Toko faha 10

1 "Zakako amindrareo mary fa ze sy milisy gny vavahady ho amigny valan'agnondry, fa magnaniky lala hafa, dra pangalaky vo vavahady koa gny piamby angondry soa. 3 Izy gny vahanigny piamby vavahady. Mahare gny feony gny agnondry, dra izy mitoka gny agnondriny manoka amigny agnarany dra minday anazy miboaky. 4 Gny fa namoaky gny anazy aby izy, dra nialoha lala anazy reo, dra magnaraky anazy gny agnondriny, akory mahay gny feony. 5 Dra sy hagnaraky vshiny ereo fa hienga anazy koa, sy fatany gny feonigny vahiny." 6 Jesosy nizaka anizay fagnohara zay tamin'ereo, fe seky sy azon'ereo akory reo raha nizaka tamin'ereo. 7 Dra hoy ndraiky Jesosy tamin'ereo ho: "Zakako amindrareo mary fa Izaho gny vavahadin'Agnondry. Ze avy talohako dra pangalasy aby, akory sy niteno anereo gny agnondry. 9 Izaho gny vavahady. Raha misy milisy ao amigny alalako, dra ho voavozy izy hilisy vo hiboaky izy dra hahita gny fihinana. 10 Fa gny pangalasy sy avy raha sy hangalasy vo hamono dra handrava. Fa Izaho koa avy ba hanagnan'ereo fiegna dra hanagna anizay maro. 11 Izaho gny piamby soa. Gny piamby soa dra manolosy gny ainy hamoze gny agnondriny. 12 Gny pikarama dra sy piamby vo sy topon'agnondry. Raha nahita amboa mola magnato izy dra hagnenga gny agnondriny dra hienga, dra gny amboaigny hanambosy vo hapienga anereo. 13 Mienga izy akory pikarama dra sy midary gny angondriny. 14 Izaho gny piamby agnondry soa, dra fataso gny anahy, fatany koa zaho. 15 Gny Ray mahafatasy Anahy, zaho mahafatasy gny Ray, dra Izaho manolosy gny aiko ho anigny agnondry. 16 Mana agnondry hafa sy amity vata tihoky zaho. Sy maisy handesiko avo koa reo, dra ereo hahare feoko ba ho avy lia raiky vo piamby raiky 17 Izao gny atony hitiavanigny Ray anahy: mahafo manolosy gny aiko zaho ba handresako anizay ndraiky. 18 Sy misy mangalaky anizay aminahy, fa gny vatako avo gny manolosy anizay. Mana fahefa hanolosy anizay zaho, dra mana fahefa hangalaky anizay ndraiky koa. Izay lily zay dra azoko boaky amigny Rako." 19 Nisy fizarazara ndraiky teo amireo Jiosy noho reo zaka reo. 20 Maro tamin'ereo gny nizaka ho: "Mana demonia Izy dra very say. Nagnino handrareo miteno anazy io?" 21 Gny ilany nizaka fa ho: "Sy fizakanigny olo misy demonia zao. Moa gny demonia afaky mapahirasy gny masonigny Poaky?" 22 Boak'eo gny fizakanigny fanokagna ta Jerosalema ao. 23 Ririny tamizay, Jesosy nisanga teo akiazanigny Tepoly teo amigny felofan'i Solomona. 24 Boak'eo nitangorognan'ireo Jiosy Izy dra nizaka taminazy ho: "Mandrak'ombia gny hapisalasalanao anay? Raha hanao gny Kristy, dra zakao miharihary." 25 Jesosy namaly anereo ho: "Fa nizaka andrareo zaho, fa sy nino handrareo. Reo asa ze ataoko amigny agnaranigny Rako, reo gny nitalily gny mahakasiky anahy. 26 Kanefa handrareo sy mino akory ba agnondriko. 27 Mahare gny feoko gny agnondriko; fataso ereo, dra magnaraky anahy. 28 Ameko anereo gny fiegna mandrakizay; dra sy ho maty mandrakizay ereo, dra sy hisy handrobaky anazy eo apelatagnako. 29 Gny rako ze nagnome anireo anahy, dra lahibe noho gny hafa aby, dra sy misy mahavita mandrobaky anazy eo apelatagnany Ray. 30 Izaho vo gny Ray dra raiky avo." 31 Boak'eo nangalaky vato ndraiky reo Jiosy hitoraky anahy ndraiky. 32 Jesosy namaly anereo ho: "Maro gny asa soa nasehoky andrareo boaky tamigny Ray. Ko dra ino tam'io asa io gny hitorahandrareo vato anahy?" 33 Namaly namaly anahy reo Jiosy ho: "Sy gny asa soa gny hitarahanay vato anao, fa gny fizaka-rasy, fa hanao olombelo, dra manao gny vatanao ho zagnahary." 34 Namaly anereo Jesosy ho: "Sy fa voasorasy ao amigny lalandrareo ra ho: "Hoy Zaho ho: "Zagnahary handrareo?" 35 Raha nitoka anireo ho zagnahary izy, dra ho an'iza gny niavianigny zakan'Agnahary (dra gny sorasy Masy dra sy azo foagna), 36 moa ra gny nihamasininigny Ray gny nirahy ho amin'izao totolo izao gny ataondrareo ho: 'Mizaka rasy Hanao,' noho izay nizaka ho: 'Izaho gny zanan'Agnahary'? 37 Raha sy manao reo asan'i Rako zaho, dra ka mino anahy. 38 Fa raha manao anireo zaho, na dre sy mino anahy handrareo, dra minoa reo asa ba hahafatarandrareo vo hahazoandrareo fa gny Ray dra ato aminahy vo Izaho ao aminy Ray." 39 Bo nikasa gny hanambosy anazy ndraiky ereo, fa nienga Izy. 40 Dra nagnagny an-dafin'i Jordana ndraiky Izy ho agny amigny toera ze nanovan'i Jaona batisa volohany, vo nitoby teo. 41 Maro gny olo magnato anazy dra hoy ereo ho: "Jaona sy ba mana famatara, fa gny raha aby nizakan'i Jaona momba io lelahy io dra mary." 42 Maro gny olo nino anazy teo.