Toko faha 17

1 Ka manao soron'agnomby na agnondry ze misy kilema na raha rasy ho an'i Yaveh zagnaharindrareo, akory zay dra fahavetaveta amin'i Yaveh zagnaharindrareo. 2 Dra raha misy eo amindrareo, ao amireo vavahadinigny tanandrareo ze namen'Agnahary andrareo, lelahy na apela hita manao rasy eo amason'i Yaveh zagnaharindrareo dra mivadiky amigny fagnekeny, 3 na iza na iza nandeha vo nanopo zagnahari-hafa dra mekohoky amin'ereo, na masoandro, na volana, na ze raha aby egny amigny lagnisy__ze sy nandidiako andrareo__ 4 dra raha zaka gny amizay handrareo, na fa rendrareo zay, dra aoky handrareo hanao fagnadihadia soa. Raha mary dra azo atoko fa nisy fametaveta manahaky anizay natao tao Israely, dra zao gny tokony ataondrareo. 5 Aoky handesindrareo eo amigny vavahanigny tana, gny lelahy na gny apela, ze nanao anizay raha rasy zay, aoky ho torahindrareo amigny vato ho maty zay olo zay. 6 Amigny zakanigny vavolombelo ro, na vavolombelo telo, dra aoky ho vono ho maty izy; fa amigny zakanigny vavolombelo raiky moza dra aoky sy hovono ho maty izy. 7 Sy maisy gny tagnan'ireo vavolombelo gny volohany mamono anazy ho maty, dra afaranizay; dra ho alanao sy ho eo amindrareo gny rasy. 8 Raha misy raharaha mitranga ze sarosy loasy amindrareo gny misara anazy__mety ho zaka vono olo na fahafatesa sinahy, teo amigny zon'olo vo zon'olo raiky hafa, na karaza fandrasa natao, na karaza raharaha hafa, raharaha mapialy hevisy eo amireo vavahadinigny tanandrareo__dra aoky handrareo hiakasy agny amigny toera ze ho filin'i Yaveh zagnaharindrareo ho fitoerany masy. 9 Aoky handrareo handeha agny amireo pisoro, reo taranak'i Levy, dra agny amireo pisara ze topon'azara amizay fotoa zay; hitalia gny hevis'ereo handrareo, dra hamen'ereo andrareo gny didi-pisara. 10 Aoky arahindrareo gny lalana namen'andrareo ao amigny toera ho safidin'i Yaveh ho fitoerany masy. Hitandry hanao gny raha aby ze hagnoron'ereo lalana hataondrareo handrareo. 11 Araho gny lalana ze apenarin'ereo andrareo, dra atovy araky reo fanapaha-kevisy amen'ereo andrareo. Ka mivily amize nizakan'ereo andrareo, ho agny akavana na ho agny akavia. 12 Na iza na iza miavognavo, amigny sy fitenoa gny pisoro ze misanga hanopo eo agnatrehan'i Yaveh zagnaharindrareo, na amigny sy fitenoa gny pisara__zay olo zay dra ho maty; hangalaky gny rasy amin'Israely handrareo. 13 Aoky gny olon'aby hahare dra hatahosy, dra sy hiavognavo sasy. 14 Gny fa avy agny amigny tany ze amen'i Yaveh zagnaharindrareo andrareo handrareo, dra gny fa azondrareo zay dra manomboky mitoby ao handrareo, dra hoy handrareo ho: "Mametra pazaka eo aminahy zaho, manahaky reo firenena aby ze magnodidy anahy,' 15 dra sy maisy hametraky pazaka eo amindrareo tokoa handrareo ze olo ho filin'i Yaveh zagnaharindrareo. Sy maisy hametraky pazaka eo amindrareo handrareo ze olo boak'amireo rahalahindrareo. Sy afaky mametraky vahiny, ze sy rahalahindrareo, eo amindrareo handrareo. 16 Kanefa sy azony atao gny magnamaro sovala ho anigny vatany, na hahaavy gny vahoaky hiherin'agny Egypta ba hahafahany magnamaro reo sovala, fa hoy i Yaveh tamindrareo ho: "Sy hihery amizay lala zay sasy handrareo.' 17 Sy mahazo mangalaky valy maro ho anigny vatany izy, ba sy hiodignanigny fony agny akafa. Sy mahazo mamory volafosy vo volamena be dia be izy. 18 Gny fa mipetraky eo amigny seza fiandriananigny fazakany izy, dra sy maisy soratiny ho anigny vatany amigny horogna taratasy gny lalana, boak'amigny lalana ze eo anoloan'ireo pisoro, ze Levita. 19 Sy maisy mindray aminazy gny horogna taratasy, dra sy maisy vaky zay amigny hiegnany, ba hahafahany mianasy magnaza an'i Yaveh zagnaharindrareo, ba hitanany reo zaka gny didy aman-dalana aby tahoky, ba hitandrema anereo. 20 Sy maisy ataony zay ba sy hireharehanigny fony amireo rahalahiny, dra ba sy hiviliany amireo didy, ho agny akavava na ho agny akavia, ba hahalava reo androny vo reo zanany ao amigny fazakany, eo amin'Israely.