Toko faha 13

1 Dra andro melohanigny firavoravoanigny Paska izao. Fatas'i Jesosy fa avy gny ora hialany eto amin'izao totolo izao dra handeha agny amigny Ray. Gny fa nitia gny piara-dia taminazy teto amin'izao totolo izao Izy, dra nitia anereo hatramigny farany. 2 Dra gny devoly dra fa nametraky anizao tao asain'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona, dra gny hamadiany an'i Jesosy. 3 Izy dra nahafatasy fa gny raha aby dra fa napetrakinigny Ray teo apelatagnany dra Izy avy amin'Agnahary vo hihery agny amin'Agnahary ndraiky. 4 Nisanga Izy teo apihinana dra nangalaky gny akazony ivelany. Boak'eo Izy nangalaky lamba dra nino anizay. 5 Boak'eo nandraraky rano tao agnaty siny Izy dra nanomboky nanasa gny tombon'ireo pianany dra namafa anereo tamigny lamba nisalorany. 6 Nagnato an'i Simona Petera Izy, dra hoy Petera taminazy ho: "Topo hanasa gny tomboko ra hanao io?" 7 Jesosy namaly vo nizaka taminazy ho: "Ze ataoko dra bo sy ho azonao gny heviny zao, fa ho azonao avo zay afara agny." 8 Hoy Petera taminazy ho: "Sy hanasa gny tomboko mihisy hanao." Jesosy namaly anazy ho: "Raha sy manasa gny tombokao zaho, dra sy mana azara ato aminahy hanao." 9 Hoy Simona petera taminazy ho: "Topo, ka gny tomboko avo gny ho sasa, fa gny tagnako vo gny lohako avo koa." 10 Hoy Jesosy taminazy ho: "Ze fa nandro dra sy mila anizay, afa-sy gny manasa tomboky avo, fa izy dra fa malio tateraky, hanao dra malio, fa sy gny olon'aby." 11 (akory fa fatas'i Jesosy ho iza gny hamadiky anazy; izay gny atony nizakany ho: "Sy handrareo aby gny malio.") 12 Dra gny fa boaky nanasa gny tombon'ereo Jesosy vo nangalaky gny lambany dra nipetraky ndraiky, dra hoy Izy tamin'ereo ho: "Fatandrareo ra gny nataoko ho andrareo? 13 Tokavindrareo zaho ho 'papianasy' vo 'Topo', dra mary gny voazakandrareo, fa zay vatany zaho. 14 Kanefa raha Izaho, sady Topo gny papianasy, gny nanasa gny tombondrareo, handrareo avo dra tokony hifanasa gny tombondrareo. 15 Akory fa nagnome ohasy ho andrareo zaho dra handrareo avo koa handrareo. 16 Zakako amindrareo mary fa gny panopo dra sy lahibe noho gny Topony, na koa gny pinday hafasy dra sy lahibe noho gny nagniraky anazy. 17 Raha fatandrareo reo raha reo, dra ho tahy handrareo raha magnatateraky anizay. 18 Sy handrareo aby gny zakako; fataso reo nifiliko__fa izay dra ba hahatateraky gny Sorasy Masy ho: 'Ze mihina gny mofoko dra nanandrasy gny vohotombony hamadiky anahy.' 19 Zakako amindrareo melo zay hitrangany ba gny fa mitranga zay, dra mety hino handrareo fa Izaho gny Izy. 20 Zakako amindrareo mary fa ze mitakasy anizay nirahiko, dra mitakasy anahy, dra ze mitakasy anahy, dra mitakasy anazy ze nagniraky anahy." 21 Gny fa nizaka anizay Jesosy, dra nangorooro gny fagnahiny. Nitalily Izy dra nizaka ho: "Zakako amindrareo mary vtany fa hisy raiky amindrareo, dra magniry gny hamadiky anahy." 22 Nifagnety reo pianany, nagnotany tegna ho iza zay nizakany zay. 23 Nisy raiky tamireo pianany, ze tian'i Jesosy, nipetraky teo amigny latabasy apitan'i Jesosy. 24 Nagnato io pianasy io Simona Petera dra nizaka ho: "Agnotanio anazy ho iza zakany zahoky io." 25 Dra nihery niaky tamin'i Jesosy izy dra nizaka ho: "Topo, iza zay io?" 26 Boak'eo Jesosy namaly ho: "Gny raiky ze hadonako vo hameko ty mofo tihoky." Dra gny fa nilognany gny mofo, dra nameny an'i Jodasy zanak'i Simona Iskariota zay. 27 Dra tafaranigny mofo igny, dra nilisy tao aminazy satana, dra hoy Jesosy taminazy ho: "Ze ataonao, atovy malaky zay." 28 Tamizay reo aby teo andatabasy sy nisy nahay gny atony nizakan'i Jesosy anazy zay. 29 Gny ilany nieriserisy ho, fa akory Jodasy gny nita gny kitapom-bola, gny nizakan'i Jesosy taminazy ho: "Vilio gny raha aby taliavisika amigny andro firavoravoa," gny ho tokony hagnome raha ho anigny mahatra izy. 30 Raha vo nahare gny mofo Jodasy, dra lasa niboaky nalaky izy. Hariva gny andro tamizay. 31 Gny fa lasa Jodasy, dra hoy Jesosy ho: "Amizao dra amem-boninahisy gny Zanak'Olo, i Zagnahary dra amem-bonihasy ao aminazy ao. 32 Zagnahary dra hagnome voninahisy anazy ao amigny vatany, dra izy hagnome voninahisy anazy hatragny. 33 Ry zaza madiniky, fotoa fohy sisa gny hiarahako amindrareo. Hitalia anahy handrareo, dra araky ze nizakako tamigny Jiosy ho: "Ze andehanako, sy azondrareo andehana.' Dra zakako amindrareo koa zay amizao. 34 Lily vaovao gny ameko andrareo, dra gny hifakatiavandrareo; manahaky gny nitiavako andrareo koa. 35 Amizay gny hahafataranigny maro fa pianaso handrareo, gny mifakatia." 36 Hoy Simona Petera taminazy ho: "Topoko, fa handeha ho eza hanao io?" Namaly Jesosy ho: 'Ze andehanako, dra sy afaky hagnarahandrareo anahy zao, fa hagnaraky handrareo afara agny." 37 Dra hoy Petera taminazy ho: "Topo nagnino zaho gny sy afaky magnaraky Anao? Hafoko ho anao Gny aiko," 38 Dra namaly Jesosy ho: "Hafonao ho anahy ra gny ainao? Zakako aminao marina fa bo sy hagneno gny akoho dra fa handa anahy itelo hanao."