Toko faha 4

1 Dra gny fa fatas'i Jesosy ho ren'ireo Fariseo fa nahazo vo nanao batisa pianasy maro noho Jaona Izy 2 (na dre sy Jesosy vatany aza gny nanao batisa, fa reo pianany), 3 dra niala tao Jodia Izy dra nihery nagna Galilia agny ndraiky. 4 Fa taliavy gny mamakivaky an'i Samaria. 5 Dra avy tao amigny tana raiky ao Samaria Izy, atao ho i Sykara, agnilanigny apaha-tany ze nomen'i Jakoba an'i Josefa zanany. 6 Teo gny fasakan'i Jakoba. Nahasiaro rokaky tamigny liany Jesosy dra nipetraky teo amigny fasaka. Tokony teo amigny ora fahaenina teo. 7 Nisy apela samaritana raiky hasaka rano, dra hoy Jesosy taminazy ho: "Ba ameo rano zaho ho nomiko." 8 Fa reo pianany fa lasa agny atana ba hivily hany. 9 Boak'eo hoy gny apela samaritana igny taminazy ho: "Nagnino hanao, ze Jiosy, gny mangataky aminahy, zaho apela samaritana, rano ho nomy?" Fa reo Jiosy sy misy hifandresa amigny Samaritana. 10 Fa Jesosy namaly dra nanao taminazy ho: "Raha fatasao gny fagnomezan'Agnahary, vo ze mizaka aminao ho: 'Ameo anahy ho nomiko,' dra hanao ndraiky gny ho nangataky taminazy, dra dra ameny rano velo." 11 Hoy rapela taminazy ho: "Topoko, hanao dra sy mana fagnovoza dra gny fasaka laliky. ko eza gny hahazoanao rano velo? 12 Hanao dra sy lahibe, moa ra, hoy Jakoba razambesika, ze nagnome anay gny fasaka vo nino tamizay gny vatany, manahaky gny nataon'ireo zanany vo reo bibiny?" 13 Jesosy namaly dra nanao taminazy ho: "Ze olo mino amity rano tihoky dra bo hangetaheta ndraiky, 14 fa na iza na iza mino amigny rano ze hameko anazy dra sy hangetaheta mandrakizay. Fa gny rano ze hameko anazy dra ho lasa loharano miboiboiky ao agnatiny, ze minday agny amigny fiegna mandrakizay." 15 Hoy rapela taminazy ho: "Topoko, ameo anize rano zehoky zaho ba sy hangetaheta vo sy hasaka eto sasy." 16 Hoy Jesosy tamin-drapela ho: "Manehana, tokavo gny valinao, dra miheregna atiky." 17 Namaly gny apela igny dra nizaka taminazy ho: "Sy manambaly zaho." Namaly Jesosy ho: "Mary gny zakanao ho: 'Sy manambaly zaho.' 18 fa nanambaly indimy hanao, dra gny raiky ze hipetrahanao amizao dra bo sy valinao. Mary ze voazakanao." 19 Hoy rapela taminazy ho: "Topoko, hitako fa paminany hanao. 20 Reo razasika nivavaky teto amity tendrombohisy tihoky, kanefa handrareo mitalily fa Jerosalema gny toera tokony hivavahanigny olo." 21 Hoy Jesosy taminazy ho: "Minoa anahy, rapeka, fa ho avy gny andro ze hiderandrareo gny Ray dra sady sy amity antendrohisy tihoky gny sy a Jerosalema. 22 Fa handrareo mekohoky amize sy fatandrareo. Izay koa mekohoky amize fatasay, akory gny famozena dra avy amireo Jiosy. 23 Kanefa, ho avy gny andro, dra avy amizao, gny fa hidera gny Ray amigny fagnahy vo fahamarigna reo tena pivavaky, akory gny Ray dra mitalia olo manahaky anizay ho pidera anazy. 24 Zagnahary dra Fagnahy, dra gny olo ze midera anazy dra sy maisy midera amigny fagnahy vo fahamarigna." 25 hoy gny apela igny taminazy ho: "Fataso fa ho avy gny Mesia (gny atao ho i Kristy). Dra gny fa avy Izy, dra hagnazava amisika gny raha aby." 26 Hoy Jesosy taminazy ho: "Izaho ze mizaka aminao, gny izy." 27 Tamizay fotoa zay dra nihery reo pianany, dra nagnotany tegna ereo ho nagnino izy gny mizaka amigny apela io, fa sy nisy nizaka ho: "Ino gny taliavinao?" na ho: Nagnino hanao gny mizaka aminazy?" 28 Noho izay dra nagnenga gny sininy rapela, dra nandeha nihery tagny atana. dra nizaka tamigny olo ho: 29 "Handeha, hagnety gny lahahy ze nizaka gny vitako aby. Sy ho atana ereo dra nagneo Aminazy. 31 Nandris'izay, napirisiky anazy reo pianasy, manao ho: "Raby, mihinana." 32 Fa hoy Izy tamin'ereo ho: "Izaho dra mana haniko hany ze sy fatandrareo." 33 Dra nifapizaka reo pianasy ho: "Sy nisy olo ninday raha ho hany ho anazy, sa ra nisy?" 34 Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Gny Haniko dra gny manao gny sitrakigny nagniraky anahy dra manao gny asany. 35 Moa hanao sy mizaka ho: "Efa-bola sisa dra ho avy gny fararano?' Zakako amindrareo, apagnatio gny masondrareo dra atio gny egny agnahisy, fa masaky vo ho tapahy reo.' 36 Ze manapaky dra mitakasy karama vo magnangogna vokasy ho amigny fiegna mandrakizay, dra hiara-paly gny pamafy vo gny piziza. 37 Fa amizay dra mary gny zaka manao anizahoky ho: 'Gny raiky mamafy, dra gny raiky koa panapaky.' 38 Nagniraky andrareo hanapaky ze sy nirokafandrareo zaho. Reo hafa gny nirokaky, dra handrareo gny nilisy teo amize nirokafany." 39 Maro tamireo samaritana tao amizay tana zay gny nino anazy nohonigny tatisigny apela ze nizaka ho: "Nizakany taminahy avokoa ze nataoko aby." 40 Dra gny fa nagnato anazy reo Samaritana, dra nangataky anazy ba hizano hiaraky amin'ereo, dra nizano tao ro andro izy. 41 Maro gny nino nohonigny zakany. 42 Hoy ereo tamin-drapela ho: "Sy noho ze voazakanao sasy gny hinoanay, fa zahay mihisy gny fa nahare, dra fatasy fa izy vatany gny Pamozy an'izao totolo izao." 43 Tafaran'ireo ro andro reo , dra niala boak'eo Izy nandeha a Galilia agny. 44 Fa jesosy mihisy gny nitalily fa gny paminany dra sy manan-daza ao amigny taniny manoka. 45 Gny fa avy a Galilia agny Izy, dra nandray anazy reo Galilia. Ereo dra nahita gny raha aby ze nataony tao aJerosalema tamigny andro firavoravoa, akory nandeha tagny amigny andro firavoravoa avo koa ereo. 46 Dra avy ta Kana a Galilia ao ndraiky izy, toera napoliany gny rano ho divay. Nisy tandapa raiky nanagnanaky lelahy marary tao Kepernaony. 47 Gny fa reny fa avy a Jodia agny handeha a Galilia Jesosy, dra nagneo amin'i Jesosy izy dra nangataky taminazy ba hizoso vagnasitrany gny zanany lahy, ze fa ho maty. 48 Boak'eo Jesosy nizaka taminazy ho: "Raha sy mahita famata vo fahagaga handrareo, sr bo hino mihisy." 49 Hoy gny tandapa taminazy ho: "Topoko, mizosoa re melohanigny hafatesanigny zanako." 50 Hoy Jesosy taminazy ho: "Mandehana. Velomy gny zanakao." Nino gny zaka nizakan'i Jesosy taminazy ralelahy, dra lasa izy. 51 Raha igny izy nizoso igny, dra nisena anereo panopony, nizaka fa velo gny zanany. 52 Dra nagnotany anereo gny ora ze nagnaretany izy. Namaly anazy ereo ho: "Omaly tamigny ora fahafito nialanigny tazo taminazy." 53 Fatasigny ray boak'eo fa tamin'io ora io gny nizakan'i Jiosy anazy ho: "Velo gny zanakao." Dra nino gny vatany vo reo akohonany aby. 54 Izay gny famatara faharo nataon'i Jesosy tamin'izy niala tao Jodia ho agny Galilia agny.