagnaharindrareo anereo. Boak'eo dra hiherin'agny aminigny tanindrareo handrareo dra hangalaky anizay ho fanagna, gny tany ze namen'i Mosesy panopon'i Yaveh andrareo agny andafin'i Jordana, ze hiposahanigny masoandro." 16 Baok'eo ereo namaly an'i Josoa, nanao anizahoky ho: "Reo aby ze nandidianao anay dra hataonay, dre eza dre eza agnirahanao anay dra handehananay. 17 Hakato anao zahay manahaky gny nakatoavanay an'i Mosesy. 18 Na iza na iza mikomy reo didinao vo sy makato reo zakanao dra vono ho maty. Mahereza dra managna heri-po fosiny avo."