Toko faha 9

1 Dra raha nandalo Jesosy, dra nahita lelahy poaky hatramin'izy vo teraky. 2 Nagnotany anereo gny pianany ho: "Raby, iza re gny nanota, io lelahy io sa gny ray aman-dreniny, gny niteraky poaky manahaky anizao Izy?" 3 Jesosy namaly ho: "Sy io lelahy io gny nagnota, na gny ray amandreniny, fa natao izao ba hanehoa aminazy gny asan'Agnahary. 4 Sy maisy manao gny asanize nagniraky anahy isika raha bo mazava. Fa ho avy gny hariva ze sy afahan'iza na iza miasa sasy. 5 Raha bo eto amin'izao totolo izao zaho, dra Izaho gny fahazavan'izao totolo izao." 6 Gny fa boaky nizaka anizay Jesosy, dra nandrora tamigny tany, dra nanao feta tamigny rora, dra nanorasy gny fotaky tamigny masonigny lelahy igny. 7 Hoy izy taminazy ho: "Mandehana, sasao egny amigny ranonigny Siloama (ze adika ho: nirahy) gny masonao." Dra lasa ralelahy, nana anizay, dra nahita amizay izy. 8 Dra nifagnotany reo olo pindray rindry tamin-dralelahy vo reo ze nahita anazy nangataky taloha nanao anizahoky ho: "Sy tihoky ra gny lelahy nipetraky nangataky teto igny moa?" 9 Gny ilany nanao anizahoky ho: "Izy io." Dra gny hafa nizaka ho: "Sy izy io, fa mitovy aminazy avy." Fa izy koa nanao anizahoky ho: "Izaho tiky." 10 Hoy ereo taminazy ho: "Ko nagnino hanao nahita koa io?" 11 Namaly izy ho: "Gny lelahy atao i Jesosy igny gny nanao feta dra nagnososy fotaky gny masoko dra nizaka taminahy izy ho: 'Mandehana agny a Siloama dra sasao gny masonao.' Dra nandeha zaho vo nanasa gny masoko amizay rano zay, dra nahita." 12 Hoy ereo taminazy ho: "Eza izy?" Dra nivaliany ho: "Sy fatako." 13 Nandesin'ereo teo amigny fariseho gny lelahy nipoaky igny. 14 Tamigny anndro Sabata moa gny nanovan'i Jesosy gny feta igny vo napahiratany gny masony. 15 Dra nagnotany anazy ndraiky reo Fariseho gny amigny fomba nahiratany. Hoy izy tamin'ereo ho: "Nasiany fety gny masoko, nisasako, dra mahita zaho amizao." 16 Gny ilany tamireo fariseho nizaka ho: "Sy avy amin'Agnahary ty lelahy tihoky akory sy magnaza gny andro Sabata." Gny hafa nanao anizahoky ho: "Ino gny afahanigny olo panota manao famatara lahibe manahaky anizao?" DRa nisy fizarazara teo amin'ereo. 17 Dra nihery nagnotany gny lelahy poaky igny ndraiky ereo ho: "Ino gny hozakanao momba anazy, hatramigny napahiratany gny masonao?" Hoy gny lelahy nipoaky igny ho: "Paminany izy." 18 Dra bo sy nino gny momba anazy avo reo Jiosy ho izy dra fa poaky dra nahita raha sy nitoka gny ray aman-dreninigny lelahy nahita ereo. 19 Nagnotany reo ray aman-dreny ereo ho: "Tihoky ra Zanandrareo atao poaky io?Ko ino gny ahita koa io?" 20 Dra nivalian'ireo ray aman-dreniny ereo ho: "Fatanay fa zanakay io sady teraky poaky izy. 21 Fe seky gny amigny nahita, sy fatasay, dra ze napahita gny masony, sy fatasay. Agnotanio anazy, fa lahibe izy io. Afaky mizaka ho anigny vatany izy." 22 Nizaka anizay reo ray aman-dreniny akory natahosy reo Jiosy ereo. Akory fa nifagneky reo Jiosy fa raha misy magneky anazy ho Kristy, dra ho roahy hiala amigny Synagoga izy. 23 Nohonigny amizay, gny nizakan'ireo ray aman-dreniny ho: "Fa lahibe izy, Izy gny agnotanio." 24 Dra nitoka gny lelahy poaky taloha fagnindrony ndraiky ereo dra nizaka taminazy ho: "Omeo voninahisy Zagnahary." 25 Boak'eo dra namaly gny lelahy igny ho: "Sy fataso aloha raha panota izy. Gny fatako dra izao: fa poaky zaho taloha, fa amizao zaho fa mahita." 26 Boak'eo dra hoy ereo taminazy ho: "Fa ino gny nataony taminao? Ino gny fomba napahiratany gny masonao?" 27 Dra namaly izy ho: "Fa zinakako tamindrareo, fa sy niteno handrareo! Dra nagnino handrareo te-hiteno anizay ndraiky? Te-ho isanigny pianany avo koa handrareo, sa sy zay?" 28 Nagneso anazy ereo dra nizaka ho: "Hanao gny pianany, fa zahay pianas'i Mosesy. 29 Fatasay fa nizaka tamin'i Mosesy zagnahary, fa raha ze lelahy zay dra sy fatasay ze niaviany." 30 Dra namaly gny lelahy igny dra nanao anizahoky amin'ereo ho: "Mahagaga zay, sy fatandrareo ze niaviany, kanefa napahirasy gny masoko Izy. 31 Fatasika fa sy miteno reo panota Zagnahary, fa raha misy mazoto mivavaky vo manao gny sitrapony, dra mitenoa anazy Izy. 32 Hatramigny niatombohan'izao totolo izao dra bo sy re mihisy ho nisy napahirasy gny mason'ize teraky poaky. 33 Ko raha sy avy amin'Agnahary zay lelahy zay, dra sy mahefa na ino na ino." 34 Dra namaly ereo nanao aminazy ho: "Tena teraky tamigny ota hanao, dra hanao ndraiky ra gny hapianasy anay?" Boak'eo dra niroahin'ereo hiboaky izy. 35 Ren'i Jesosy fa niroahin'ereo tao amigny Synagoga izy. Dra Izy nahita anazy dra nizaka ho: "Mino gny zanak'Olo ra Hanao?" 36 Namaly izy ho: "Iza moa gny Izy, Topo, ba hinoako anazy?" 37 Jesosy nizaka taminazy ho: "Fa nahita anazy hanao, dra gny raiky ze mizaka aminao amizao zay." 38 Hoy gny lelahy igny ho: "Topo, mino zaho." dra nidera anazy Izy. 39 Jesosy nizaka ho: "Fa fisara gny nahaviako eto amin'izao totolo izao ba hahita reo ze poaky dra ba ho lasa poaky reo ze mahita." 40 Nahare anizay gny ilany tamireo Fariseo ze niaraky taminazy dra nagnotany anazy ho: "Zahay koa ra poaky moa?" 41 Fa Jesosy nizaka tamin'ereo ho: "Raha poaky handrareo, dra sy ho nana-keloky, fa handrareo koa amizao mizaka ho: 'Mahita zahay,' dra bo mitoby gny siakindrareo."