Toko faha 14

1 "Ka anga hangorohoro gny fondrareo. Mino an'Agnahary handrareo, dra minoa anahy koa. 2 Misy efisy maro ao atragnonigny Rako. Raha toa ka sy izay, dra fa nizaka tamindrareo zaho, fa hagnome toera ho andrareo. 3 Raha handeha zaho dra hagnome toera ho andrareo, dra hihery ndraiky zaho dra hitakasy andrareo ato aminahy, dra ze misy anahy dra hisy andrareo koa. 4 Handrareo mahay ze handehanako." 5 Hoy Tomasy tamin'i Jesosy ho: "Topo, sy fatasay gny handehananao, ino gny hahafataranay gny lala?" 6 Hoy Jesosy taminazy ho: "Izaho gny lala, fahamarigna, vo fiegna; sy misy magnato gny Ray raha sy amigny alalako. 7 Raha nahafatasy anahy handrareo, dra tokony ho nahafatasy gny Rako koa. Manomboky amizao dra fatandrareo Izy dra fa hitandrareo. 8 Hoy Filipo tamin'i Jesosy ho: "Topo, Asehoy anay gny Ray, dra apy honay zay." 9 Hoy Jesosy taminazy ho: "Fa hatry gny ela gny niarahako tamindrareo dra bo sy fatandrareo avo zaho, ry Filipo? Na iza na iza nahita anahy dra nahitagny Ray. Ko ino gny hizakanao ho: 'Atoroy anay gny Ray? 10 Sy mino ra handrareo fa ao amigny Ray zaho dra gny Ray aminahy? Reo zaka ze nizakako amindrareo dra sy zakako boaky amigny fahefako manoka, fa gny Ray velo ato agnatiko gny manao gny asany. 11 Minoa anahy fa Izaho dra ao amigny Ray, dra gny Ray aminahy ato, raha sy zay dra minoa noho reo asa manoka. 12 Zakako amindrareo mary fa ze mino anahy dra hanao asa ze ataoko, dra hanao asa lahibe noho izao izy fa akory zaho magna amigny Ray. 13 Na ino na ino angatahindrareo amigny Agnarako, dra hataoko zay ba hagnomezam-boninahisy gny Ray ao amigny Zanaky. 14 Raha misy mangataky raha amigny agnarako handrareo, dra hataoko zay. 15 Raha tia anahy handrareo, dra hitandry gny liliko, 16 dra hivavaky amigny ray zaho, dra hagnome andrareo papahery hafa Iza ba ho eo amindrareo mandrakizay izy__ 17 gny Fagnahinigny fahamarigna. Sy afaky mitakasy anazy izao totolo izao fa akory sy mahita na mahafatasy anazy. Fa handrareo koa mahay anazy, mitoera ao amindrareo izy dra ho ao agnatindrareo. 18 Sy hamela andrareo ho irery zaho; bo hihery amindrareo atiky zaho. 19 Afaky fotoa visy moza dra sy hahita anahy sasy izao totolo izao, fa handrareo mahita anahy. Akory velo zaho, dra ho velo avo koa handrareo. 20 Dra amizay andro zay dra ho fatandrareo fa ao amigny Rako zaho, dra handrareo ato aminahy, dra Izaho ao amindrareo koa. 21 Ze mana reo liliko reo dra mitandry anireo dra izy gny tia anahy, dra ze tia anahy dra ho tianigny Rako koa, dra Izaho hitia anazy vo hiseho amindrareo." 22 Hoy Jesosy (sy Iskariota) tamin'i Jesosy ho: "Topo nagnino hanao hiseho aminay fa sy amin'izao totolo izao.?" 23 Jesosy namaly dra nizaka taminazy ho: "Raha misy olo tia anahy, dra hitandry zakako izy. Hitia anazy gny Rako, dra ho avy aminazy Izahay dra hamboasy gny fitoerany miaraky aminazy. 24 Fa ze sy tia anahy dra sy mitandry gny zakako. Gny zaka ze nendrareo dra sy avy aminahy fa avy amigny Rako ze nagniraky anahy. 25 Fa nizakako tamindrareo reo raha reo, raha bo nizano niaraky tamindarreo zaho. 26 Kanefa gny papahery__ gny Fagnahy masy, ze hirahinigny Ray amigny agnarako_izy gny hapianasy andrareo gny raha aby vo hapasiahy ze nizakako tamindrareo aby. 27 Fedagna gny hangako ho andrareo; ameko andrareo gny fedagnako. Sy ameko ohasinigny fagnomen'Izao totolo izao zay. Ka anga hangorohoro gny fondrareo, dra ka matahosy. 28 Fa rendrareo zaho nizaka tamindrareo ho: 'Handeha zaho dra hihery amindrareo agny ndriky.' Raha nitia anahy handrareo, dra tokony hiravorvo akory hagna amigny Rako agny zaho, gny Rako dra lahibe noho Izaho. 29 Dra nizakako tamindrareo dieny bo sy mitranga zay, ba hino handrareo, gny fa mitranga zay. 30 Sy hizaka maro amindrareo sasy zaho, fa ho avy gny panapaky anizao totolo izao. Sy mana fahefa aminahy izy, 31 Fa ba hahafataran'izao totolo izao fa tiako gny Ray, dra ataoko manahaky gny nandidianigny Ray anahy. Handeha hisanga isika dra hiala eto."