Toko faha 12

1 Enin'andro melohanigny Paska, dra avy ta Betania ao Jesosy, ze nitobian'i Lazarosy, gny fa nasangan'i Jesosy taminigny maty. 2 Dra nanao hany ho anazy ereo, dra i Marta gny nandrosy anereo, fa i Lazarosy koa dra agnisan'ireo niara-nipetraky tamin'i Jesosy teo amigny latabasy. 3 Boak'eo Maria nangalaky menaky magnisy litasy raiky vita tamigny narda sarobily, dra nagnososy gny tobok'i Jesosy tamizay, dra namafa gny tombony tamigny volony. Feno gny hagnisigny menaky igny gny atragno ao. 4 I Jodasy Iskariota, eay tamireo pianasy avo koa, fe hamadiky anazy, nanao anizahoky ho: 5 "Nagnino io menakio gny sy avily 300 dinaria dra name gny mahatra?" 6 Dra izy nizaka anizay, sy nohonigny fiahiany gny mahatra, fa pangalasy izy: tegny aminazy gny pisy vola dra ho nangalariny ze natao tao. 7 Jesosy nanao anizahoky ho: "Angao izy ba hita ze hanagnany ho amigny andro hagnandevoza anahy. 8 Ho eo amindrareo mandrakariva gny mahatra, fa Izaho koa sy ho eo amindrareo mandrakariva." 9 Dra nisy vahoaky maro tamireo Jiosy nahay fa eto Jesosy, dra nagnato anereo, sy ho an'i Jesosy raiky avo, fa ba hahita an'i Lazarosy avo koa, nasangan'i Jesosy tamigny maty. 10 Reo lohanigny pisoro dra nitetiky niaraky ba hahafahan'ereo manosiky an'i Lazarosy amigny fahafatesa; 11 akory noho Izy gny nahavy gny akamaroan'ireo Jiosy handeha nino an'i Jesosy. 12 Gny maraindray dra vahoaky maro gny avy tamigny andro firavoravoa. Gny fa ren'ereo fa ho avy a Jerosalema ao Jesosy, 13 dra nangalaky sapan-drafia ereo dra niboaky vo niseza anazy tamigny toka fatrasy ho: "Hosanna! Sambasy anie gny boaky amigny agnaranigny Topo, gny pazakan'Israely." 14 Jesosy nahita zana-boriky raiky dra nipetraky ta agnabony eo; 15 Araky gny voasorasy ho: "Ka matahosy, ry zanak'apelan'i Ziona; atio, ingo tamy gny pazakandrareo, ze mipetraky eo agnabonigny zana-boriky. 16 Sy nahazo reo raha reo gny pianany tamigny volohany; fa gny fa namem-boninahisy Jesosy, dra saroan'ereo fa voasorasy momba anazy reo raha reo dra fa nataon'ereo taminazy zay. 17 Dra reo vahoaky ze niaraky taminazy tamigny nitokany an'i Lazarosy hiboaky gny olo igny vo nananga anazy tamigny maty dra samby nizoro vavolombelo aby. 18 Noho izay atony izay avo koa gny nahavy gny vahoaky hisena anazy, akory ren'ereo fa nanao anizay famatara zay Izy. 19 Reo Fariseho noho izay nifapizaka ho: "Atio, sy afaky manao na ino na ino handrareo; ingo, magnaraky anazy izao totolo izao." 20 Dra nisy grika visivisy tamireo ze niakasy hidera agny amigny firavoravoa. 21 Nagnagny amin'i Filipo ereo, dra boaky a Betsaida agny a Galilia, dra nagnotany anazy, manao anizahoky ho: "Topoko, ba te-hahita an'i Jesosy zahahy." 22 Dra lasa Filipo dra nizaka tamin'i Andrea; dra lasa Andrea niaraky tamin'i Filipo, vo nizaka an'i Jesosy ereo. 23 Jesosy namaly anereo dra nanao anizahoky ho: "Fa avy gny fotoa hagnomezako voninahisy gny Zanak'Olo. 24 Zakako amindrareo mary vatany fa raha sy lasaky amigny tany gny ihimbary dra maty, dra mitoby amigny vatany raiky zay; fa raha maty zay dra hamokasy marobe. 25 Ze tia gny fiegnany dra hagnary anizay; fa ze malaiky gny fiegnany eto amin'izao totolo izao koa dra hita anizay ho agny amigny fiegna mandrakizay. 26 Raha misy manopo anahy, aoky izy hagnaraky anahy; dra ze hitoerako, dra ao avo koa gny hitoeranigny panopoko. Raha misy manopo anahy, dra hagnome voninahisy anazy gny Ray. 27 Amizao mangorohoro gny fagnahiko dra ino gny tokony ho zakako? 'Ray o, vozeo amity ora tihoky zaho'? Kanefa noho izay atony izay gny nahaviako amin'izao fotoa izao. 28 Ray o, hakalazoa gny agnaranao." Boak'eo nisy feo nanako boaky andagnisy agny nanao anizahoky ho: "Fa nakalazako zay dra bo hakalazako ndraiky." 29 Dra reo vahoaky nisanga teo vo nahare anizay dra nizaka fa siny kotraky teo. Gny ilany nizaka ho: "Nisy azely nizaka taminazy." 30 Jessosy namaly dra nizaka ho: "Izay feo zay dra sy avy ho anahy, fa ho andrareo. 31 Avy amizao gny fisara an'izao totolo izao: Dra ho roahy gny panapaky anizao totolo izao. 32 Gny fa hasandrasy hiala amigny tany zaho, dra hitao gny sirairay hagnaraky anahy." 33 Nizakany zay ba hanehoa ho karaza fahafatesa manahaky gny ino gny hafatesany. 34 Reo vahoaky namaly anazy ho: "Renay tamigny lalana fa Kristy dra hizano mandrakizay. Ino gny hafahanao mizaka ho: 'Gny zanak'Olo dra sy maisy hasandrasy?' Iza ra Zank'Olo zay io?" 35 Boak'eo Jesosy nizaka anereo ho: "Gny hazava dra bo hiaraky amindrareo mandrisy gny fotoa fohy. Mandehana dieny bo mana hazava, ba sy hafahanigny mezy mialoha andrareo. Ze mandeha amigny mezy dra sy mahay gny lala andehanany. 36 Raha bo mana hazava handrareo dra minoa anizay ba ho zanakigny mazava handrareo." Jesosy nizaka reo raha reo dra boak'eo dra sy hita vo niery anereo. 37 Na dre nanao famatara maro teo agnatrehan'ereo aza Jesosy, dra sy ninoan'ereo. 38 ba ho tateraky gny zakan'Isaia paminany, ze nizaka fa ho: "Topo, izy gny nino gny tatisay, vo iza gny nanehoany gny sandrinigny Topo?" 39 Noho izay atony zay dra sy nino ereo, araky gny voazakan'Isaia hatragny ho: 40 "Nipoahiny gny mason'ereo, dra nihamafisiny gny fon'ereo; mifanohisy amizay ereo dra te-hatita amigny mason'ereo dra hahazo amigny fon'ereo, dra hitoliky, vo Izaho hagnasitrany anereo. 41 Isaia nizaka reo raha reo fa hitany gny voninahis'i Jesosy dra nizaka momba anazy. 42 Kanefa na izay aza, dra maro tamireo pazaka gny nino an'i Jesosy; fa noho reo Fariseo reo, dra sy nagneky anizay ereo ba sy ho voasaka ho ao amigny Synagoga. 43 Tian'ereo gny fidera boaky amigny olo noho gny fidera avy amin'Agnahary. 44 Jesosy nitoka fatrasy dra nizaka ho: "Ze raiky mino anahy, ka mino anahy raiky avo fa meraky ze nagniraky anahy koa, 45 dra ze raiky mahita anahy dra mahita anazy ze nagniraky anahy. 46 Izaho dra avy manahaky gny hazava teto amin'izao toto izao, ba sy hitoby ao agnatiny mezy ze mino anahy. 47 Raha misy maneho gny zakako nefa sy mitandry anizay, dra sy hisara anazy zaho; akory zaho sy avy hisara anizao totolo izao, fa hagnavosy anizao totolo izao. 48 Ze manda anahy vo sy mitakasy gny zakaako, dra mana raiky misara anazy. Gny zaka nizakako gny hisara anazy amigny andro farany. 49 Fa izaho sy mizaka ho anazy, fa gny Ray ze nagniraky anahy, ze nagnome anahy gny lily amize ho zaka. 50 Fataso fa gny liliny dra fiegna mandrakizay, ko zezakako_dra zakako araky ze nizakanigny Ray taminahy."