Toko 4

1 Bak'eza gny niavian'ereo aly vô reo fifandira eo aminereo? Moa se reo sy avy amigny fagniriandrareo ze mialy amigny pikamba eo agnevondrareo? 2 Magniry andrareo ,nefa sy mana .Mamono vô magniry andrareo , nefa sy afaky gny ahazo. Mialy vô mifagnakany andrareo . Sy mana andrareo satria sy mangataky . 3 Mangataha andrareo nefa sy mahazo satria rasy fangataky , bâ ahafahandrareo mapiasa anizay ho amigny fagniriandrareo. 4 Andrareo ry pizangazanga! Moa sy fatasindrareo se fa gny fisakaizana amin'izao totolo zao dra fandrafia manohisy an'Agnahary? Koa dre iza dre iza te -ho sakaizan'izao rotolo zao dra manao gny vatany ho fahavalon'agnahary. 5 Sa andrareo se mieriserisy fa gny Sarosy Masy dra mizaka raha- fahatany hô:'' Gny fagnahy ze nataony niania tao amisika dra saro-piaro loasy''? 6 Fa Zagnahary magnome fahasoava maro tokoa , noho izay dra hô gny sorasy masy hô: '' Zagnahary manohisy gny pirehareha,fa magnome fahasoava gny mpanetry tegna ' 7 ka magneky an'Agnahary. Tohero gny devoly ,dra hilomay andrareo izy . 8 Magnarignia an'Agnahary, dra hagneky andrareo izy.Liovy gny tagnandrareo, ry mpanota, dra liovy gny fondrareo,ry piroa say. 9 Malahelova , mandalà, dra mitomagnia! Aoka gny fiomehezandrareo holy fitomagnia, dra gny fifaliandrareo ho fazoreta. 10 Manetre-tegna eo agnatrehan'i topo, dra hanandrasy andrareo Izy. 11 ka mifagnarasy andrareo ,ry rahalahy .Gny olo ze magnarasy gny rahalahy na misara gny rahalahy dra manohisy gny lalàna. Raha misara gny lalàna andrareo ,dra sy pakato gny lalàna ,fa pisara . 12 Raiky avô gny magnome lalàna vô misara.Izy avô gny raiky afaky mamozy vô mamono . Iza moa anao, ze misara gny namanao? 13 Dra mitenoa ,andrareo ze mizaka hô:'' Amizao na maray filirany ato Amin'itihô tana itihô isika , heritao hizano agny ,hanao varosy ,dra hangalaky tombony .'' 14 Iza gny mahay ze raha hisy maray ,dra ino gny fiaignandrareo? Fa zavona miboaky malaky andrareo sady Bak'eo dra levo. 15 Fa dra , tokony hizaka amindrareo hô : '' Raha sitraky gny Topo, dra ho velo isika dra hanao agn'isy na hanao anindrahôky. '' 16 Fa amizao andrareo dra mirehareha amin'ereo tetiky boaboa. Gny fireharehany aby mitovy dra rasy. 17 Ka ho an'izay mahay aby manao gny soa nefa sy manao anizay ,dra ôry ho anazy .