Toko 1

1 Tahoky gny agnaran'ereo zanadahin'Israely ze nagnagny Egypta niaraky tamin'i Jakoba, zay niaraky tamin'ereo ankohonany aby: 2 Robena, Simeona,Levy dra Joda; 3 Isakara, Zebolona,dra Benjamina, 4 Dana, Naftaly,Gada dra Asera. 5 Reo taranak'i JOkoba dra miisa fitopolo. Josefa koa dra fa tagny Egypta. 6 Dra maty i Josefa , vo gny rahalahiny aby, dra reo taranaky reo aby. 7 Namokasy reo Israelita, nitombo hatrany gny isan'ereo, dra lasa tena natazaky; feno anazy gny tany. 8 Dra nisy mpzaka vaovao nazaka nanera an'i Egypta, zay sy nahafatasy gny mombon'i Josefa. 9 Ho izy tamin'ereo vahoakany ho:''Indro , reo Israelita dra maro agn'isa vo matazaky koa noho isika. 10 Magnatogna, ao isika ifampiraharaha am-pahendrena amin'ereo,raha sy zay dra hitombo isa hatrany izy reo, dra raha vaky gny aly, dra hamozy reo fahavalosika izy reo, hialy amisika, dra handao gny tany.'' 11 Koa dra nametraky mpifehy izy reo ba hampahory anazy reo amy asa fatrasy . Nagnamboasy tana fitehiriza ho an'i Farao reo Israelita:Pitoma vo ramesesa. 12 Fa viamaiky reo Egyptiana mampahory anazy reo, dra voamaiky nitombo agn'isa vo niparitaky reo Israelita. Koa dra nanomboky batahosy reo Israelita reo Egyptiana. 13 Napesan'ereo Egyptiana fatrasy hoky Israely. 14 Nataony sarosy gny fiaignan'ereo tamy fanopoa fatrasy tamy fanova feta sy biriky, niaraky tamin'ereo karazan-draha aby kay ambanivohisy. Gny asa aby nitakeny tamin'ereo dra fatrasy avo koa. 15 Dra niresaky tamin'ereo mpampivelo Hebreo gny mpazakan'i Egypta;gny agnarani raiky dra Sifra, dra gny raiky Poa. 16 ho izy ho;''Raha magnatriky reo ampela Hebreo eo amy seza fiteraha iandrareo, dra araho maso izy reo raha miteraky . Raha zazalahy zay, dra sy maisy hovonandrareo izy; fa raha zaza ampela koa, dra afaky anga ho velo.'' 17 fa natahosy agn"agnahary reo mpampivelo ka sy nanao ze nandidian'i Mpazakan'i Egypta anazy reo; nangan'ereo ho velo reo zazalahy. 18 Nampitoka reo mpampivelo gny mpazakan'i Egypta ka nizaka tamin'ereo ho:''Nanao akory gny nanao zao iandrareo, dra namela reo zazalahy masaiky ho velo?'' 19 Dra namaly an'i Farao reo mpampivelo ho:''Sy mitovy amin'ereo ampela Egyptiana reo ampela Hebreo. Matazaky izy reo ka fa nahavita namoaky zaza mialohany hahaviany mpampivelo agny amin'ereo.'' 20 Niravan'Agnahary reo mpampivel reo. Nitombo agn'isa reo mpony dra tena niha-natazaky. 21 Satria natahosy agn'Agnahary reo mpampivelo, dra nomeny ankohona izy reo. 22 Handidy reo vahoakany aby Farao ho:''Sy maisy hariandrareo agny amy renirano gny zazalahy aby ze vo teraky , fa gny zaza ampela hangandrareo ho velo.''