Toko faha 11

1 Dra nisy lelahy raiky narary atao ho i Lazarosy zay. Boaky a Betania ao izy, tanan'i Maria vo i Marta rahavaviny. 2 Maria gny nagnososy menaky gny tomony tamigny volony, dra Lazarosy anadahiny gny narary. 3 Reo pirahavavy reo nagniraky olo ho agny amin'i Jesosy agny, nizaka fa ho: "Topo, atio, fa marary gny tianao." 4 Gny da ren'i Jesosy zay, dra hoy Izy ho: "Sy fahafatesa gny hiafaran'ty arety tihoky, fa ho fanehoa gny voninahin'i Zagnahary ba hanandrata gny zanan'Agnahary amigny alalanizay." 5 Jesosy dra tia an'i Marta vo gny rahavaviny vo i Lazarosy. 6 Dra gny fa nahare Jesosy fa marary Lazarosy, dra bo nizano ro andro tao amigny toera nisy anazy izy. 7 Dra tafaran'izay, dra nizaka tamireo pianasy Izy ho: "Handeha isika ho a Jodia agny ndraiky." 8 Hoy gny pianasy taminazy ho: "Raby , amin'izao dra mikasa gny hitara-bato anao reo Jiosy, dra bo hihery ho agny ndraiky ra hanao?" 9 Dra namaly Jesosy ho: "Sy ro ambiny folo ora ra gny fahazavanigny andro? Raha misy olo mandeha amigny andro mazava, dra sy ho tafatohy izy, akory mahita gny fahazavan'izao totolo izao. 10 Kanefa raha maneha amigny hariva izy, dra ho tafatohy akory ao aminazy gny fahazava." 11 Nizaka reo raha reo Izy, dra tafaran'ireo raha reo, dra hoy Izy tamin'ereo ho: "Tehandry i Lazarosy namasika, fa handeha Zaho ba hafahako mamoha anazy amigny torimaso." 12 Dra hoy reo Pianasy taminazy ho: "Topo raha tafandry izy, dra ho soa." 13 Kanefa Jesosy nizaka gny fahafatesa, feseky niheverin'ereo fa fela-sasasy amigny torimaso gny nizakany. 14 Boak'eo Jososy nizaka sotra tamin'ereo ho: "Maty Lazarosy. 15 Faly zaho, nohonigny amindrareo, fa sy tagny zaho ba hahavy andrareo hino. Handeha sika ho aminazy agny." 16 Tomasy, ze atao ho Didymo, dra nizaka tamireo pianasy namany ho: "Handeha koa sika ba hiara-maty amin'i Jesosy." 17 Gny fa avy Jesosy, dra hitany fa nalevy efas'andro Lazarosy. 18 Dra Betania dra fa agnilanigny Jerosalema, eo amigny dimy ambiny folo stadio eo gny elagnelany. 19 Maro reo Jiosy avy tao amin'i Marta vo i Maria, ba hapahery anereo nohonigny fahafatesanigny anadahin'ereo. 20 Boak'eo i Marta, gny fa nahare fa avy Jesosy, dra nandeha nisena anazy, fa Maria nipetraky atragno ao avo. 21 Dra nizaka tamin'i Jesosy i Marta ho: "Topo, raha teto hanao, dra sy maty gny anadahiko. 22 Nefa na dre amizao aza, dra fataso fa na ino na ino angatahinao amin'Agnahary, dra homeny anao zay." 23 Hoy Jesosy taminazy ho: "Gny anadahinao dra hasanga-ko velo ndraiky." 24 Marta nizaka taminazy ho: "Fataso fa hisanga ndraiky izy amigny fingananigny maty amigny andro farany." 25 Dra hoy Jesosy taminazy ho: "Izaho gny fanangana gny maty vo fiegna; ze mino anahy, na dre maty aza dra ho velo; 26 dre na iza na iza velo dra mino anahy dra sy ho maty mandrakizay. Mino anizay ra hanao?" 27 Hoy izy taminazy ho: "Eh, Topo mino zahofa Hanao gny Kristy, zanan'Agnahary, gny ho avy eto amin'izao totolo izao." 28 Gny fa voazakany zay, dra nandeha izy nitoka an'i Maria rahavaviny. Hoy izy ho: "Avy gny papianasy dra mitoka anao izy." 29 Gny fa ren'i Maria zay, dra nisanga malaky izy dra nagna aminazy egny. 30 Jesosy bo sy niavy ta atana ao fa bo teo amigny toera nahognan'i Marta taminazy eo avo. 31 Noho izay reo Jiosy, ze niaraky taminazy tao atragno vo napahery anazy, gny fa nahita an'i Maria nisanga malaky dra nandeha niboaky, dra nagnaraky anazy, nihevisy fa handeha hitomagny agny amigny lolo izy. 32 Gny fa avy teo amigny toera nisy an'i Jesosy i Maria dra nahita anazy, dra nekohoky izy dra nizaka taminazy ho: "Topo, raha teto hanao, dra sy nimaty gny anadahiko." 33 Gny fa nahita anazy nitomagny Jesosy, dra reo Jiosy niaraky taminazy nitomagny koa, dra naharary gny fagnahiny dra natahosy Izy; 34 dra hoy izy ho: "Teza gny nandevognandrareo anazy?" Dra hoy ereo taminazy ho: "Topo, avia dra atio." 35 Nitomagny koa i Jesosy. 36 Boak'eo hoy reo Jiosy ho: "Atio gny habenigny fitiavany an'i Lazarosy!" 37 Fa gny ilany tamin'ereo nizaka ho: "Moa ra sy hitanity lelahy tihoky, ze napahirasy gny masonigny poaky, gny manao anizay sy ho nahafaty ty lelahy tihoky koa.?" 38 Boak'eo ndraiky Jesosy, raha bo voto gny fagnahiny, dra nagnegny amigny lolo. Dra zohy zay, dra misy vato manaro anazy. 39 Hoy Jesosy ho: "Alao siteo vato hoky." Marta anabavin'i Lazarosy, maty, nizaka tamin'i Jesosy ho: "Topo, fa membo gny vatany amizao fotoa zao, fa efas'andro zay gny nahafatesany." 40 Jesosy nizaka taminazy ho. "Sy fa nizakako anao ra fa, raha nino hanao, dra hitanao gny voninahin'Agnahary?" 41 Dra nalan'ereo gny vato. Jesosy nanandrasy gny masony dra nizaka ho: "Ray o, misaotra anao Zaho akory niteno Anahy hanao. 42 Fataso fa miteno Ahy mandrakariva hanao, fa nohonigny vahoaky mizoromagnodidy anahy gny nizakako anizay, ba hafahan'ereo mino fa Hanao gny nagniraky Anahy." 43 Gny fa boaky nizaka anizay Izy, dra nitoka tamigny fatrasy ho: "Lazarosy, miboaha!" 44 Niboaky izy fa maty igny; nisy fehi-paty gny tombony vo gny tagnany, dra voafehy lamba koa gny vatany. Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Hahao izy dra angao handeha." 45 Boak'eo mary tamireo Jiosy ze avy tao amin'i Maria vo nahita gny nataon'i Jesosy, dra nino anazy; 46 Fa gny ilany tamin'ereo koa lasa nandeha nagnagny amigny Fariseo dra nizaka tamin'ereo gny raha nataon'i Jesosy. 47 Boak'eo gny lohanigny pisoro vo gny Fariseho namory gny Synedriona niaraky vo nanao anizahoky ho: "aino gny hataosika? Ty lelahy tihoky dra manao famatara maro. 48 Raha angasika amin'izao Izy, dra hino anazy gny olon'aby; dra ho avy gny Romana hangalaky gny tanasika vo gny firenesika." 49 Kanefa, nisy lelahy raiky tamin'ereo, Kaiafa, pisorombe tamizay tao zay, nanao tamin'ereo ho: "Handrareo dra sy mahay na ino na ino. 50 Sy mieriserisy handrareo fa soa ho andrareo raha lelahy raiky gny maty ho anigny olo manahaky gny firenena manotolo gny ringa. 51 Dra ze nizakako dra sy nataony ho anazy avo. Fa noho izy pisorombe tamin'io tao io, dra naminany fa tokony ho maty ho anigny firenena Jesosy; 52 dra sy ho anigny firenena avo, fa ba hapiray gny zanan'Agnahary ze niparitaky koa. 53 Dra nanomboky tamin'io andro io dra nanao tetiky gny fomba hamonoa an'i Jesosy ereo. 54 Jesosy sy nandeha niharihary tegny amireo Jiosy sasy, fa niala teo Izy nagna amigny tany agnilanigny efisy ho agny atana atao a Efraima zay. Dra nipetraky tao Izy vo reo pianasy. 55 Dra fa mariny gny Pasky gny Jiosy, dra maro tamireo tagny ivelany tana gny niakasy tao a Jerosalema melohanigny Paska ba hagnalio gny vatan'ereo. 56 Nitalia an'i Jesosy ereo, dra nizoro teo amigny Tepoly nifapizaka ho: "Ino gny eriseretinao? Hoe sy ho avy amigny andro firavoravoa ra Izy?" 57 Dra fa nagnome baiko gny lohanigny pisoro vo gny Fariseho da misy mahay gny misy an'i Jesosy, dar tokony mizaka izy ba hanamboran'ereo anahy.