Toko faha 16

1 Tandrovy gny volan'i Abiba, dra tandromy ho an'i Yaveh Zagnaharindrareo gny Paska, akory tamigny volan'i Abiba gny namoahan'i Yaveh Zagnaharindrareo andrareo tao Egypta nandrisy gny hariva. 2 Mandrisy gny Paska dra hataondrareo soro ho an'i Yaveh zagnaharindrareo gny ilany amireo agnondry aman'osy dra gny agnomby ao amigny toera ze ho safidian'i Yaveh ho fitoerany masy. 3 Hanindrareo miaraky amigny mofo sy misy masisira zay, hafitoa gny hihinanandrareo mofo sy misy masisira miaraky amizay, gny mofo-pahoria; akory tapoky gny niboahandrareo tao Egypta. Atovy zay mandrisy gny andro-piegnandrareo ba hahasiarovandrareo gny andro niboahandrareo tao amigny tany Egypta. 4 Mandrisy gny fito andro dra sy tokony hahita lalivay eo amigny farisy aby misy andrareo; na hahita raiky amireo hena ze natao soro gny hariva ho tehirizy mandra-maray. 5 Mandrisy gny Paska dra sy hanao soro biby ao agnatiny vavahadinigny tanandrareo ze amen'i Yaveh zagnaharindrareo ho andrareo handrareo. 6 Fa koa, manova soro egny amigny toera ze ho safidin'i Yaveh zagnaharindrareo ho fitoerany masy. Eo gny hanovandrareo soro ho anigny Pska andro raiky agnatinigny tao ze niboahandrareo tao Egypta. 7 Atonoy zay dra hano egny amigny toera ze ho safidin'i Yaveh zagnaharindrareo; gny maray handrareo dra hitoliky dra hihery ao amireo laindrareo. 8 Hihina mofo sy misy masisira handrareo mandrisy gny enin'andro; amigny andro fahafito dra hisy fivoria magnetriketriky ho an'i Yaveh Zagnaharindrareo; amin'io andro io dra sy mahazo miasa handrareo. 9 Dra magnisa fito herignandro; manomboky amigny fotoa handiliandrareo volohany gny vary amigny alasy fandilia gny hagnisandrareo reo herignandro fito. 10 Hazogny ho an'i Yaveh zagnaharindrareo gny Herignandro Firavoravoa miaraky amigny fandesa azara amigny fagnati-sitrapo boak'agny atanandrareo ze homendrareo, araky gny nitahian'i Yaveh zagnaharindrareo andrareo. 11 Hifaly eo agnatrehan'i Yaveh zagnaharindrareo handrareo__handrareo, gny zanadahindrareo, gny zanakapelandrareo, gny panopondrareo lahy, gny panopondrareo vavy, gny Levita ze ao amigny vavahadinigny tanandrareo, vo reo pivahiny, reo kamboty ra, dra gny pitondratena eo amindrareo, eo amigny toera ze ho safidin'i Yaveh zagnaharindrareo ho fitoerany masy. 12 Ho saroandrareo fa andevo tagny Egypta handrareo; tandrovy dra apiharo reo lalana reo. 13 Tandrovy gny Fetinigny Felofa mandrisy gny fito andro afaranigny famoria gny vokasy boak'amigny famoloa vo gny famiazandrareo. 14 Hifaly handrareo mandrisy gny firavoravoandrareo___handrareo, gny zanadahindrareo, gny zanakapelandrareo, gny panopo lahindrareo, gny panopo vavindrareo, vo reo pivahiny, dra reo kamboty, vo gny pinday ze ao agnatinigny vavahadindrareo. 15 Mandrisy gny fito andro handrareo dra hitandry gny firavoravoa ho an'i Yaveh zagnaharindrareo egny amigny toera ze ho safidin'i Yaveh, akory i Yaveh zagnaharindrareo dra hitahy andrareo amigny vokasy vo gny asanigny tagnandrareo aby, dra hifaly vatany handrareo. 16 Reo lelahindrareo dra hiseho in-telo isa-tao eo agnatrehan'i Yaveh Zagnaharindrareo egny amigny toera ze ho safidiny: agny amigny Firavoravoa gny Mofo sy misy masisira, agny amigny Herignandro Firavoravoa, vo agny amigny Fetinigny Tabernakely; dra sy hiseho tagna-polo eo anoloan'i Yaveh ereo; 17 fa koa, hagnome araky ze trasiny gny lelahy aby, ba hahafatarandrareo gny fitahia ze fa namen'i Yaveh zagnaharindrareo andrareo. 18 Manendre pisara vo manamboninahisy ao agnatinigny vavahadinigny tanandrareo aby ze amen'i Yaveh zagnaharindrareo andrareo; halandrareo isa-pokondrareo ereo, dra hisara gny olon'amigny fisara mary. 19 Sy tokony hangalaky akeriny gny fisara handrareo; sy tokony mapiseho fitanilagna na koa mitakasy kolikoly, akory gny kolikoly mahapoaky gny mason'ireo hendry dra mamadiky reo zakanigny fahamarigna. 20 Tokony hagnoriky gny fisara handrareo, gny fisara raiky avo, ba hiegnandrareo vo handovandrareo gny tany ze hamen'i Yaveh Zagnaharindrareo andrareo. 21 Ka mananga Aseraha ho anigny vatandrareo, na karaza boa, agnilanigny alitaran'i Yaveh zagnaharindrareo ze hataondrareo ho anigny vatandrareo handrareo. 22 Handrareo avo koa dra sy tokony hananga andrim-bato masy ho anigny vatandrareo, ze halan'i Yaveh zagnaharindrareo.