Toko voalohany

1 Zao gny zakan'i Yaveh ze avy tamin'i Joela zanadahin'i Petoela. 2 Handrareo loholo, tenoy zao, dra mahareza handrareo pony iaby eo amin'gny tany. Fa nisy ra zeho tamin'gny androndrareo na tamin'gny andron'gny razambendrareo? 3 Zakao gny mahakasiky anizeho gny zanandradreo, vo aoky gny zanandrareo hizaka gny zanak'ereo, vo gny zanak'ereo magnaraky. 4 Ze sisan'gny kijeja dra nihanin'gny andiam-balala; ze sisan'gny andiam-balala dra fa nihanin'gny valalavao; vo ze sisan'gny valalavao dra nihanin'gny sompanga. 5 Mifohaza, handareo ry pimamo, dra mitomagneza! Midradradradra, handadreo aby pino divay, akory gny divay mamy dra nala teo amindrareo. 6 Fa nisy firene raiky niakasy teo amin'gny taniko, mahery sady sy hita isa. Gny nifiny dra nifin'gny liona, sady mana gny nifin'gny liona vavy izy. 7 Nahiny toera mapihorohoro gny tanim-boalobokiko sady nitapahiny gny hazon'aviaviko. Nombotany gny holi-kazony dra nariany zeho; reo ransany dra nazary fosy. 8 Aoky handala manahaky gny viriziny manao akazo fandala amin'gny fahafatesan'gny valiny tanora handrareo. 9 Gny fagnatisy vihy vo fagnatusy inomy dra nala tao amin'gny tragnon'i Yaveh. Mandala reo pisoro, panopon'i Yaveh. 10 Rava reo saha, mandala gny tany akory fa simba gny vary. maiky gny divay vaovao, mandamoky gny dililo. 11 So megnasy, handrareo tansaha, dra midradradradra, handrareo ry pamboly voaloboky, nohon'gny vary tritiky vo gny vary hordea. Fa gny vokasy gny saha dra fa levo. 12 Nalazo gny voaloboky sady maiky reo hazon'aviavy, reo apongaben-dagnisy, reo hazo palma avo koa, vo reo hazon'gny poma--- nalazo aby gny fifalian'gny taranak'olombelo. 13 Manaova akazo fandala dra aoky handala, handrareo pisoro! Midradradradra, hadrareo panopon'gny alitara. Magnatogna, andeso matory mandrisy gny hariva manotolo gny akazo fandala, handraareo panopon'gny Zagnahariko. Fagny fagnatisy vihy vo gny fagnatisy inony dra fa nitana ao am-pasangen'gny Zagnaharindrarewo. 14 Mangataha fifalian-kany masy, dra mangataha fengona masy. Avorio reo lohoho vo reo pony ao amin'gny tanin'i YAveh Zagnaharindrareo, dra mitagnia amin'i Yaveh. 15 Indrisy ry andro! Fa gny andron'i Yaveh dra fa mariny. Ho avy mindray amin'izay gny famoteha lat'Amin'gny Tsitoha. 16 Sy fa nala teo amasosika ra gny sakafo, vo gny fifalia vo gny firavoravoa tao amin'gny tragnon'gny Zagnaharisika? 17 reo vihy dra lo agny ambanin'gny baingan-tanin'ireo, foa reo pamasy. sady potiky reo sompisy. akory nalazo reo vary. 18 Zeho fierosin'gny biby! Mizaly gny biby fiteza akory sy mana tany fihinanam-bilo ereo. Mizaly avo koa reo andian'Agnondry aman'osy. 19 Ry Yaveh, mitoreo Aminiha zaho. Fa nolevonin'gny afo reo fihinanam-bilo agny an'efisy, dra lelan'afo gny nagnoro gny hazo aby tagny an-saha. 20 Ndre reo bisy agny an-saha aza dra midradradradra Aminiha, akory risy gny lohasaha, sady man'gny afo reo fihinanam-bilo agny an'efisy.