Toko faha 27

1 Mosesy vo reo loholon'Israely nadidy gny vahoaky dra nizaka ho: "Tandremo reo didy aby ze nandidiako andrareo androany. 2 Gny fa hisaky an'i Jordana handrareo ndraiky androany agny ho agny amigny tany ze amen'i Yaveh zagnaharinao anao, dra sy maisy hametraky vato lahibe maromaro handrareo dra handalosy reo amigny sokay. 3 Sy maisy soratinao ao amireo gny zaka aby amity lalana tihoky gny fa tafita hanao, ba hilisy ao amigny tany ze amen'i Yaveh anao hanao, dra tany tondra-dronono vo tately, araky gny fa napanatenan'i Yaveh, gny Zagnaharin'ereo razambenao. 4 Gny fa tafita gny Jordana handrareo, dra hasanganao reo vato ze handidiako andrareo androany, ao atendrombohisy Ebala, dra lalory sokay reo. 5 Ao gny sy maisy hagnoregnanao alitara ho an'i Yaveh Zagnaharinao, alitara vita amigny vato; kanefa ka mapiasa fitova vy hiasa reo vato. 6 Vato sy voapaiky gny sy maisy hamboaranao gny alitaran'i Yaveh zagnaharindrareo; sy maisy hanao fagnatisy oroa ho an'i Yaveh zagnaharindrareo eo amin'io hanao, 7 dra hanao soro fagnati-pihavana hanao dra hihinan'ao. Hiravoravo eo agnatrehan'i Yaveh zagnaharinao hanao. 8 Ho soratinao feno eo amireo vato reo gny zaka aby amity lalana tihoky." 9 Mosesy vo reo pisoro, dra reo Levita, nizaka tamireo Israely aby, nanao anizakoky ho: "Mangina, dra miteno, ry Israely: Androany dra fa avy vahoakin'i Yaveh zagnaharinao hanao. 10 Noho zay dra sy maisy makato gny feon'i Yaveh zagnaharinao hanao, dra makato reo didiny vo gny lalany ze handidiako anao androany." 11 Tamin'io andro io avo dra nadidy gny olo i Mosesy dra nizaka ho: 12 "Ty foko tahoky gny sy maisy hisangan'eo atendrombihisy Gerizima ba hiso-drano gny olo aby tafita an'i Jordana handrareo: Simeona, Levy, Joda, Isakara, Josefa, dra i Benjamina. 13 Ty foko tahoky gny sy maisy hisangan'eo amigny Tendrombohisy Ebala ba hanogno ozo: Roben, Gada, Asera, Zebolona, Dana, dra Naftaly. 14 Hamaly reo Levita dra hizaka amireo lelahin'Israely aby amigny feo abo ho: 15 'Ho voaozo anie gny lelahy ze manao sari-raha voasokosy na sari-raha mitily, ze fahavetaveta amin'i Yaveh, gny asanigny tagnany panao asa tagna, vo ze manangan'anizay mangingina.' Dra gny vahoaky aby hamaly dra hizaka ho: 'Amena.' 16 'Ho voaozo anie gny lelahy ze manao sinosino gny rany na gny reniny.' Dra gny vahoaky aby hizaka ho: 'Amena.' 17 'Ho voaozo anie gny lelahy ze mamindra gny mari-taninigny pindray rindry aminazy: 'Dra gny vahoaky aby nizaka ho: 'Amena.' 18 'Ho voaozo anie gny lelahy ze magnery lala gny poaky.' Dra gny vahoaky aby hizaka ho: 'Amena.' 19 'Ho voaozo anie gny lelahy ze mapiasa hery ho anigny rariny ze tokony ho anigny vahiny, gny kamboty, na gny pitondrategna.' Dra gny vahoaky aby hizaka ho Amena.' 20 'Ho voaozo anie gny lelahy ze mindray mandry amigny valinigny rany, akory nangalasy gny zonigny rany izy.' Dra gny vahoaky aby hizaka ho: 'Amena.' 21 'Ho voaozo anie gny lelahy ze miandray mandry amize mety ho karazam-bibidia.' Dra gny vahoaky aby hizaka ho: 'Amena.' 22 'Ho voaozo anie gny lelahy ze mindray mandry amigny anabaviny, gny zanakapelanigny rany, na gny zanakapelanigny reniny.' Dra gny vahoaky aby hizaka ho: 'Amena.' 23 'Ho voaozo anie gny lelahy ze mindray mandry amigny rafozam-baviny.' Dra gny vahoaky aby hizaka ho: 'Amena.' 24 'Ho voaozo anie gny lelahy ze mamono mangingina gny pindray rindry aminazy.' Dra gny vahoaky aby hizaka ho: 'Amena.' 25 'Ho voaozo anie gny lelahy ze mitakasy kolikoly ba hamonoa gny olo sy masiaky.' Dra gny vahoaky aby hizaka ho: 'Amena.' 26 'Ho voaozo anie gny lalahy ze sy magnamafy reo zakanity lalana tihoky, fa hakato anereo izy.' Dra gny vahoaky aby hizaka ho: 'Amena.'