Toko faha 2

1 Boakeo dra nivavaky tamin'i Yaveh Zagnahariny latao an-trokin'gny hazandrano i Jona. 2 Ho izy ho: "Nitoka an'i Yaveh nanoloa gny fahoriako zaho dra namaly anahy Izy; lat'agny an-trokin'gny fiaignan-sy hita gny nitokavako vonzy! Dra reniha gny feoko. 3 Fa natorakiniha tagny amin'gny laliky zaho, tagny amin'gny farany lalikin'gny ranomasy, dra nagnodidy anahy gny herin-driaky; nanafody anahy aby gny onza vo alon-drano. 4 Ho zaho ho: ' Voaroaky sy ho eo agnoloan'gny masoniha zaho; fe dra mbo hitoliky hagnatriky gny tepoliniha masy.' 5 Nihily nagnodidy anahy ka hatregny amin'gny vozoko gny rano; vo nagnodidy anahy vatany gny laliky; naningosy nagnosisy gny lohako gny ahi-dran. 6 Nizoso tagny am-potos'ireo tendrombohisy zaho; dra nikato taminahy mandrakizay gny tany vo gny hiliny. Fe mbo napiakasy gny aiko baky tao an-davaky Hanao, ry Yaveh, Zagnahariko! 7 No rokaky tato agnatiko gny fagnahiko, dra nahasiaro an'i Yaveh zaho; dra avy teo aminiha gny fivavako, tao amin'gny tepoliniha masy. 8 Reo ze miteno zagnahary sy misy dikany dra magnary gny fahatokianiha magnoloa andreo. 9 Fa no gny aminahy koa, dra hanao soro ho Aniha amin'gny feo fanoloram-pisora zaho; ho taterahiko ze fa nivoadiako. 10 Lat'amin'i Yaveh gny famonze!" Dra nizaka tamin'gny hazandrano i Yaveh, dra naloany tegny amin'gny tany maiky i Jona.